Chile: Nanafaingana Ny Fitaterana Taova Ny Mpitsabo Mpanampy iray Tamin'ny Alalan'ny Twitter

Cristina Bizama (@cristi_enf), mpitsabo mpanampy ao amin'ny tobim-pitsaboana Talca any Chili, dia nahavita nanafaingana ny fitaterana ireo  taova hafindra avy any Talca mankany Santiago renivohitra, any amin'ny 260 kilometratra miala avy ao. Izany dia nanomboka tamin'ny Tweet nalefa ny alin'ny 12 Aprily 2011:

Trano vaovaon'ny tobim-pitsaboan'i Talca (Flickr: Besser, CC BY-NC-SA 2.0)

Increíble, No existe forma de llevar 5 organos a scl [Santiago]

Tsy mampino! Tsy misy fomba hitaterana taova 5 mankany Santiago

Araka ny gazety mpivoaka isanandro amin'ny aterineto El Dinamo [es] diq niresaka momba ny voq roa, aty iray, ary fo iray izay vonona hafindra amin'olona any an-drenivohitra ilay mpitsabo mpanampy, nefa tsy misy ny fitaovana hanaovana izany tamin'io fotoana io.

Hetsika niainga avy amin'ny tweets

Avy hatrany dia nandray andraikitra ny vondrom-piarahamonin'ny Twitter.

Iray tamin'ireo mpampiasa voalohany nanaparitaka ny fanairana dia i Felipe Zúñiga, “programmeur” izay nanoratra tamin'ny kaonty Twitter an'ny media isan-karazany, fanaovana dokam-barotra ary an'ny governemanta:

@felipezuniga_: En Talca hay 5 órganos listos para donación y la Fuerza Aérea no dispone de avión hasta mañana AM. Hagamos campaña…

@felipezuniga_: Any Talca misy taova dimy vonona hafindra nefa ny Hery an'abakabaka [es] tsy manana fiaramanidina azo ampiasaina na iray aza raha tsy rahampitso maraina. Ndeha ampahafantarina ny momba izany ny olona.

Rubilar (@karlarubilar) mpikambana ao amin'ny Parlemanta no iray tamin'ireo voalohany namaly ny antso ary nanaraka izany, araka ny hita ato amin'ireto andiana Tweets ireto (1, 2, 3):

@felipezuniga_ de donde sacaron esa info??? Puede informarme mas?

@felipezuniga_ taiza no nahazoanao izany vaovao izany??? Mba ilazao misimisy hoe aho?

@cristi_enf que necesitan? Que le digo al ministro?

@cristi_enf Inona no ilainareo? Holazaiko ny ministera*

@FelipefromChile super! Yo llame al ministro @allamand! Para que hablen con la Fach [Fuerza Aérea de Chile]

@FelipefromChile tsara! nantsoiko ny minisitra @allamand! Amin'izay izy afaka miresaka amin'ny Fach [Hery an'abakabaka Siliana]

Nankasitraka feno i Luego Felipe Zúñiga (@felipezuniga_):

Me avisan q a través del Ministerio de Defensa se está coordinando el traslado de órganos. GRACIAS A TODOS!!!

Nilaza tamiko ry zareo fa eo an-dalam-pandaminana ny fitaterana ny taova zao, amin'ny alalan'ny fanampian'ny Ministeran'ny Fiarovana. MISAOTRA ANTSIKA REHETRA!!!

Na izany aza, ilay mpikambana ao amin'ny parlemanta dia nitatitra tamin'ny El Dínamo [es] fa na ny Ministry ny Fahasalamana (Jaime Mañalich) na ny Ministry ny Fiarovana (Andrés Allamand) dia samy nantsoina, ankoatra ny mpandamina ny fitaterana ny taova raha vantany vao azo ny taova. Nokasain-dry zareo hotaterina ny andro manaraka iny ny taova, na dia mety hiteraka olana eo amin'ny tsy fahazakan'nymarary hamindràna azy aza izany.

Iray tamin'ireo nanao ezaka tamin'ny fitaterana ny taova, ny mpitsabo mpanampin'ny Ministeran'ny Fahasalamana, Felipe Cortés (@FelipefromChile), nitatitra ny zava-nitranga tao amin'ny Twitter:

@FelipefromChile: @karlarubilar Yo trabajo para el Minsal [Ministerio de Salud] y estoy haciendo contactos para agilizar traslado. Gracias por apoyar con sus llamadas a Talca!

@FelipefromChile: @karlarubilar Miasa ho an'ny MinSal aho [Ministeran'ny Fahasalamana] ary miantso olona mba hahatanteraka izany fitaterana taova izany. Misaotra amin'ny fanohananareo tamin'ny antsonareo aty Talca!

Nitatitra koa izy:

@FelipefromChile: A esta hora de la noche, coordinando con Enfermera de Procuramiento traslado de órganos de donante óptimo desde Talca a SCL @MarcelaAninat

@FelipefromChile: Amin'izao alina izao, mandamina ny fitaterana ny taova izahay miaraka amin'ny mpitsabo mpanampy amin'ny famatsiana, avy aty amin'ny mpanome aty Talca mankany Santiago @MarcelaAninat

Farany dia nisy fiaramanidin'ny Hery an'abakabaka [es] azo nampiasaina, nefa satria tsy nozahan'ny Tobim-pahasalamam-bahoaka[es] ny taova dia tsy azo notanterahina izany sidina izany raha tsy ny ampitson'iny, 13 Aprily tamin'ny 8ora maraina. Nitatitra El Dínamo [es]: “Manaramaso ny raharaha izahay amin'ity alina ity, anisan'izany ny Ministra Mañalich tenany mihitsy.”

Taorian'izany dia nampahafantarin'i Karla Rubilar , mpikambana ao amin'ny parlemanta  (@karlarubilar) izany tamin'ny Twitter:

@karlarubilar: El paciente está estable todo coordinado pa mañana 8 AM x corporacion trasplante. Habrá q evitar las deficiencias logísticas. @jmanalich

@karlarubilar: Milamina ny toe-pahasalaman'ny marary, voaomana daholo ny zava-drehetra ho an'ny rahampitso amin'ny 8ora maraina amin'ny alalan'ny Translplant Corporation. Tsy maintsy hisoroka ny tsy fahampiana ara-lojistika izay ho avy izahay @jmanalich

Nampiany fa zava-dehibe ny fanamarinana ny fizotry ny raharaha mba hanamorana ny rafi-panomezana taova tsy dia hisy fahataràna firy:

@DanielCastell hay problemas mas allá del traslado. Hay q hacer una seria revisión. La corporacion trasplante no puede ser pariente pobre.

@DanielCastell mbola misy olana maro ankoatry ny fitaterana taova. Tokony hisy fanaraha-maso matotra ny zava-drehetra. Tsy tokony hanao asa an-tsirambina ny Transplant Corporation [es].

Rehefa avy nitatitra ny zava-nitranga i El Dinamo [es], ny Mpandrindra ny Famatsiana ho an'ny National Transplant Corporation [es], Diego Buchuk, dia nanazava fa tsy nandray anjara tamin'ny fandaminana izay efa natao tamin'ny fanangonana sy fitaterana ny taova ilay mpitsabo mpanampy nilaza ny olana tamin'ny vahoaka.

Ny fiantsoana fanampiana nataon'i Cristina Bizama sy ny valiny avy amin'ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta ary ny ministera dia nampiseho ny herin'ny tambajotra sosialy tahaka ny Twitter, sy ny tokony hanaraha-maso ny fizotry ny fitaterana taova.

Nitatitra ny tantara koa ny tambajotra CNN Chile [es], ary nilaza fa “fampiasàna tsara ho an'ireo tambajotra sosialy” izany.

Ity tweet avy amin'i Felipe Cortés (@FelipefromChile) ity no mamintina tsara ny zava-nitranga:

Se dan cuenta cómo UN TWEET puede salvar una vida? Cuidemos esta herramienta, gente. #Trasplante #DonaciondeOrganos

Mba fantatrao ve fa TWEET IRAY dia afaka mamonjy aina? Ndeha hokarakaraina tsara izany fitaovana izany, ry zareo. #Transplant #OrganDonation

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.