Fahalalahana miteny ve ny famporisihana hamono tena?

Misy tranga iray mivoatra any Minnesota izay mahatonga ny fanontaniana hoe inona ny fahalalahana miteny. Araka ny voalazan'i Emily Gurnon ao amin'ny Pioneer Press,

“Ilay mpitsabo taloha William Melchert-Dinkel, 48 taona, avy any Faribault dia voapanga niaraka tamina lehibe roa ho namporisika, nanome toro-hevitra na nanampy ny hafa hamono tena. Taorian'ireo lahatenin'ny mpisolovava ny marainan'ny Alakamisy, Mpitsaran'ny Fizaram-paritr'i Rice, Thomas Neuville dia nametraka ity raharaha ity ho mbola andalam-pandinihana; hamaoka ny valim-pitsarana izy ao anatin'ireo 20 andro manaraka.”

Niaky ity mpitsabo ity fa namporisika olona roa hamono tena – ny iray tany Kanada ary ny iray tany amin'ny Angletera; kanefa nilaza ilay mpahay lalàna ity, tao amin'ny aterineto, fa fahalalahana miteny ny toro-hevitra nataon'ity soloiny vava ity .

“Tamin'ny fampiasany ireo solon'anarana “cami,” “falcon_girl” ary “Li dao,” niseho ho vehivavy tanora i Melchert-Dinkel, mpitsabo ao amin'ny efitrano famelomana aina izay nahita ireo fikasana hamono tena tsy tanteraka ary nanome soso-kevitra azy ireo fa ny fanantonan-tena no fomba mandaitra indrindra.”

Ny zavatra notenenin'i Dinkel sy nataony dia tena mampalahelo sy mamono, manampy trotraka ny aretin'ny fihetsiny ny asany, nefa ve afaka raisina ho fahalalahana miteny ny fifosafoana sy famporisihana olona hamono tena na hanao heloka bevava fa tsy ho fihetsik'olo-meloka?

Ny didim-pitsarana tamin'ny fampakarana ho amin'ny fitsarana Ambaratonga Faharoa ny Fitarainana dia mety hanazava ny fihetsiky ny fitsarana rehefa mikasika ny fifandraisana ara-dizitaly/sary sy ny fanaporofoana ny fanohintohinana ankehitriny.

Associated Press dia nitatitra fa,

“Nisy Fitsarana Federaly iray nandray an-tànana ny fanamelohana fametavetana ankizy nataona lehilahy iray tany New York izay mametraka ny tarehin'ireo zazavavy amina sary vetavetan'ireo olon-dehibe miboridana ao amin'ny solosainany.”

Nanamarika ireo mpitsara fa mety hanimba ny sain'ireo zazavavy nalainy sary ary mety hanimba ny lazany ihany koa ny fihetsik'ity lehilahy ity. Tsy voaporofo ny fizarazaran'ity lehilahy ity ireo sary nasiam-panovàna ireo, noho izany dia mahaliana ny manamarika fa na dia tsy misy aza ireo porofo manimba mivantana, mino ireo mpitsara fa satria fantatra ireo zazavavy dia natao an-keriny tamin'ny alalan”ireo sary novaina ireo izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.