Ejipta: Nampianatra Antsika Ny Fomba Hikomiana i Gene Sharp!

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ataonay ny Revolisiona Ejipta 2011 ity lahatsoratra ity.

Ny Febroary lasa teo, Sheryl Stolberg ao amin'ny The New York Times dia nanoratra lahatsoratra momba ilay mpampianatra siansa politika, Gene Sharp, izay nolazainy fa ny hevitr'io mpampianatra io no nitarika nofinofim-pitakiam-piovàna Ejiptiana, tahaka ireo fikomiana maro hafa tany amin'ny faritra.

Vitsy ireo Amerikana naheno ny mikasika an'A/toa Sharp. Nefa efa am-polo taona maro, ireo asa sorany mampiseho ny fiovana tsy misy herisetra — indrindra  “Avy amin'ny Didy jadona mankany amin'ny Demokrasia,” toro-làlana mirakitra takela 93 mba hanonganana ireo mpanjaka tsy refesi-mandidy, afaka alaina amin'ny fiteny 24 — nisarika ireo mpihoko maro eran-tany, anisan'izany ny tany Burma,  Bosnia, Estonia sy Zimbaboe, ary ankehitriny dia any Tonisia sy Ejipta.

Ireo mpitoraka bilaogy sasany any amin'ny tontolo Arabo dia nanao hetsika vantany vao nivoaka ilay lahatsoratra, nefa mbola tsy maro ny olona mahatsapa ny olana. Taty aoriana, teo amin'ny roa volana taty aoriana teo, nisy Ejiptiana roa mpampiasa Twitter (@HanaSelim sy @3arabawy) nanapa-kevitra ny hampiasa ny fomba Ejiptiana mba hiadian-kevitra mikasika ny anjara toeran'A/toa Mr. Gene eo amin'ny fiovàna. Namorona teny fototra vaovao izy ireo ao amin'ny Twitter izay maneso ny fanambaràn'ny lahatsoratry ny The New York Times – #GeneSharpTaughtMe.

@3arabawy: Faly foana aho nandritra ny androm-piainako teo ambanin'i Mubarak, nefa tampotampoka dia (#genesharpnampianatraahy ) #genesharptaughtme tsy maintsy manohitra aho.
@SohaBayoumi: Manomboka ny tsy fankatoavana sivily ny vahoaka tsy nilàna akory famakiana izay torolanana momba mikasika ny tsy fankatoavana sivily any. #GeneSharpTaughtMe
@Zjen1: #GeneSharpTaughtMe ny fomba fambolena sy ny fihinanana sakamalao ary ny fandefasana fofon'aina any amin'ny tavan'ireo fahavalo mba hahatorana azy ireo.
@M_Alhalaby: #GeneSharpTaughtMe fa mampihena ny fiatraikan'ny entona mandatsa-dranomaso ny fanasana maso amin'ny Pepsi.
@CVirus: #GeneSharpTaughtMe ny fomba hialàna bala.
@moneloky: #GeneSharpTaughtMe ازاي اتظاهر تضامنا مع قانون منع التظاهر
@moneloky: #GeneSharpTaughtMe ny fomba hanoherana mba hanohanana ny lalàna izay mandràra ny fihetsiketsehana
@prof_mostafa: #GeneSharpTaughtMe ny fomba hananganana vondrona ao amin'ny Facebook
@deetaha: #GeneSharpTaughtMe fa ireo tambajotra sosialy ihany no hany fomba ahafahana mifandray, na ohatra aza ka tsy mandeha ny Aterineto.
@alaa: #GeneSharpTaughtMe ny fomba hitoraham-bato ireo jiolahim-boto, fioarovana ny tenako ao ambadik'ireo fiara mirehitra, miala ny fipoahan'ny baomba namboarina tamin'ny solika
@mohamedhani: Zatra nihevitra foana aho fa matin'ny fanitikitihana i Khaled Said & ireo niharan'ny fampijaliana nefa diso aho hoy #GeneSharpTaughtMe.
@deetaha: #GeneSharpTaughtMe mikasika ny fiainana, ny tontolo sy ny zava-drehetra. Fantatro ankehitriny ny dikan'ny 42!
@Cairo_On_a_Cone: #GeneSharpTaughtMe ny fomba hikarakarana  akoho Tikka nefa tsy mamono akoho akory . #NonViolence
@Omr_G: ny tenifototra #GeneSharpTaughtMe nampahafantatra fa nisy olona iray antsoina hoe Gene Sharp izay mikasa ny hahazo toky  amin'ny fitakiam-piovàna ataontsika.
@nermin79: #GeneSharpTaughtMe fa mila mahazo antoka amin'ny fahazoan'ireo lehilahy fotsy hoditra toky amin'ny zavatra goavana  rehetra mitranga ny tandrefana
@ArabUprising: #GeneSharpTaughtMe fa mila ny fahazoana alalana avy amin'ny fotsy hoditra hi#traotra #revolt manoloana ireo saribakoliny ny vahoaka zarazara hoditra & mainty hoditra
@L_HommeRevolte: #GeneSharpTaughtMe fa nahazo ny zavatra mendrika azy ireo Libiana noho ny tsy fanarahan'izy ireo ny fampianarany.
@BSyria: Nihira ny vahoaka tany Siria androany: “Ny rànay, Ny fanahinay, foinay ho anao, O Gene Sharp!” #NotTrue #GeneSharpTaughtMe

Izaho manokana dia mbola tsy naheno mikasika an'i Gene Sharp taloha, tahaka ireo maro hafa, ary izany no mahatonga ny ankamaroan'izy ireo manomboka manontany tena hoe iza A/toa Sharp taorian'ny nahitana ilay tenifototra.

@MoniicaNag: Fa iza koa i Gene Sharp e?
@abdelrahmanG: Nieritreritra aho fa zavatra misy ifandraisany amin'ny biolojia, “gene”.

Nahatadidy i Mostafa Hussein fa efa namaky iray tamin'ireo bokiny taloha nefa dia nanao ny famaritany eto izy.

@moftasaRehefa nampahatsiahy ahy ny asa sorany ny olona iray. Nieritreritra aho fa G# fomba fanoratra rindrankajy (langage de programmation) no zavatra tiany ambara.
@moftasa: Tsaroako ho namaky ny bokiny na ny ampahany tamin'izany aho tamin'ny taona 2002 satria nikaroka boky maimaim-poana tao anaty aterineto ho vakiana, nefa avy eo dia adinoko tanteraka ny momba izany.

Nanampy sira koa ny hafa.

@prof_mostafa: Marina ve fa mihevitra ireo tandrefana sasany fa #GeneSharpTaughtMe nampianatra zavatra ahy!! avelao aho haka aina kely!
@alaa: maro ireo olona mamaky ny gramsci, cliff, negri, ary na @NaomiAKlein sy Chomsky aza mihoatra noho ny an'i GeneSharp tao anatin'ny revolisionan'ny #Jan25 sy ny #sidibouzid
@moftasa: Aza adino fa nampiasa ireo fitaovana & hevitry ny andrefana ny ilany hafa. Entona mandatsa-dranomaso, fitaovana fitsikilovana, fampangotrangotrahana, politika ivelan'i Etazonia. Ndeha ho tanisana eto izy ireo
@sarrahsworld:Ny trangan'i Gene Sharp dia ohatra tena mety amin'ny fanaovan-gazety mivilana. Tena “tabloid”. Mampiharihary ny marina ireo mpanao gazety, fa tsy manome tolo-kevitra amin'ireo tsoakevitry ny  “media sexy”
@jilliancyork: Antenaiko fa manara-maso ny tenifototra #GeneSharp ny @NYTimes.

Farany, te hanazava i Soha Bayoumi fa tsy i Gene Sharp irery ihany no tokony ho tezerana eto.

@SohaBayoumi: Manaja an'i Gene Sharp aho, nefa ireo bokiny dia tsy dia nisy fiatraikany akory tamin'ny revolisionan'ny #Jan25.
@SohaBayoumi: Tsy nilaza ny bokiny ho nanosika ny revolisionan”ny #Jan25 i Gene Sharp. Ireo media tandrefana sasany no nanao izany. Diso izany.

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ataonay ny Revolisiona Ejipta 2011 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.