Myanmar: Sary Avy Amin'ilay Faharavana Nentin'ny Horohorontany

Horohorontany iray nanana hery 6.8 no namely ny ilany avaratra-atsinanan'i Myanmar ny harivan'ny Alakamisy 24 Martsa 2011, izay re hatrany akaikin'i sisintanin'i Thailand ary hatrany Vietnam sy Shina  lavitra any mihitsy aza. Ilay fihetsehana dia namoizana aina 70 ary nandrava trano maherin'ny 240 tao Myanmar fotsiny. Nisy fihetsehana mahery vaika voamarika koa tany an-tanànan'i Chiang Mai sy Chiang Rai any Thailand.

Mety mbola havesatra aza ny isan'ny olona tra-doza. Araka ny tatitra, maherin'ny vatam-paty 80 no lafo tao Tachilek ny marainan'ny Zoma 25 Martsa. Ireo mpanaramaso dia namaritra ilay horohorontany ho ny fahatelo goavana indrindra tamin'ny resaka voina voajanahary nahazo an'i Burma taorian'ny rivodoza Nargis tamin'ny 2008 sy ny rivodoza Giri tamin'ny 2010.

Ny gazety tsy miankina The Irrawaddy dia nitafatafa tamin'ireo mponina ao Mae Sai any Thailand. Tanatin'ny taratasy nalefany navoakan'ny Shan Herald, Jai Noi dia nitantara ny fiantraikan'ilay horohorontany tamin'ireo mponina

Ho anareo rehetra tsy foy

Nandry tsy lavo loha izahay nandritry ny alina, miongam-potsiny aza indraindray  noho ny fiezahana tsy hatory. Tsy mandeha ara-dalana ny fifandraisana an-telefaonina, na ny finday io na ny an-tariby. Hatreto aloha dia tsy nisy tohina ny trano. Na izahay tao an-trano na nipetraka tany ivelan'ny trano nandritra ny alina. Antenaiko fa mba ho tafita ily mailaka ity. Be ny zavatra simba tany Taler, 40 km avaratra ary nirodana ny tetezana. Henoko fa faritra betsaka ao an-tanàna no rava ary satria tsy misy afa-tsy dokotera tokana any, dia alefa mankany Tachileik ireo naratra izay efa tototra mihoatra noho ny azony raisina.  Naratra 80 raha kely indrindra. Tsy mbola azo ny antsipirihany. Azo antoka fa nisy ny fahavoazana. Ny foibeny dia tany amin'ny manodidina an'i  Merng Lain, 59 km avaratr'i Maesai raha ny nambaran'ny vaovao. Mbola misy ny fihetsehana kely madinidinika hatramin'izao.

Ny bilaogy akm-kuntha dia nampakatra sary maneho ny fahavoazan'ny lalambe Tarle, tanana any amin'ny 20 miles miala an'i Tarchileik.

Democratic Voice of Burma koa dia nampakatra sary avy amin'ilay horohorontany. Indreto misy fanehoankevitra vitsivtsy tao amin'ny  twitter avy any Yangon

@ascmmr: Ry mpanaraka malala, antenainay fa tsara tsy misy tohina ianareo noho iny horohorontany iny. Raha naheno ny horohorontany ianareo ny 24 Martsa 2011 teo, tamin'ny 8 ora 25 mn alina

@minnyoonthit: ilay horohorontany dia niteraka faharavana goavam-be tao Avaratr'i Shan, faritr'i Tachileik (manodidina ny 100 ny olona maty, marobe ireo olona naratra.

@blacksumo: Letyyyyyye tena mariba ve ilay horohorontany e? Noheveriko fa nanao sangy ratsy ny nenitoako?? …

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.