Yemen: Nitaky ny fametraha-pialàn'i Saleh ao Sanaa ireo vahoaka maro be

Fitantarana manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana tao Yemena taona 2011 ity lahatsoratra ity.

Vahoaka an'arivony no nanao fihetsiketsehana teo amin'ny kianjan'ny Fiovana, tao an-drenivohitra Yemenita Sanaa, mba hitaky ny fialan'ny Filoha Ali Abdulla. Nihamafy ny fihetsiketsehana araka izay voafaritra hoe   Zomàn'ny Fialana ary nitifi-danitra ny miaramila mba hanajanonana ny mpanao fihetsiketsehana  manohana ny fitondrana tsy hifandona amin'ny mpanao fihetsiketsehana manohana ny demokrasia.

Thousands of Yemenis in Change Square in Sanaa

Yemenita an-arivony tao amin'ny kianjan'ny Fiovana tao Sanaa

Andro nisiana rà mandrika ny Zoma farany teo hatramin'ny nanombohan'ny fihetsiketseham-panoherana an'i Saleh tao Yemen , roa volana mahery izay.

Indreto fihetseham-po farany tao amin'ny Twitter:

#Mpanao fihetsikeketsehana niditra tao amin'ny kianjan'ny Fiovana tao#Yemen renivohitra http://ping.fm/p4Tel
  • Tsy tao amin'ny kianjan'ny fiovana ny tifitra nataon'ny miaramila, fa teo amin'ny toerana manonodina  … #Sanaa #Yemen #yf lavidavitra, mba hampitandrina fotsiny, tsy nisy zava-nitranga.

  • Napetraky ny tafika ny tsipika. Raha tokony hitifi-doha (safidy 1) dia nisafidy ny hiara-dalana amin'ny vahoaka ny miaramila Yemenita mba ho tombontsoan'i #Yemen.

  • Tamin'ny fidiran'ny miaramila! Nampitandrina ireo mpomba ny fitondrana tsy hanafika ny vahoaka ny mpitandro ny filaminana Yemenita. #Yemen

  • Tara loatra ny oran'ny fifanarahana. Niantso ny Filohany Saleh ny foko manohana azy mba hametra-pialàna noho ny fangatahan'ny vahoaka: MIALA. #Yemen

  • Masaka. Mahita ireo mpanao fihetsiketsehana tao Sanaa aho namoaka boky momba ny kianja Tahrir aho, nametraka toeram-pisavàna ho an'ny mpanao fihetsiketseha ny olom-pirenena. #Yemen

  • Naka tahaka ny bokin'i Gaddafi i Saleh, mody nilaza izy fa mpivarotra zava-mahadomelina ny mpanohitra. #Yemen

  • niezaka nijanona tao #Yemen i Saleh: nilaza fa vitsy an'isa ireo mpanohitra, jiolahy, mpivarotra zava-mahadomelina http://goo.gl/XRRYYInona ny an'ny tsy mpisotro nescafe?
  • Niampanga ny mpanao fihetsiketsehana ho mpivarotra rongony ny Filoha Saleh ..izay efa mahazatra? #yemen #libya #egypt#freedom #world @nytimes #25jan

  • Nilaza ny fitondrana ao #Yemen fa mpanohana an'i Hothi sady mpivarotra rongony ireo mpanao fihetsiketsehana .. Marina tokoa, tsy mahay mamorona angaha ianao?

  • Tongava aty #Yemen ! 4000 taona ianao ka mendrika hahazo zavatra tsaratsara kokoa noho i Ali Abdullah Saleh

  • Nahantona ny lalampanorenana, tsy ara-drariny ny fisamborana, ary voarara ny fanaovana fihetsiketsehana noho ny fametrahana ny firenena ho latsaka an-katerena.#Yemen

  • Tsy mitady #ADY IZAHAY, tsy mila an'i SALEH izahay, fa mila #filaminana sy #demokratia!!!!!mila#YEMEN#fahalalana tsara kokoa izahay.

  • Ny Zoma teo (Fahamendrehana) dia faly sahirana i #Saleh .Io zoma io (Fiaingana), faly nandany vola izy. #Yemen#yf

    alguneid

    Ny Zoma farany tamin'ny volana Martsa, niandry ny fionganan'ny mpanao didi-jadona amin'ity volana ity izahay. Manana tantara amin'ny fandehanany amin'ny Zoma ry zareo #Yemen#Libya
  • manaisotra ny fahatongavan'ny Filoha ao #Yemen ny kabariny omaly? rehefa hametra-pialàna ao #Libya i Gaddafi?

  • Atombohy ny resaka

    Mpanoratra, azafady Hiditra »

    Torolalana

    • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
    • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.