Tontolo Arabo: Boky Torolalan'ny Arabo Tsy Refesi-Mandidy

Nivoaka izao ny Boky Torolàlan'ny Arabo Tsy Refesi-Mandidy, ary efa any anaty Twitter amin'ny fotoana anoratako. Ao amin'ny Twitter, nanjohy an'i  Iyad Elbaghdadi ny mpampiasa Twitter sasany hanambatra ireo fialàna bàla henontsika hatrizay avy amin'ny governemantan'ireo firenena Arabo nahitàna fihetsiketsehana nangatahana ny fiovan'ny mpitondra sy fanavaozana nanomboka tamin'ny fitroaran'ireo Toniziana tany amin'ny faramparan'ny taona 2010 tany.

Na dia sahala amin'ny hoe nalaina mivantana avy tany anaty tantara an-tsary mampihomehy ireny izy ireny, ny zava-doza dia efa rentsika daholo ireny, efa voarakitra sy notaterina tanaty gazety. Ireo lohandohany amin'ny Fanjakana sy ny manampahefana fara-tampony amin'ny governemanta dia mitohy manao litania / tsianjery maimbo azy ireny – ary dia mbola manana mpihaino sy mpanohana hatrany ry zareo any amin'ny fireneny any. Tsy niarahantsika nahita ve ireo mpanohana an'i Gaddafi nihogahoga sy nitehaka azy rehefa nanambara izy fa hanao ny fomba hamongorana ireo Libiana mitroatra manohitra ny fitondrany naharitra efa 42 taona. Tantara toy izany no miverina mitranga manerna ny faritra.

Ireto ny andàlana vitsivitsy nofantenana avy amin'ilay Boky Torolàlan'ny Arabo Tsy Refesi-Mandidy:

@iyad_elbaghdadi: Tsory fa ny hetsi-panoherna dia nanomboka tamina hetsika tena an'ny tanora madiodio saingy “voapaingotry” ny tombontsoa avy any ivelany. #ArabTyrantManual

@iyad_elbaghdadi: Ampiasao ny finoana. Antsoy ny tampom-pahaizana ara-pinoana eo amin'ny firenenanao ary omeo toky izy fa hahazo karama be  amin'ny fanaovana fatwa araka ny tokony ho izy. #ArabTyrantManual

@iyad_elbaghdadi: Lazao fa hoe voarebirebin'i X (KFC, Nescafe, drugs, sex, etc.) ny tanora mba hanao hetsika fanoherana #ArabTyrantManual

@iyad_elbaghdadi: Antsoy izay olo-malaza mpisolelaka fantatrao (mpihira, mpandihy, mpilalao baolina, sns…). Angataho hiteny fanohanana anao ao amin'ny fahitalavitra. #ArabTyrantManual

@L_Auvergnate: Rehefa mihasarotra ny raharaha, manaova kabary ora iray manodidina ny misasakalina eo hilazànao ny fandavan-tenanao ho an'ny firenena #ArabTyrantManual

@iyad_elbaghdadi: Lazao fa tsy nahy ny nitifirana ny mpanao fihetsiketsehana avy eny ambony angidimby/fiaramanidina/fiara mifono vy #ArabTyrantManual

@iyad_elbaghdadi: Manaova fety miaramila. Lazao fa ho an'ny tanindrazana izany. Raha ny marina dia ho fanehoana amin'izy ireo ny miandry azy raha mikasa hitroatra izany. #ArabTyrantManual

@L_Auvergnate:  Mody ambarao fa misokatra amin'ny fifanakalozan-kevitra ianao ary hanao izay azo atao sady mamono ny mpanao fanoherana ihany #ArabTyrantManual

@iyad_elbaghdadi: Lazao fa tamim-pitiavana sy fanetran-tena no nitantananao ny fanjakana ary tsy manana hetahetam-pahefana sy vola izany ianao. #ArabTyrantManual

@iyad_elbaghdadi: Avereno hiseho masoandro ireo Rakakabesola tamin'ny andron'ny dadabenareo:  Kolonialisma & imperialisma. #ArabTyrantManual

@iyad_elbaghdadi: Manaova valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety mba hanangonana ny mpanao gazety. Avy eo, alefaso ny jiolahim-boto hidaroka azy ireo sy hamotika ny fitaovana fakan-dry zareo sary. #ArabTyrantManual

@iyad_elbaghdadi: Mikarakarà fihetsiketsehana ho fanohanana ny fitondranao. Saingy aza mizara sainam-pirenena & na sora-baventy ho azy ireo. Omeo 50 bucks (vola io) & sy AK47 iray (basy io) ry zareo. #ArabTyrantManual

@iyad_elbaghdadi: Raha manakiana ireo firenena vahiny, tsinio ho tsy mahalala ny kolotsainao izy ireny. ” Ao anaitn'ny kolotsainay, izaho no mifehy. Ry zareo manaiky.” #ArabTyrantManual

@iyad_elbaghdadi: Mamonoa an'arivony. Ary avy eo lazao fa tsy azonao an-tsaina mihitsy izay fomba nahafaty azy ireny satria ianao tsy nampiasa hery “hatreto”. #ArabTyrantManual

@iyad_elbaghdadi: Manaova resadresaka mampandry adrisa miaraka amina mpanao gazety fanda-daza iray. Amanpour ohatra . #ArabTyrantManual

@kissmyroti: Miresaha mikasika ny fanajàna  #zonolombelona  #humanrights amin'ny “ampidiro eto ny fiteny eropeana tianao”, avy eo ampijalio izay rehetra nangataka hijery azy ireny #ArabTyrantManual

@iyad_elbaghdadi: Ny tombontsoa vahiny  X (eto X dia mety ho : Islamisma, Zionisma, Israel, Iran, USA, colonialisma, imperialisma…) #ArabTyrantManual

@QuimFont: Ampangao i Israely sy Etazonia. Mametraha taratasim-bola avy any Israely sy Etazonia mankany amina kaonty Soisa. #ArabTyrantManual

@defendfreespeak: Ampitahory amin'ny resaka Firahalahian'ny samy Silamo ny vahoaka #ArabTyrantManual

@iyad_elbaghdadi: Ambarao fa tsy mbola vonona amin'izay resaka demaokrasia ny vahoakanao. Mbola mila manonana ny làlana mankany ianao, amin'ny fanaovana toetran'alika. #ArabTyrantManual

@iyad_elbaghdadi: Lazao fa takatrao ihany nony farany n y tian'ny vahoaka hatao. ” Azoko ankehitriny ny tianareo ho lazaina .” #ArabTyrantManual

@studentIslam: Tsy tena tompon'ny tenany ireo olona mitsangana manohitra anao. Ny Al-Qaeda no tsy maintsy mamoky azy ireo amina zava-mahadomelina. #ArabTyrantManual

@minimaliteter: @iyad_elbaghdadi manaova fisehoana tsy ampoizina, sy matetitetika ao amin'ny fahitalavitra, tsy miteny na inona na inona mihitsyan #ArabTyrantManual

@studentIslam: Ilazao ny tsy mahalala fa ny firenenao dia tsy manana mpitarika ary ianao dia mpiahy fotsiny sy rahalahy eo imason'ny vahoaka. #ArabTyrantManual

@iyad_elbaghdadi: LAzao fa “voarainao ny hafatra” ary  “handinika izany ianao ato ho ao”. Aza faritana ny hevitr’ ilay  “ato ho ato”. #ArabTyrantManual

@iyad_elbaghdadi: Teneno azy ireo fa raha tsy mamonjy fodiana ry zareo dia ho avy ka haka ny solikany ireo ratsy saina . #ArabTyrantManual

@AmbroseandDogII: @iyad_elbaghdadi [A] AVY EO Teneno azy ireo fa raha tsy mamonjy fodiana ry zareo dia ho avy ka haka ny ankohonany ireo ratsy saina. #ArabTyrantManual

@L_Auvergnate: Midina an-dalambe miaraka amin'ny tafika mba hiaro ny sivily#ArabTyrantManual

@iyad_elbaghdadi: Alefaso eny an-dalambe ny miaramilanao. Lazao fa tonga eny izy ireo  “hiaro ny ankizy madinika”. Asaivo maka ankeriny na manao ankeriny ny ankizy izy ireny raha ny marina. #ArabTyrantManual

@iyad_elbaghdadi: Misintona Bundy iray (“in-efatra mikitika anaty lalao iray”). Arantirantio ny zava-bitanao nandritra ny ady natao ho an'ny firenena. #ArabTyrantManual

@L_Auvergnate: Mody lazao fa tsy tahaka an'i  #Tunisia/#egypt/#libya/#yemen/#Syria ny firenenao..#ArabTyrantManual

@EG_Freedom: Mandefasa fanelezan-kevitra tsy marim-pototra mikasika orinasa mpanodina sakafo iray toy ny KFC ohatra, satria iza no mahalala, mety hanampy n y toy izany an. #ArabTyrantManual

@EG_Freedom: Tapaho ny fifandraisana ary kendao ny fandraharahana na dia hampakatra lahatsary ihany aza ireo mpanao fihetsiketsehana rehefa miverina amin'ny laoniny ny aterineto. #ArabTyrantManual

@imstrawman: Raha tsy nahomby izay rehetra natao, mipetraha manoloana ny camera ary maka  ny toeran'ny  ‘niharam-pahavoazana’ #ArabTyrantManual

@chanadbh: #ArabTyrantManual Asidino eny ambonin-dry zareo ny fiaramanidina mba hilazana aminy fa tsy misomonga ianao

@L_Auvergnate: Ampitahory amin'ny resaka AlQaeda ny olona #ArabTyrantManual

@L_Auvergnate: Mikarakara hetsika sandoka manohana anao #ArabTyrantManual

@studentIslam: Tsy naniry velively ny ho mpanao jadona ianao. Manaporofo izany ny asa atonao ho an'ny vahoaka. #ArabTyrantManual

@studentIslam: Manaova fanambaràna fa mpitarika iraisam-pirenena ianao, mpanjakan'izay milaza ho mpanjaka eto Afrika, ary ny toerana misy anao eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena dia tsy mamela anao hitambotsitra mihitsy #ArabTyrantManual

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.