Yemen: mitohy ny famoretana atao amin'ireo mpanao fihetsiketsehana

Tamin'ny alatsinainy (04 aprily), nisehoana famoretana nandatsahana ain'olona nataon'ny miaramila tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana tsy mankasitraka ny fitondrana tao an-tanànan'i Taiz sy Hodaida. Dia izay indray, i Ali Abdullah Saleh, izay nitondra an'i Yémen nandritra ny 32 taona, no nampiasa miaramila sy bala tena izy hanoherana ireo mpanohitra mitaky ny fialany izao dia izao.

Reuters milaza fa tany Taiz, farafahakeliny olona 15 no maty ary 30 hafa naratra nandritra ny fitifirana nataon'ny mpitandro ny filaminana. Tany Hodaida, nivory ireo mpanao fihetsiketsehana hanamarihany ny fiarahany amin'ireo namany any Taiz, izay hiharan'ny zavatra mitovy amin'ny mahazo azy ireo koa vokatry ny tifitra ataon'ny polisy sy ny miaramila miakanjo sivily. Manamarina ireo nahita maso fa misy olona miafina eny ambony tafotrano mikendry ireo mpanao fihetsiketsehana.

Protester takes part in the funeral of Abdullah Hamid al-Jaify, an anti-government activist killed in clashes with the police, in March 2011 in Sana'a, Yemen. Image by Giulio Petrocco, copyright Demotix (11/03/11).

Mpanao fihetsiketsehana nandray anjara tamin-ny fandevenana an-i Abdullah Hamid al-Jaify, mpanohitra ny government maty nandritra ny fifandonana tamin-ny polisy, ny Marsa 2011 tao Sana'a, Yemen. Saripika Giulio Petrocco, copyright Demotix (11/03/11).

Eman (@Emy_Al) miresaka:

اليمن تدخل أسوء مراحل ثورتها..أخشى أن يتكرر سيناريو ليبيا فيها !!

Miditra amin'ny dingana ratsy indrindra eo amin'ny fanovana i Yémen
Ghada Mohamed (@Ghada__Mohamad) miresaka:

اليمن اليوم ..جرائم جديدة لعلي صالح

Yemen ankehitriny…asa ratsy vaovao ataon'i Ali Saleh
Zava-misy any Taiz sy Hodaida

Nasser Arrabyee, mpanao gazety monina any Sana'a milaza ny zava-misy any Taiz sy Hodaida:

Farafahakeliny dia mpanao fihetsiketsehana telo no maty ary am-polony no naratra tamin'ny alatsinainy rehefa nandrara azy ireo tsy hiditra an-keriny tao amin'ny lapam-panjakana tao Taiz ny mpiambina tao. Ny loharanom-baovao, izay atao anatin'ireo mpanao fihetsiketsehana nanao diabe ireo ihany, no nilaza fa nitohy ny fifandonana, nikiry nilahatra ireo mpanohitra ary nanao fahirano ny lapam-panjakana. “Nahita mpilahatra maty tany amin'ny hopitaly aho”, hoy Riyadh Al Adeeb, mpanao gazety sady mpitolona any Taiz.

Ampiany ihany:

Any an-tanànan'i Hodaida any andrefana, mitohy toy izany koa ny fifandonana eo amin'ny miaramila sy ny mpanao fihetsiketsehana. “Ny zava-baobao omaly sy androany, nilahatra teny an-dalam-be ireo mpanohitra fa tsy nijanona nipetraka fotsiny”, hoy ny fanambaran'i Abdul Hafez Al Nehari, anankiray amin'ireo mpitarika fihetsiketsehana any Hodaida. “Eo amin'ny 400 eo ny naratra vokatry ny baomba mandatsa-dranomaso nampiasain'ny miaramila omaly sy androany”, araka ny nmbarany ihany. Mikasa ny mbola hanohy ny diabeny ihany ireto mpanohitra ary hanao fahirano ny lapam-panjakana iasan'ireo manam-pahefana, dingana anankiray lehibe kokoa izay hanerena ny filoha Saleh hiala.

Lahatsary ao amin'ny YouTube

Tamin'ny alatsinainy, lahatsary roa tao amin'ny YouTube no nalaza tao amin'ny aterineto. Ny voalohany mampiseho mpanao fihetsiketsehana mihazakazaka miparitaka ao anaty feom-basy.

Ny faharoa izay tena tsy zaka,  mampiseho olona mitaraina voatifitra teo amin'ny tendany.

Manery ny filoha Saleh hiala i Etazonia

Tamin'ny alahady, 3 aprily, nilaza ny New York Times fa tsy manohana an'i Ali Abdullah Saleh intsony ny Amerikana. Saleh izay mpiara-dalana tamin'i Etazonia amin'ny ady ataony amin'ny Al Qaida manerana ny tany Arabo. “Etazonia, izay nanohana hatrany ny filoha Saleh tany Yémen, na dia teo aza ny fanoherana tsy nitsaha-nitombo tato ho ato, no niova hevitra tampoka ka nilaza fa kely ny fanantenana hitondrana fiovana tena ilaina ka tsy maintsy aravona am-pilaminana ny olana, araka ny teny nataon'ireo manam-pahefana amerikana any Yémen”, hoy ihany ity gazety ity.
WessalMubasher milaza:

البيت الأبيض: جهود مكافحة الإرهاب مع اليمن لا تعتمد على شخص واحد (…)

Trano Fotsy : tsy miankina amin'olona anankiray ny ady atao amin'ny mpampihorohoro any Yémen
Gregory Johnsen manadihady:

Mampalahelo fa tsy nifarana ny politikan'i Obama raha “tsy tamin'ny herinandro lasa”. Tokony efa ela ny fiafaran'i Saleh, kanefa fandavana hatrany no nataon'i Etazonia satria tsy te hijery izany fiafrany izany ka nampanarahany fiantsoana hitadiavana fifanarahana (nangataka tamin'ireo mpanohitra hampitsahatra ny fitakiany) dia vao maika nampidi-doza tamin'ny tombotsoan'ny fiarovana nataon'i Etazonia.

Ampiany hoe:

Tsy azoko antoka na nanontany tena i Etazonia na nahafantatra fotsiny ho azy teo fa na inona na inona ataony, dia efa akaiky ny fialan'i Saleh, toa ohatry ny mitombina izay kanefa tsy mbola nahazoako vaovao mari-pototra.

Tokony hazava fa ny lalana roa – fitazonana sy fialan'i Saleh – dia samy mampidi-doza ho an'ny fiarovana any Etazonia daholo, ary izay no antony anankiray mahatonga ny fitondran'i Obama niahotra tamin'ny fialany tsy hanampy an'i Saleh intsony.

Raha miala i Saleh, manahy i Etazonia fa izay governemanta vaovao ho avy eo dia tsy afaka hanatanteraka ny zavatra tadiaviny amin'ny ady atao amin'ny Al Qaida efa ho 2 taona izao (raha milaza an'i Saleh ny mpanao gazety ho mpiombon'antoka amin'i Etazonia amin'ny ady atao amin'ny AQAP dia ny faharetany no tiany hambara).

Raha toa kosa, ka ny mifanohitra amin'izay, raha ny zava-misy ankehitriny no jerena dia mbola amam-bolana maro vao afaka hifehy indray ny ankamaroan'ny tanàn-dehibe ao amin'ny fireneny izy, izay votsotra teo am-pelantanany tato anatin'ny herinandro maro izay, raha toa ka ho vitany aza, izay midika fa hanohitra izany koa ny AQAP.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.