Mikorontana ny baolina kitra any Indonezia

Mbola miteraka resabe ny baolina kitra any Indonezia. Voalohany, nisy ny fihetsiketsehana ho fanoherana ny nanendrena an'i Nurdin Halid ho eo amin'ny toeran'ny tompon'andraikitra hitantana ny PSSI ((Fikambanan'ny Baolina Kitra any Indonezia). Avy eo nisy koa ny gidragidra ka voatery najanona ny fihaonam-be an'ny PSSI tany Penkabaru. Fa ny tena olana goavana dia ny fahamehana tamin'ny fanonganana ny ligin'ny baolina kitra tamin'ny volana janoary: (ligin'ny diviziona voalohany) na ny IPL.

Nanana vina hampiakarana ny baolina kitra any Indonezia ho matihanina kokoa sy hahaleo tena ny IPL. Tsy nitadiavany vola avy amin'ny fanjakana izany.

Supporters of Indonesian football team, Persiba Bantul. Image by Flickr user Paserbumi Bantul (CC BY-NC-SA 2.0).

Mpanohana ny ekipa baolina kitra Indoneziana, Persiba Bantul. Sary mpisera Flickr Paserbumi Bantul (CC BY-NC-SA 2.0).

Nankatoavin'ny PSSI ny ligy faratampon'ny baolina kitra (ISL) any an-toerana fa notsipahany kosa ny IPL. Nofoanany ny fandraisana anjaran'ireo ekipa telo goavana izay tohanan'ny IPL. Napetraka koa ny sazy ho an'izay ekipa nandray anjara tamin'ny fifaninanana nokarakarain'ny IPL.

Ny tena mahafaly anefa, nankatoavin'ny fanjakana tamin'ny alalan'ny ministry ny tanora sy ny fanatanjahantena Andi Malarangeng ity fifaninanana nokarakarain'ny IPL ity ary nilaza izy fa tsy nandika lalàna na fitsipika ny IPL. Izany no nahafahan'ny IPL nanohy ny fifaninanana ; ary tamin'ny farany dia nanome alàlana ny IPL koa na dia ny polisy aza.

Inona no hevitry ny vahoaka indoneziana manoloana izao ady seza manodidina ny resaka baolina kitra sy ny mpitarika azy izao?

Catatanbujangan blog mampahatsiahy ny PSSI fa tsy mbola nahazo medaly tamin'ny fifaninanana iraisampirenena mihitsy i Indonezia hatramin'izay:

Tahun 1991 sampai dengan sekarang Indonesia paceklik gelar. Tak ada medali emas yang berhasil diraih, bahkan pada ajang Piala Tiger yang sekarang berganti nama menjadi AFF, kita belum pernah jadi juara.

“Hatramin'ny taona 1991 ka hatramin'izao dia mbola tsy nahazo fandresena mihitsy ny ekipa Indoneziana. Tsy nisy medaly volamena azo, eny fa na dia nandritra ny Tiger Cup izay novana ho ASEAN Football Federation (Federasionan'ny baolina kitra any Azia) aza, tsy mbola tompondaka izany mihitsy isika.”

Ilay bilaogera “Pustaka Langit Biru” aza dia niteny fa mandalo fotoan-tsarotra tokoa izao ny PSSI.

Menegpora Andi Malarangeng membekukan kepengurusan PSSI dan otomatis PSSI tidak boleh diberi anggaran oleh negara. Kubu Nurdin Halid balik menyerang Andi Malarangeng, dan meminta agar menteri itu dipecat dari jabatannya.

Ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Andi Malarangeng, nanajanona ny asa rehetra tokony hataon'ny PSSI ary mazava ho azy fa tsy omen'ny fanjakana koa izany ny vola tokony hampiasainy. Noho izany, namadika ny famelezany ho any amin'ny minisitra indray i Nurdin Halid ary nilaza izy fa tokony hiala amin'ny toerany ity minisitra ity.

Gresnews football nilaza fa ho re manerantany ity zava-misy ity:

Dalam sebuah kolom yang dituliskan di ESPNSPORT.com, Jesse Fink menilai FIFA sebaiknya turun tangan dalam memperbaiki sepakbola Indonesia. Ini menurutnya adalah langkah untuk menyelamatkan sepakbola Indonesia.

Ao amin'ny andalana nosoratana tao amin'ny ESPORT. com, Jesse Fink mihevitra fa tsara raha manome tànana amin'ny fankatoavana ny ekipa indoneziana ny FIFA. Araka ny heviny, dingana iray izao hanavotana ny baolina kitra any Indonezia.

Ary ao amin'ny Yahoo Answers, misy manontany:

“Mengapa prestasi sepakbola Indonesia sangat jelek, Padahal olahraga ini populer di Indonesia?”

Nahoana no ambany be ery ny vokatra azon'ny ekipa any Indonezia kanefa tena malaza be ity taranja ity any an-toerana?

Mpiserasera ao amin'ny twitter Slamet Nurul Anwar manome soson-kevitra ny amin'ny tokony hiarahan'ny IPL sy ny PSSI miasa hampiakarana ny lanjan'ny baolina kitra any Indonezia:

LPI dan PSSI harusnya berdampingan bukan berseberangan, kasihan rakyat rindu dengan tontonan bola nasional yang bagus dan berkualitas.”

Tokony hiara-dalana ny IPL sy ny PSSI fa tsy hifanohitra. Mampalahelo ireo mpijery ny tsy fahitany ny ekipa nasionaly miaraka amin'ireo mpilalao mahay ka afaka manome endri-dalao tena tsara hojereny.

Ilay bilaogera Multibrand manakiana ny tompon'andraikitry ny baolina kitra any an-toerana

Raha ny mpitarika tsy matotra ao amin'ny PSSI ankehitriny no antenaina, dia sarotra ny hino fa hihatsara ny zava-bitan'ny ekipa ka hihoatra izay efa lasa izay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.