Libya: Manohy ny fitifirana an'i Zawiya ny tafik'i Gadhafi.

Ity lahatsoratra dia fitantarana manokana momba ny Fihetseham-bahoaka taona 2011.

Tifitra tamin'ny alalan'ny fiara mivono vy sy fitaovam-piadiana mavesatra tao Al Zawiya, ao amin'ny faritra avaratra-andrefan'i Libya, dia nanakoako tao amin'ny Twitter.

Amin'ireo vaovao vitsivitsy avy an'i Libya fa nisy mpanao gazety voatana ao amin'ny hotely ao Tripoli miandry an'i Kolonely Muammar Gaddafi mba hipoitra, nitatitra ny vono olona ny Sky News, nilaza fa ny vahoakan'ny Zawiya dia miady ho fiarovana ny ainy. Mandritra izany, nanambara ny fanjakana Libyana fa i Zawiya dia “noafahana” tamin'ny mpikomy.

Indreto fihetseham-po tao amin'ny Twitter:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.