Kambodza: Hira momba ny Facebook

Nanamora ny asam-panoherana izay voamarin'ny fitroarana tany Tonizia sy Ejipta ny asan'ny Facebook. Maro ny fitondrana amin'ny firenen-tsamihafa, ka ao anatin'izany i Shina,  no manara-maso ny ataon'ny olom-pireneny ao amin'ny Facebook. Mandritra izany fotoana izany kosa, any Kambodza, mbola tsy heverin'ny fitondrana ho loza mihantona ny Facebook.

Nanangana takelaka Dacebook ho azy ny mpanao politika tarihin'ny Praiminisitra Hun Sen (izay teo amin'ny fitondrana hatramin'ny 1985) izay ahafahany mifanerasera amin'ny olom-pirenena sy mpisera Kambodziana.

Saingy misy fironana vaovao sy mahaliana eto amin'ny firenena: Mamoron-kira momba ny Facebook ny Artista.

Maro ny hira mifandraika amin'ny Facebook no vokarin'ny orinasa mpamoaka hira pop. Cambodia Khmer Magazine, izay tsy mpankasitraka befahatany ireny karazankira ireny dia valalanina amin'ny fankafizan'ny Kambodziana ireny ‘hira Facebook ireny .’

Indreto manaraka ireto ny ohatra amin'ny ‘hira Facebook’ nisynamoaka tao amin'ny YouTube:

  1. ហ្វេសប៊ុក រំខានស្នេហ៍ (Manelingelina ny fitiavako ny Facebok) 
  2. ហ្វេសប៊ុកផ្តាច់ស្នេហ៍ (Mamarana fitiavana ny Facebook)
  3. ផ្តើមលេងហ្វេសប៊ុកផ្តើមមានស្នេហ៍ (Manàna Facebook, misy ny fitiavana)
  4. មិត្តភ័ក្រ្តហ្វេសប៊ុក​អើយ! សង្សារខ្ញុំទាត់ចោល (namana Facebook ô! noroahin'ny sipako aho)
  5. ស្រក់ទឹកភ្នែក​ពេល​លេង​ហ្វេសប៊ុក (Latsa-dranomaso rehefa misera Facebook)
  6. ផ្ងើទឹកភ្នែក​តាម​ហេ្វសប៊ុក (Ranomaso alefa amin'ny Facebook)
  7. ហ្វេសប៊ុកធ្វើឲ្យឈឺចាប់ (Ampijalian'ny Facebook)
  8. មួយយប់ជាមួយហ្វេសប៊ុក (Alinamiaraka amin'ny Facebook)
  9. ហ្វេសប៊ុកចាំស្នេហ៍ (miandry fitiavana ny Facebook)

Khmerbird koa dia variana amin'ny fisongadinan'ireny hira ireny, saingy maneho ny fitovian-keviny amin'izay ambaran'ny hira mibedy ny Facebook manimba fifandraisana. Ao amin'ny lahatsoratra momba ny  “Fiantraikan'ny Facebook voasoratra anaty hira Kambodziana,”no manoratra i Khmerbird:

“Mahagaga kely ahy ihany izay reko tamin'ny hira saingy mety ho marina ihany izay ambarany.”

Khmerbird maka ohatra avy amin'ny hiran'i Khemarak Sereymon, mitondra ny lohateny hoe ហ្វេសប៊ុក រំខានស្នេហ៍ (manelingelina ny fitiavako ny Facebook), ary manazava ny hafany:

“Lazainy ao amin'ny hirany fa hatramin'ny nisian'ny Facebook,  dia lasa tsy nikarakara azy toy ny taloha intsonyny sipany. Mahatsiaro tena ho nilaozana tanteraka izy. Mandany fotoana hiseraserana amin'ny olona isan-karazany ao amin'ny Facebook ny sipany. Mazava loatra fa mampisy fiantraikany ratsy amin'ny fifandraisana izany.”

Any Kambodza, dia tokony ho 250.000 eo ho eo ihany ny mpisera Facebook izay 1,73% amin'ny taha ao amin'ny firenena, araka ny voalazan'ny socialbakers.com. Saingy hatramin'ny nampiasan'ny mpanao politika ny Facebook sy namoronan'ny artista hiramomba ity valan-tserasera ity, dia mety hahazo mpisera vaovao ny Facebook any Kambodza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.