Hongria: Ireo rôma ao Gyöngyöspata, nafindra toerana sa nitsangatsangana paka?

Tato ho ato izao dia foiben'ny fifandirana eo amin'ireo rôma sy ny Hongroa ny faritra avaratr'ity firenena ity. Tao Gyöngyöspata, ohatra, fikambanana ivelan'ny tafika no nilahatra iray volana lasa izay, nilaza fa anisan'ireo mpanara-maso ny faritra manodidina, na dia fantatra aza fa avy amin'ny hery farany havanana izy ireo.

Tanàna tsy misy ben'ny tanàna

Tamin'ny 19 aprily 2011, ity lahatsary ity [hu] nalefan'ny tranonkalam-baovaon’ ny rôma So Si? [hu], izay milaza ny tsaho miparitaka any amin'ny toerana itobian'izy ireo fa misy ny vinavina hananganana toby fanaovana fanazaran-tena ho an'ny milisy ao an-tanàna, ka nahatonga ny ben'ny tanàna hametra-pialana ny androtr'iny ihany.

Roma in the Hungarian village of Gyöngyöspata. Still from video uploaded to YouTube by sosinet1.

Roma an-tanàna Hongroà Gyöngyöspata. lahatsary navoakan-i sosinet1 tao amin-ny YouTube.

Piroslap blog, milaza ny vaovao nivoaka, nanoratra [hu] fa nilaza ho nametra-pialana ny ben'ny tanàna noho ny aretina mahazo azy. Mikasika ny toby fanaovana fanazaran-tena indray, toy izao no nosoratan'i  Piroslap :

[…] Ankehitriny dia te hanangana toby miaramila ny Véderő hanaovana fanazaran-tena. Ao amin'ny tranonkalany no milaza izy ireo fa hiasa tsy hanao politika fa kosa hiara-hiasa amin'ny fanjakana, ary aorian'ny fanafoanana ny fisoratana anarana ho an'ireo tanora tsy ho ambany faneva dia mandroso soso-kevitra izy ireo ny hanohizany ny fiofanana ho an'ireo izay mbola te hanohy kanefa tsy te hilatsaka miaramila. […]

Lasa ny rôma

Nanomboka tamin'ny zoma 22 aprily, niala tao Gyongyospata ny rôma miisa 300 eo ho eo, satria matahotra ny andian'olona milaza ho miaro tena ho tonga ao an-tanàna hanao fanazaran-tena. Araka ny  lahatsoratra an-gazety, dia nomanin'ny vokovoko mena any Hongria ny fialan'ireto rôma ireto ka ny zaza amam-behivavy no nafindrany, nanampy azy tamin'izany i Richard Field, mpandraharaha amerikana izay efa nanambara ny ahiahiny ho an'ireto rôma ireto any Hongria ary nanangana Fikambanana tsy miankina hiarovana azy ireo.

Nampiasa ny voambolana “famindran-toerana” ny media Hongroa, raha milaza kosa ny tompon'andraikitra ara-panjakana fa tsy izany no zava-misy, fa nentina nitsangatsangana paka ireto rôma ireto nandritra ny faran'ny herinandro lasa teo. Toy izany no fanazavan'i Peter Szijarto, mpitondra tenin'ny praiministra, sy ny minisitry ny atitany Sandor Pinter.

Na i Péter Szijjártó, mpitondra tenin'ny praiminisitra, na ny minisitry ny atitany Sándor Pintér dia samy nanome fanazavana mikasika ny zava-misy. Ity lahatsary ity [hu] nampiseho an'i Pintér nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety tamin'ny zoma. Hoy izy:

Ireo [mpikambana ao amin'ny milisy] tsy niraharaha ny hafaliana natolotry ny fikambanana mpanao asa soa. Noho izany, nanasa ireo zaza amam-behivavy tao Gyöngyöspata ny lehiben'ity fikambanana ity hanao fitsangatsanganana mandritra ny fetin'ny paka.

Gellért Rajcsányi ao amin'ny Mandiner nanoratra [hu]:

[…] Noho ny fandrahonana, mihorohoro ny rôma. Nilaza ny lehiben'ny hetsika fa ny vatan-dehilahy (rôma) nijanona ao an-tanàna hiezaka hiaro ny fananana tavela any an-tanàna. Miandry ny fahatongavan'ny solombavam-bahoaka sy ny masoivoho isan-karazany ary ireo mpiaro ny zon'olombelona amin'ny zoma izy ireo. Araka ny voalazan'i Janos Farkas, solontenan'ny Hetsika Miaro ny Zon'ny rôma any Hongria, namindra toerana ireo rôma nipetraka tany amin'ny toby isan-karazany ny Vokovoko Mena. Ny solontenan'ny vokovoko no nilaza tamin'ny dpa (fanangonam-baovao an'ny media alema) fa sambany izao hatramin'ny ady lehibe faharoa no namindra toerana ireo mponina atahorana amin'ny milisy any Hongrie ny fikambanana. […]

Tamin'ny zoma, nilaza ny minisitry ny atitany fa nanao “volavolan-dalàna hamaizana ny asa ataon'ny sivily tsy antoko, Tamas Eszes notazonina am-ponja vonjy maika. Ny tranonkala an'ny farany havanana Kuruc.info namoaka indray ireny lahatsoratra ireny, nampiany vaovao mahaliana toy izao : olona voaroaka tao amin'ny tafika Hongroa i Tamas Ezses. (Loharanom-baovao hafa no nanoratra fa Atoa Eszes dia anisan'ireo saika hirotsaka hofidiana ho ben'ny tanàna taorian'ny fialan'ny teo aloha tao Gyongyospata)”

Gellért Rajcsányi nilaza fa ny fanjakana no tena tompon'andraikitra amin'ity raharaha ity:

[…] Ny fanjakana no tazoninay ho tompon'andraikitra amin'ny filaminana anatiny sy ivelany. Ny fanomezan-toky [hu] fa hametraka fandriam-pahalemana ao anatin'ny tapa-bolana any amin'ireo faritra efa kivy anefa dia toky fitaka ihany. Fantatray fa tsy ho vita mihitsy ny hametraka fandriampahalemana teny tsy misy azo kianina na dia ao anatin'ny roa taona aza, fa mba misy kosa ny marika hita raha tena mizotra mankany amin'izany tokoa isika ! Fa ankehitriny, amin'izao zoma masina izao, tafahitsoka any amin'ny farany lalina isika. matahotra ny amin'ny fananany ireo terantany hongroa ka mametraka ny fitokisany amin'ny fikambanana milisy, ny sasany koa matahotra ny amin'ny fananany ihany ka miandry ny vahaolana entin'ireo mpitondra avy ao amin'ny fiaraha-monim-pirenena sy ny vokovoko mena. Nivoaka ny tranony ny devolin'ny Gyôngyôspata. Irariana ny hisian'ny fanadihadihana entin'ireo media iraisam-pirenena ka ao anatin'izany no hahitana zaza mitomany sy miaramila manao fanamiana ao afovoan'ny voaovao mahakasika an'i Libia sy Côte d'Ivoire. […]

Hetsika politika?

Ilay mpaka sary Levente Hernádi naneho ny ahiahiny [hu] noho ny tsy firaharahiana izao zava-mitranga izao, milaza fa vokatry ny lahatsoratra tahaka itony ao amin'ny tranokalam-baovao Hongroa [hu], no nahitana sarina rôma mandao ny tanànany, mpikambana ao amin'ny Vedero, rôma mijanona ao an-tanàna ary zaza rôma anankiray. Milaza fanadihadihanâ mahakasika ny rôma nandao an'i Gyongyospata tamin'ny faran'ny herinandro teo ity lahatsoratra ity, ary mangataka ny hialokaloka any Etazonia sy Kanada noho ny fampihorohoroana mahazo azy ireo:

[… ] Heveriko fa karazana teatra vita kalamina tsara i Gyongyospata momba ireo rôma mitomany sy miresaka am-pihafihafiana sy ny antokom-panjakana izay miasa foana amin'ny maha tia tanindrazana azy. Apoaka kely fotsiny izy ireo dia hitantsika ny tohiny.

Hajaina tanteraka izay nanao ity tantara tahaka itony […].

Hatramin'ny alahady teo, niverina tao an-tanàna ireo zaza amam-behivavy rôma.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.