Filipina: Mpanolotra Fahitalavitra Voahendrikendrika Ho Mampiasa Zaza Tsy Ampy Taona

Niteraka kotaba indray ny mpanolotra fandaharana amin'ny fahitalavitra Willie Revillame avy any Filipina, tamin'ity indray mitoraka ity izy nandrangitra ireo olom-pirenena voakasika, izay nampiasa ny aterineto sy ny fampielezam-baovao sosialy handaminana ezaka hanoherana izay eritreretin-dry zareo ho fampiasàna zaza tsy ampy taona amin'ny fijerena mivantana fahitalavitra. Izany dia nitranga tamin'ny fandaharan-dalaony ‘Willing Willie’ tamin'ny 12 Martsa tao amin'ny tambajotran'ny TV5, nahitana zazalahy Filipiana 6 taona mpifaninana tamin'ny iray amin'ireo andian-dalao,  izay mahazatra ny fanaovana hira na mandihy alohan'ny hanombohan'ny lalao.

Rehefa nandeha ny hira hip-hop an'i Snoop Dogg, nanao dihy mandrangitra ity ankizilahy 6 taona, hoe maka tahaka ny fandihin'ny ‘degany’ any amin'ny toeram-pandihizana amin'ny alina ireny. Toa tsy sarotiny tamin'izany dihy izany i Willie Revillame, izay tsy dia fahita loatra ataon'ny zaza tsy ampy taona, ary vao mainka aza nampirisika ny mpijery hitehaka an'ilay zazalahy. Nandritra izany dia nirotsaka nanaraka ny takolany ny ranomasony, noho izy namerina foana ilay dihin'ny degany isaky ny mandeha ilay hira.

http://www.youtube.com/watch?v=2YRCxh9q64w

Definitely Filipino dia milaza fa fampiasana zaza tsy ampy taona izany tranga izany:

Fialam-boly ve izany? Afa-baraka mihitsy ilay zazakely tamin'ny nanao izany tamin'ny voalohany, nefa nandihy im-betsaka ihany ary niaraka tamin'ny famporisihan'i Willie, ny tompon'andraikitra ary ny mpijery nanatrika mihitsy aza izany — ny sasany tamin'izy ireo dia latsa-dranomaso mihitsy noho ny fihomehezana. Tsy mampihomehy mihitsy izany. Tokony natao hampisehoana ny ampahany ‘talenta’ amin'ity fifaninana ity fotsiny izany ‘fisehoana an-tsehatra’ izany, dia tokony nifarana teo. Nalàn'i Willie baraka ihany koa ny dadan'ity zazakely noho ny fananany trano fihetezana, ary toa notereny hamboraka ny fironan'ny rainy ara-pitiavana ihany koa ity zazalahy. Inona no mahadiso amin'ny fivelomana amin'ny fanapahana ny volon'ny hafa? Na mahitsy, na mifanambady amin'ny mitovy aminy, dia maninona?

Dennis dia mino fa nihoa-pefy izy ary fotoana izao handraisan'ireo olom-pirenena andraikitra:

Fotoana izao hijoroan'ireo izay nangin ary hilazana amin'ny teny mahitsy ny zavatra tsapany momba an'io fandaharan'ny fahitalavitra io.

Fotoana izao handàvana ny olo-malaza sy ny vondrona tompon'andraikitra ao amin'ny fahitalavitra tsy hibaiko antsika amin'ny tokony ho lalàna moralintsika.

Dennis Sy dia mitsara ny ray aman-drenin'ilay zaza noho ny nampianaran'izy ireo an-janany ity dihy mahamenatra:

Ho an'ny ray aman-drenin'ity zazalahy izay nivarotra an-janany tamin'ny fahitalavi-pirenena – henatra be izany. Tsy misy ray aman-dreny tia zanaka hanery ny zanany hanao izany.

Ramblings of Adam and Eve dia mifantoka amin'ny fanararaotan'ny mpanolotra fandaharana Willie Revillame ny tranga toa izao:

Na dia marina aza fa mety efa nanampy olona maro i Willie, ny marina koa dia nanampy ny tenany izy tamin'ny nanampiany ireo olona ireo*. Ankoatra izany dia tsy i Willie tenany no nanampy azy ireo, fa ireo mpanohana ny fandaharana. Manao ny asany fotsiny i Willie, ary mahazo vola be izy amin'izany. Nefa ny vola tsy mahavidy ny fahamaotinana, ny faharanitan-tsaina, ny fitiavana ary ny fahatsapana. Ratsy be ho an'i Willie fa mety nieritreritra angamba izy hoe azo natao izany.

Trisha dia miantso ireo mpamokatra ny fandaharana sy ny fianakavian'ilay zazalahy:

Tamin'izaho nijery iny lahatsary iny dia tena tsy nahazo aina mihitsy. Tokony eritreretin'ny fahitalavitra tsara izay tena tian'ny fandaharany tratrarina. Ho an'ny rain'i Jan-Jan sy ny nenitoany, tsy azoko hoe nahoana no iny dihy iny no nofidianareo  nampianarina azy.

Mivavaka ho an'ilay zazalahy, ny fianakaviany ary ny mpijery nanatrika azy io i Better Filipinos mba hahitàn'izy ireo fa diso làlana izy:

Mivavaka aho mba hotahiana ity zazalahy ity ka ho voaaro ny sainy, izay mitady ho voafitaak'ireo mpiaro azy. Mivavaka aho mba hahatakaran'ireo ray aman-drenin'i Janjan haingana fa mila mitia kokoa ny zanany izy ireo ary tsy sitrak'andriamanitra izao fomba fitadiavam-bola amin'ny alalan'ny zanany izao. Mivavaka ihany koa aho ho an'ireo mpijery nanatrika – nihomehy sy nanaiky izany zavatra mahamenatra izany – mba hahatsiaro tena sy hifona amin'izany fomba fiaina izany izy ireo.

Patricio Mangubat dia manamarika fa ho voasaringotr'ity olana vaovao ity koa i Revillame, ilay mpanolotra fandaharana mahery :

Ny mahagaga ahy dia ity lehilahy ity tohanana olona mpanao afera goavana, tahaka an'i Manny Pangilinan sy Manny Villar. Ireny olona ireny no tokony ho andry ijoroan'ny firenena. Ireny lehilahy ireny no tokony ho tonga saina indrindra.

Mba fantatr'ireny lehilahy ireny ve fa voasaringotra  amin'izany koa ny anarany noho izy ireo mpiaro an'Atoa Revillame, isaky ny voasaringotra  amin'ny zavatra tsy mety na asa ratsy ity lehilahy ity?

Amin'ny lafiny iray i Katrina Stuart Santiago dia mametraka fanontaniana goavana ho an'ny tsikeran'i Revillame:

Rehefa miteny aho hoe ngayon lang, dia ny ezaka nifanarahana mba hijoroana ho an'ilay zazalahikely Jan-Jan sy ny fanararaotana niainany nandritra ny fandaharana izany. Rehefa manamarika ny fitarainan'ny vahoaka izay tsy nivoaka raha tsy izao aho, dia ireny fotoana tsy voatanisa — tsy voatanisa! — nanafitohinan'ny fandaharan'i Willie Revillame ireny, no manafintohina, izay saika tamin’ ny fotoana rehetra.

bakit ngayon lang tayo na-offend? dia fanontaniana tsy miresaka momba ny famelàna heloka an'i Revillame na ny fandaharany. Io dia fanontaniana mitady ny mahasamihafa ny fepetra ankehitriny mitodika amin'i Jan-Jan sy ny tamin'ny dimy taona lasa tamin'ny Wowowee sy ny herintaona latsaka nisian'i Willing Willie. Na mety hoe tsy misy mahasamihafa azy mihitsy ireo, fa tamin'ity indray mitoraka ity dia azontsika tamin'ny video an'i Youtube ilay izy. Raha izany dia inona marina no lazain'io momba antsika?

…..

Mbola lavitra be isika. Zara raha hahakasika ny mety hanafoanana an'i Willie sy ny Willing Willie amin'ny fahitalavitra any an-toerana ny hatezerantsika aminy. Raha ny marina amin'izao dia zavatra azon-dry zareo tsy raharahiana io, ary azony ampiasaina hanoherana antsika mihitsy aza. Satria eto isika mitora-bato azy, tezitra sady rikoriko, ka mamboraka ny sokajy sosialy misy antsika. Adinontsika fa ho ao an-tsain'i Willie ny hijery izany amin'ny tena izy: ny tsy fitovian-tsokajy any am-piasana, izay tsy tiantsika atrehana akory, mety holavintsika, ary tsy hamoahantsika  10000 pesos. Na dia afaka hanao izany aza isika.

Tamin'ny fotoana nanoratana ity, ny Sekreteran'ny Sampan-draharaha Fiahiana ara-tSosialy sy Fampandrosoana dia nandefa fampandrenesana tany amin'ny tambajotra TV5 izay mandefa ny fandaharana “Willing Willie” momba ity tranga ity, ary nanamarika izany ihany koa ny Komisiona momba ny Zon'olombelona sy ny MTRCB. Manohy miady hevitra momba izany ny mpitoraka blaogy sy ny mponin'ny aterineto ary mikarakara fanohanana ho an'ilay zazalahy enin-taona. Mazava fa tsy hifarana vetivety izao zavatra izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.