Bahrain: Nambara ny Fepetra Amin'ny Tany Latsaka an-katerena

Ity lahatsoratra ity dia tatitra amin'ny ampahany  ataonay momba ny Hetsi-panoherana 2011 any Bahrain.

Ny Talata 15 Martsa 2011, izay iray volana taorian'ny fiatombohan'ny fanoherana izay nitranga tao amin’ny Manama renivohitry Bahrain ny 14 Febroary, dia nanambara ny Mpanjaka Hamad bin Isa Al-Khalifa fa hametraka Lalàna momba ny Filaminam-pirenena, izay hanome fahefana feno ny tafika mba hiaro ny firenena.

Vao haingana dia nirongatra ny fihetsiketsehana.nisian'ny fifandonana teo amin'ny mpanao hetsi-panoheranam ny polisy ary ireo jiolahimboto nitranga tao amin'ny Faritra Ara-Toekarena sy ny Anjerimanontolo ao Bahrain.

Ireo bitsika dia mbola nanana fisalasalana amin’izay dikan'ilay fanambaràna, ary maro no mihevitra azy io ho lalàna miaramila.  Ireo dia tonga taorian'ny nidiran'ny herim-pamoretana avy any amin’ny ‘hery fiarovan’ny Peninsule‘ ao amin’ny filankevitry ny fiaraha-miasa ao amin'ny Gulf izay niditra ny Alatsinainy faha-14.

GCC Troops

Andian-tafiky ny GCC

@WafflesBahraini: sarin’ny miaramila GCC #2 #Bahrain http://twitpic.com/49g8mn

@ehsankooheji: Ho fanamarinana fa hoe ilay tweet teo aloha dia avy amin'ny fanambarana tamin’ny fomba ofisialy tao amin'ny BTV, dia ‘lalanan'ny fampandriantany’  na lalàna miaramila ambanin’ny fifehezany BDF no manomboka amin’izao fotoana izao.

@FetoonBintAhmed miteny hoe [ar]:

الي مافهم يا جماعة .. الحكم بيصير عسكري لمدة 3 شهور الملك سلم الجيش التصرف الحر في هذي الازمة لمدة 3 شهور لحفظ الامن #bahrain
Ho an’ireo izay tsy mahazo dia izahay dia ho eo ambanin’ny fifehezan’ny miaramila mandritra ny 3 volana isika ary izy ireo ihany no manana fahafahana hamaha ity olana ity.

@EbtisamBahar: Lalàna miaramila! Afaka hatory ampitoniana amin'izay aho! Misaotra an’i Allah, shukran ho an’ny Mpanjaka.

Fanamarihana: Shukran dia midika fisaorana amin’ny teny Arabo

@SiconianGirl: Izy io dia tsy antsoina hoe lalàna miaramila  fa amin’izao fotoana izao fotsiny izy dia Lalàna momba ny Filaminam-pirenena mandritra ny 3 volana.It #Baharin #lulu #feb14

@LailaAlMoughani milaza hoe [ar]:

يعني حالة الطواريء والاحكام العرفية يعني يعدمونك بدون محاكمةعلى الهوية
“Izany dia midika fa Firenena Latsaka an-katerena izy ity izay midika fa afaka mamono izy ireo ary tsy hisy fiakarana fitsarana avy eo.

@BHR14N milaza hoe [ar]:

الملك يعطي وزارة الدفاع والحرس الملكي وأجهزة الأمن بابادة الشعب البحريني
” “Nomen'ny Mpanjaka zo hamono olona ao Bahrain ny Ministeran'ny fiarovana, ny mpiambina ny mpanjaka sy ny antokon-tafika”

@IsaMohamed milaza hoe [ar]

قرار من الملك . اعلان حالة السلامه .. مبروكين شباب . بترد الديره احسن من اول . يعني تسليم الامن للجيش . يباب ياحريم . تكبير ياشباب #Bahrain
“Lalàna navoakan'ny Mpanjaka. Lalàna momba ny Filaminam-pirenena. Arahabaina ry Zalahy a. Ho lasa tsara lavitra nohon’ny taloha ny firenena. Eo am-pela-tanan'ny tafika izao ny resaka fandriampahalemana no dikan'izany. Samia mifaly”

@MDaaysi: Lalàna miaramilan'iza aloha no azoko anontaniana?  Raha ny mpanjaka no tsy manana “fahefana” intsony… ary ao #Bahrain ny miaramila Saoudiana

@Ausamah_Alabsi: Fanazavana: ny “Filaminam-pirenena” tsy mitovy amin’ny“Lalàna Miaramila”, Fitotonganana izany, ny lalàmpanorenana dia maneho ny mampiavaka azy ireo.

@Ausamah_Alabsi: Ny mampiavaka ny “Filaminam-pirenena” sy ny “Lalàna Miaramila” dia ao anatin'ny “Filaminam-pirenena” tsy MIANTONA NY LALAMPANORENANA

@Hrmsless miteny hoe [ar]:

صامدون .. ولن نتنازل عن المطالبة ولن تنفع الاحكام العرفية واحكام الطوارئ. #Bahrain #lulu #feb14 #14feb

“Efa tapakavitra izahay fa tsy hanajanona na hamela ny tolona ho an’ny zonay, tsy misy izany lalànan'ny tany latsaka an-katerena izany, na koa ny lalàna  miaramila hampihemotra anay”.

Ity lahatsoratra ity dia tatitra amin'ny ampahany  ataonay momba ny Hetsi-panoherana 2011 any Bahrain.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.