Serbia: Fanehoan-kevitra Momba ny Valan-dresak'i Gaddafi Tao Amin'ny Pink TV

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ireo tatitra taonay manokana momba ny  Fitroarana ao Libia 2011.

Nanao  resadresaka teo amin'ny 8 minitra teo tamin'ny telefaona ho an'ny fahitalavitra Serba TV Pink ny filoha Libiana Muammar Al Gaddafi tamin'ny 28 Febroary, nilazany fa i Libia dia tahaka ireny firenena “tena mandry fahalemana tanteraka” ireny ary nanambaràny fa ireo olona mpihoko avy amin'ny “andian-jiolahin'ny Al Qaida” ireo mitroatra ireo. Nolazainy ho andian-jatovo mpifoka rongony sy tsy voafehy ireo nameno  ny  toeram-pivavahana Moske, nampihorohoro ny vahiny:

Notifirin-dry zareo taminà basy marovava ny maoske. Nivezivezy teny an-dalambe ireo tanora, nitifitifitra tamin'ny  Kalachnikovs. […] Nitifitra izay rehetra hitany nihetsika ry zareo. Na iza na iza nihetsika, dia tadiavin-dry zareo hovonoina. Raha misy olona manohitra an-dry zareo, dia vonoin-dry zareo tahaka ny natao tamin'i [Zarqawi]. Tsy isalasalàna, Al Qaeda ireny andian-jiolahy ireny. […]

Muammar al Gaddafi miteny fa tsy misy antony tokony hampitroatra ny vahoaka. (Sary avy amin'i Jesse B. Awalt U.S. Navy – Mass Communication Specialist 2nd Class /Public domain)

Niresaka ihany koa i Gaddafi mikasika ilay tantara miresaka fandraisan'anjaran'ireo Serba mpanamory fiaramanidina tamin'ny fandarohana baomba ireo mpanao fihetsiketsehana, izay tondroiny ho fampielezan-kevitra ratsy nataonà fampahalalam-baovao arabo iray (tsy notononiny anarana). Araka ny fiheviny dia novidiana vola ny Serba iray mpanamory fiaramanidina mba hiampangàna tsy diso azy ho nanome baiko ny tafika mba hitifitra ny vahoaka:

Nisy fampielezam-peo Arabo iray nifandray taminà manamboninahitry ny tafika an'Habakabaka Serba antsoina hoe Daniel. Niezaka nandrokiroky azy ry zareo mba hiteny fa hoe nangataka ny fiaramanidina avy any Serbia mba hanafika ny vahoakany i Libia. Nolazain-dry zareo azy hoe: “Lazao izany dia ho azonao ny vola.”

Nandefa fanadihadina fohy avy any Tripoli ihany koa ny TV Pink, maneho endrika manamafy izay filazan'i Gaddafi ny hoe “Libia mandry fahalemana”: arabe tarafin'ny masoandro mibaliaka miaraka amina hazo palmiers, fiara lafo vidy sy mponina tony eny aminà habak'ireo trano fisotroana kafe ao an-toerana. Toa mandeha tsara ery ny fiainana, ka isan'izany ny ao amin'ny fari-ponenana iray izay nambaran'ny sasany ho nozeràn'ny tafik'i Gaddafi baomba.

TV Pink, ny fahatsiarovan-tenam-pirenena Serba

Tsy isalasalàna, nahay nifidy ny fantsona hisehoany i Gaddafi. TV Pink dia iray amin'ireo tambajotran'ny fahitalavi-pirenena isan'ny tena malaza, izay amin'ny ankapobeny dia mandefa votoaty tsotsotra (fandaharana télé-réalité, mozika, tantara mitohy). Tany amin'ny taona 90, ny lazàny dia avy amin'ireo mpaminany sy mpandinika ny lanitra tao aminy (astrolojista).

TV PinkNatsangana nandritra ny fitondran'i Slobodan Milosevic ny TV Pink. Ny tompon'ny TV Pink, Zeljko Mitrovic, dia mpikambana fahiny tao amin'ny  JUL, antoko politika iray notarihan'ny vadin'i Milosevic, Mira Markovic. Nandritra io fotoana io, niforona ny fifankahazoana teo amin'i  Zoran Lilic, filoha teo aloha tao Yogoslavia sy mpanohana iray an'i Milosevic, ary nandeha ny tsaho fa izy no isan'ny nanampy tamin'ny fandaminana ilay resadresaka “tokana”  niarahana tamin'i Gaddafi.

Aiza ny rà?

Samihafa be ihany ireo fanehoan-kevitra momba iny resadresaka iny, saingy any anatin'ireo seha-pifanakalozan-dresaka anaty aterineto Serba, Krstarica [SRB], be koa ireo vahoaka mifanjevo amin'ny fanehoan-kevitra noho izy ireo tsy manana fahafahana miditra hahita ny sary tena avy any Tripoli, ka dia mandray ny fanambaràn'i Gaddafi ho tena marina.

Anatina fifanakalozan-kevitra iray mitondra lohateny hoe “Milamina i Libia, mandainga ireo mpampahalala vaovao manerantany,”dia manoratra i Yamamoto:

Ireo olona nijanona any sy ireo tonga tamin'ny alalan'ny fiaramanidina ‘fanavotana’ dia manindry fa tsy azon'izy ireo mihitsy hoe sary toy inona no jerentsika. Izy rehetra dia samy mandiso ny filazàna ny maha sarotra ny raharaha ao Libia.

Bernard O mahita fa:

Ny rakitsarin'ny Pink TV dia manamafy fa maro ireo tranobe no tsy nisy tohina, kanefa, araka ny CNN, izy ireny dia rava nandritra ny daroka baomba tsy nisy indrafo nataon'ny tafik'i Gaddafi.

Jevropa manamarika amin'ny fomba mampalahelo:

Firenena mahafinaritra ity. Ankehitriny, ny fahalovan'izao tntolo izao no tonga eto hanimba izay rehetra natsangan'io lehilahy io ka hampahantra ny vahoaka na eo aza ny harena [n'ilay firenena].

Pedjica manandrana ny hijery ny tena zava-misy:

Tsy dia azoko antoka loatra hoe ahoana ny fiainana any amin'ny faritra hafa eto amin'ny firenena. Hitako tamin'ny Pink i Tripoli. Nahita fiara tsy dia antitra loatra noho ny [taona] 2000 aho, efa somary vaovao ihany koa ireo tranobe ary dia tanàna mahafinaritra ilay izy. Raha araka izay hitako aloha. Mety ho eo anelanelany eo ihany ny tena zava-marina!

Mba ho fampahatsiahivana ho an'ireo mpiray tanindrazana aminy mikasika izay lazaina ho hatsaràn'ny fiainana ao Libia, namoaka ampahany avy amin'ny tantara, nivoaka tsy ela akory izay, taminà gazety Serba i Caliburn,  nitondra ny lohateny hoe “Miaina Toy ny Andriamanitra Ny Libiana” ary niainga avy aminà fijoroana vavolombelona nataon'i Dragan Gordic, Serba iray nonina tany Libia an-taona maro:

Tsy dia mino loatra aho hoe noho ny tsy hafaliana no niteraka ny korontana. Tsy manana antony tokony tsy hahafaly azy ry zareo satria miaina toy ny andriamanitra kely… Tsy miasa mafy, ary amin'ny 9 ora eo ho eo vao miditra birao, ary mandeha mody indray amin'ny mitatao vovonana mba hivavaka, in-dimy izany no miseho ao anatin'ny iray andro… Maimaim-poana ny fitsaboana an-dry zareo, ny fanabeazana, ny herinaratra ary ny zava-pihinana dia 30-40 isan-jato mora kokoa noho ny any an-trano. Izay te-hianatra any ivelany dia mila fotsiny manao fangatahana an-tsoratra ary dia mahazo fanohanana ara-bola avy amin'ny manampahefana. Manodidina ny 5 tapitrisa ny olona nanao fanambarana ny fananana fiara 15 tapitrisa. Izy ireny amin'ny ankapobeny dia fiara lafo vidy sy raitra avokoa, ary mora amin-dry zareo ny miditra amin'izany satria ho anà fiara mitentina 50.000 Euro dia 3.000 na 4.000 Euro no alohanao, ary ny fanjakana no manefa ny ambiny.

Ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Burek.com [SRB] koa dia manamafy izay nolazain'i Filoha Gaddafi, ary ny  TV Pink dia nandresy lahatra Serba maro fa hoe tsy manana antony tokony hitroarana ny Libiana.

Smook dia manana fomba fijery tena manindrahindra an'i Libia:

Mifameno daholo ny fanambarana nataon'ireo mpiray tanindrazana aminay nonina sy niasa tany Libia. Miteny ry zareo fa maimaim-poana ny antso an-telefaona, maimaim-poana ny herinaratra ary misy ny fanomezana fampindramam-bola tsy misy zanany mandritra ny 10 taona mahery. Ny fanjakana no miantoka ny trano fonenana ary zara raha misy ny hofany. Dolara vitsy monja dia afaka mameno ny fitoeran-tsoliky ny fiara ianao. […]

RawenClaw 3190900 mampitandrina:

Ny foko misy azy no isan'izay manana ny toerany indrindra any Libia. Izay mety ho fifandirana amin'izy ireo dia mety hivadika ho adin'ny samy olon-tsotra.

Paganin1 mamoaka fa:

Ny tatitra atao amin'ny fampahalalam-baovao ao an-toerana mikasika ny fandrosoana ao Libia dia tena manaitra tokoa. “Ilay jadon-dahy Gaddafi, tanàna maro votsotra teo an-tànan'ny tafi-panjakana, an-jatony ireo nizaka ny tsy eran'ny aina tamin'ny jadona”  sy hagaigena maro mifandraika amin'izany. Ankehitriny, iraha-mahita fa i Serbia dia “repoblika eny an-tanin'akondro” eo ambanin'ny fitantanan'ireo tafitsika malaza fa “demokratika” sy  “sakaiza”, dia azontsika ny valinteny amin'ny fanontaniana hoe iza no miezaka mandrehitra ity olana eto Libia ity…

Vale ao amin'ny CafedelMontenegro dia miteny hoe:

Sakafo mora, solika mora, fanabeazana sy  fitsaboana maimaimpoana. Atsy ho atsy, hitomany an'i Gaddafi ry zareo. Ireo olontsika niaina sy niasa tany an-taonany maro dia mahatsapa izany mihoatra lavitra noho ny hafa. Mba hanome antsika governemanta tarihan'i Gaddafi mandritra ny 40 taona anie Andriamanitra.

Pink TV sa CNN

Ao amin'ny tranonkala B92 no tena ifamotoanan'ireo tsy faly tamin'ny fomba nataon'ny fantsom-pahitalavitra Serba nanome sehatra ilay Libiana mpanao jadona ho toy ny olom-bahoaka manan-danja be iny ery:

Zavatra efa iaraha-manaiky fa miasa ho an'i Gaddafi ny Pink. Nanompo feno an'i Slobodan (Milosevic) sy Mira (Markovic) ihany koa ry zareo. “Misotro kafe eny amin'ny toera-malalaka fisotroana kafe ny olona.” Zavatra toy izany koa no nisy fony aho niaina ny zera baomba(n'ny OTAN) teo amin'ny faritra nonenako. Mipetraka misotro kafe ny olona ary misotro ny labierany, saingy tsy midika izany fa hoe tsy nisy ny zera baomba. Tao afovoan-tanàna izay tsy nanjeràna baomba dia tena nitsotsotra kokoa ny olona, saingy tsy lavitra eo, manakaiky ilay orinasa nozerana baomba, mandao ny trano fonenany ny olona ary mandositra miala ny tanàna …

Bg miteny hoe:

Mifandray amin'ny tontolo ivelany amin'ny alalan'ny Serbia i Gaddafi mitondra hafaliana tsy omby tratra ho an'ireo mpankafy azy any Serbia, ary henatra sy fitserana ho an'ny manan-tsaina.

Nikon Savest milaza hoe:

Raha manadihady an'i Kim Jong ny Pink dia azo antoka fa mety hiteny izy hoe mamelana ny raozy any Korea Avaratra, 20% ny fisondrotana ara-toekarena, ary malalaka ny olona.

Realist miteny hoe:

Ilay lehilahy nampiasa fiara mifono vy  sy fiaramanidina mpiady hanafika ny fireneny ihany dia tsy mendrika afa-tsy rikoriko. Tsy misy tokony hahagaga raha tia sy manohana azy ny Serba, jereo ohatra i Milosevic, mpambotry ny vahoakany ihany, mahavita mipetraka ela  eo amin'ny fitondrana.

Terenac mandranitra:

Diso ny hoe izahay Serba ihany no manohana azy. Misy miaraka aminy koa ireo mpikarama an'ady nokaramainy hiady ho azy.

Sava,  Serba iray nalaina avy any Libia, dia miezaka ny manome endrika milay be ny “fanjakàn” i  Gaddafi ho valin'ireo fanehoan-kevitra rehetra manohitra an'i Gaddafi etsy ambony :

Omaly aho no niverina teto Serbia tamin'ny famoahana an'ireo mpiasa Serba avy ao Libia. Mba te-hanitsy ireo sary ratsy omena ny zava-mitranga ao Libia aho izay navoaka tamin'ny sasany tamin'ireo mpampita vaovaontsika. Tao amin'ny tanàna izay nipetrahako dia tena nilamina tokoa, nandeha toy ny isan'andro tany an-tsekoly ny ankizy, nisokatra ny toeram-pivarotana ary nivezivezy malalaka ny mponina. Niezaka nandresy lahatra ahy ireo Libiana niarahako niasa fa hoe ao an-damosin'i Gaddafi daholo ny vahoaka… Efa niaina toe-javatra tahaka izany ny vahoakantsika ka dia hain'ny olona tsara ny fomba fiasan'ny fanelezan-kevitra. antenaiko ny mba hifaranan'izao rehetra izao haingana araka izay tratra, isan'izany ny masoivohom-baovaonareo [B92], hamoaka ny tena sary marina momba ny zava-mitranga ao Libia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.