Haiti: Marainan'ny Fifidianana an-tsary

Androany, 20 Marsa, hamonjy ny biraom-pifidianana ny Haisiana hanapa-kevitra izay ho filohan'ny Firenena Karaiba manaraka.  Tsy eken'i Mirlande Manigat sy i Michel Martelly ireo kandidà roa heverina ho nahazo ny ampaham-bato be indrindra tamin'ilay fifidianana nahabe resaka notontosaina tamin'ny volana novambra farany teo, moa ity fifidianana anio ity. Ny tatitra androany maraina avy amin'ny mpampiasa Twitter any an-toerana any Haiti moa dia nilaza ny fahataran'ny fisokafan'ny biraom-pifidianana, raha ny maro ampitan-dranomasina kosa dia mifantoka tamin'ny nitifirana akaiky dia akaiky ilay mpihira rap teraka Haisiana Wyclef Jean, mpanohana an'i Martelly. Indreto manaraka ireto ny sary voafantina nivoaka tao amin'ny Twitter tany Haiti tamin'ny ora nisokafan'ny biraom-pifidianana—na ny fikasana hanokatra azy—tamin'ny maraina.

@melindayiti: Small crowd at Cite Soleil voting bureau, already open

@melindayiti: "Olona vitsivitsy eo amin'ny biraom-pifidianana ao Cite Soleil efa misokatra". Ny Cité Soleil midadasika moa dia iray amin ny faritra mahantra sy mampidi-doza indrindra any Haiti.

@vivehaiti: "Urne vid pa idantifye donk poko gen vot nan lise danyel la." [Unidentified empty ballot box at the Lycee Daniel].
@samaxyalaat: "Just taping up the electoral lists, lycee petion downtown. Already an hour behind."

@samaxyalaat: "Mba mijery ny lisi-pifidianana, lycee petion afovoan-tanana. Efa ora iray aty aoriana."

New York Times' bureau chief Randol Archibold (@rcaNYT): "Voting materials finally arrive at #Martelly polling place, 2 hrs late, calming crowd."

Lehiben ny New York Times Randol Archibold (@rcaNYT): "Tonga ihany ny fitaovam-pifidianana ho an ny biraom-pifidianana ao place #Martelly, 2 ora ny fahatarana, milamina ny olona."

@Vladguerre: Members voting center at Lycee de Petion Ville counting the ballots before start the voting process.

@Vladguerre: "Mpikambana biraom-pifidianana Lycee de Petion Ville manisa ny vato mialoha ny fifidianana."

@Vladguerre: "A voter outside the Lycee de Petion Ville asking for opening the voting center,people wants to vote."

@Vladguerre: "Mpifidy iray ao ivelany ao Lycee de Petion Ville miantso ny hisokafan ny biraom-pifidianana, te-hifidy ny olona."

@melindayiti: "Maro kokoa ny mpanara-maso sy ny mpiambina noho ny mpifidy ao Corail".

New York Times bureau chief Randol Archibold: "Other voting sites in #Haiti were calm while opening late and ballots were being cast."

Lehiben ny New York Times Randol Archibold: "Milamina kosa ny toeram-pifidianana hafa any #Haiti na tara aza ny fisokafana."

@mhsaintluc: "Anbyans tansyon devan sant vot Ernts Desir" [Tense atmosphere in front of the Ernst Desir voting centre].
@esfaceblack: "HNP (Haitian Nat'l Police) proudly voting."

@esfaceblack: "HNP (Polisy Haisiana) tsy menatra mifidy."

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.