Maoritania: Mipoaka ny Hetsik'ireo Mpandala Demaokrasia Ao Nouakchott

Nipoaka ny fihetsiketsehana tao  Nouakchott, renivohitr'i Maoritania androany, taorian'ny fifanatonan'ireo tanora tany anaty aterineto mba hiantso fihaonambe, izay mitaky fanovàna ara-tsosialy, ara-politka ary ara-toekarena, sy fampitsaharana ny fitondra-miaramila ao Maoritania.

Maherin'ny 2000 ireo mpanao fihetsiketsehana voalaza fa nilahatra tao amin'ny Kianja Blockat, toerana noheverin'ny sasany hilasiana, mandra-pivalin'ny fitakian-dry zareo. Anisan'ny fitakian-dry zareo ny hanakanana ny fiakaram-bidin'ny fiainana ary ny hamahàna ny olan'ny tsy fananana asa. Ny hafa miteny manohitra ny fanavakavahana sy famongorana ny  fitondra-miaramila. Ity hetsiky ny tanora ity dia manaraka ireo izay efa natrehan'ny masontsika nanerana ny tontolo Arabo hatramin'ny fitroarana Toniziana – ireo tanora nifanatona, na teo amin'ny tontolo virtoaly, na nifankahita mivantana mihitsy, dia manao fanoherana an-dalambe mandra-pivalin'ny fitakiany.

Nifanandrify tamin'ny hetsika tanora mitovy aminy tany Bahrain, Iraka, Alzeria, Moraoka, Jordania, Yemen ary Libia ny hetsiky ny tanora any Maoritania.

Ao anaty Pejy Facebook iray, milaza ny iray amin'ireo vondrona niantso hetsi-panoherana fa:

نجحت الثورة التونسية ثم الثورة المصرية بعد ذلك بفترة وجيزة فبدأت شعوب المنطقة تتطلع لغد أفضل بعد أن أصاب الإحباط كثيرا من أبنائها وبعد أن ظلت لفترة طويلة تعيش تحت وطأة الاستبداد والظلم والقهر.
نجح قبل ذلك الأتراك من خلال الأحزاب والمجتمع المدني في إنشاء اقتصاد قوي وديمقراطية وليدة استطاعوا من خلالها إبعاد العسكر عن الحكم.
وقبل الأتراك نجح الإسبان في الانتقال إلى الديمقراطية عن طريق المصالحة وقاد الملك إخوان كارلوس بنفسه عملية التحول.
هناك إذا نماذج ناجحة مختلفة لانتقال ديمقراطي : النموذج التونسي والمصري (قيد التشكل) ، النموذج التركي والنموذج الإسباني.
أنشأت هذه الصفحة لتبادل الآراء لصناعة غد أفضل لبلدنا موريتانيا.
أي النماذج السابقة أصلح لنا وأيهم بإمكانه التحقق وكيف نساهم في تحقيقه؟
بإمكانكم أيضا اقتراح نماذج أخرى والهدف هو أن نحقق الديمقراطية والعدالة في بلدنا.
ننتظر إذن مشاركاتكم جميعا مهما كان موقفكم فهنا ديمقراطيتنا هنا سنصنع دولتنا على الفيس بوك قبل أن نراها واقعا بإذن الله تعالى.
Tafita ny revolisiona Toniziana, narahan'ny revolisiona Ejiptiana, fotoana fohy taorian'io. Nanomboka nangetaheta ampitso tsaratsara kokoa ireo vahoaka tany amin'ny faritra rehefa niaritra adin-tsaina taorian'ny niainana tanaty famoretana sy tsy rariny nandritra ny fotoana maro.
Ny Tiorka no tafita talohan-dry zareo, tamin'ny fananganana antoko politika sy niaraka tamin'ny fanampian'ny vondrom-piaraha-monina sivily, ary noho ny demaokrasia vaovaon-dry zareo dia vitany ny nanàla ny miaramila teo amin'ny fitondrana.
Ary talohan'ny Tiorka, ny Espaniola no afa-niroso tamin'ny demaokrasia nandalo tamin'ny fampihavanana, ary ny Mpanjaka King Juan Carlos tenany mihitsy no nitarika ny fanavaozana.
Maro ny ohatra nahomby tamin'ny firosoana ho amin'ny demaokrasia. Ny maodely Toniziana sy Ejiptiana (an-dalam-piforonana), toy ireo maodely Tiorka sy Espaniola.
Noforonina ity pejy ity hifanakalozana fomba fijery hananana ampitso mendrika kokoa ho an'ny Maoritania firenentsika.
Iza amin'reny maodely ireny no tena mety amintsika ary iza amin'izy ireny no mety ho tanteratsika ka apetraka hiasa?
Afaka manome soso-kevitra maodely hafa ianao. Ny tanjona dia ny hametraka demaokrasia sy fitsarana ara-drariny eto amin'ny firenentsika.
Manantena ny fandraisanao anjara izahay, na inona na inona foto-kevitrao. Demaokrasiantsika izy ity ary eto no hananganantsika ny firenentsika – amin'ny Facebook – alohan'ny tena hahitantsika maso azy amin'ny tena izy.

Mivaky toy izao ny hafatra:

أن تنعم موريتانيا بالحرية والديمقراطية
Ho fisitrahan'i Maoritania fahalalahana sy demaokrasia

Na dia toa 200 ihany aza no nilaza ho tia ny pejy, toa miha-hita maso izany hetsi-panoherana izany, satria ireo tanora Maoritaniana dia milahatra mitaky fahalalahana sy demaokrasia.

Ity misy sary fanehoana ny zava-niseho androany tao amin'ny Twitter:

@NickKristof: Mitatra amin'ny faritra vaovao hafa ao Afrika ny fitakiana demaokrasia, toy  ny any: Kamerona, Gabon, Zimbabwe, Maoritania.

@Dima_Khatib: Andro hafa kely ! Ejipta, Tonizia, Maoritania, Yemen, Libia, Jordania, Bahrain, Iraka… dia aiza koa? Manao hetsika an-dalambe ny Arabo.

@Malakyz: Ny andraony no manamboatra ny tantara: Hetsi-panoherana any #Libia, #Yemen, #Ejipta, #Tonizia, #Bahrain, #Moraoka, #Iraka, #Palestina, #Jordania, #Maoritania. FIRAISANKINA

@ZEKELMOUDEN: Tanora an'arivony izao  no milahatra ao Maoritania mitaky ny fanatsaharana ny fitondra-miaramilan'i Aziz izay mifehy ny firenena, fari-piainana mendrika sy ny tena demaokrasia.

Akhbar mandefa bitsika hoe (Ar):

تظاهرة شبابية في موريتانيا تخللتها دعوات لاسقاط النظام #mauritania
“Misy hetsiky ny tanora mipongatra izao ao Maoritania, miaraka amina antso ho fandrodanana ny fitondrana.”

@bandolero69: Ireo onjam-panoherana dia niely hatrany amin'ny fanjakana mahantran'i Maoritania, izay olona an-jatony no nidina an-dalambe tao Nouakchott.

This is the spot protesters took over in Nouakchott, #Mauritania

Sarin'ireo mpanao fihetsiketsehana naka ny tao Nouakchott, #Mauritania

@mauritaniedem1: Nandeha an-tongotra ny sasany tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana mba ho any  #blockatesquare, satria nosakanan'ny fanjakana daholo ny fiarabe mpitatitra. #Mauritania #feb25 http://yfrog.com/h4xygxp

@buthaina: Oooooay eee!! #Now #Mauritania! Tonga soa #Nouakchott – #Responsible #Freedom #Democracy #Fail #Corruption

@Doylech: Nahazo anarana ankehitriny ny kianja lehibe ao Nouakchott ao #Mauritania ,eny, kianja Tahrir (kianjan'ny fanafahana)

@vatyma: #Mauritania: Hoy ny hiakan'ireo mpanao fihetsiketsehana “Bayteen wa mkamleen layn timshou 3ana kamleen!” (hatory eto izahay manomboka izao ka mandra-pialan'ny mpitondra)

@Abdarrahmen: Avy ao amin'ny kianjan'i Blockate #Mauritania http://twitpic.com/43o2c4

@Abdarrahmen: Saket Lash ” Maninona ianao no tsy miloa-bava ” Avy ao an-kianjan'i Blockate #Mauritania http://twitpic.com/43o4r4

@AbdallahJeilany: Nanomboka nanangana ny tranolainy ireo mpanao fihetsiketsehana ary miezaka mandamina ny zavatra rehetra satria manahy ry zareo sao hisy jiolahimboto handrava ny hetsika #Mauritania

@mauritaniedem1: Maherin'ny 5000 izao ireo mpanao fihetsiketsehana ary mitombo foana ry zareo. :)#Mauritania

Abdullah Jellany manazava (Ar):

# Mauritania بعد نصب منصة طلب الكلام أحد الشباب وعندما صعد بدأ يشكر عزيز فأنزله بعض وضربه البعض الآخر ويبدو أن الهدف كان إثارة البلبلة
“Taorian'ny nahatsanganan'ny lampihazo, dia nangataka hiteny ny tanora iray ary avy eo nanomboka nisaotra an'i  Aziz. Nampidinin'ny sasany tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana izy noho izany ka ny sasany nidaroka azy. Tsinjo tamin'izany fa ny hamafy fisamantsamahana no tena tanjony.

Abdellahi2 manampy (Ar):

بلطجية يعتدون على مدير مكتب الجزيرة في موريتانيا.. والمنظمون يعتذرون #Mauritanie #Mauritania #Nouakchott #Nktt #25Fev
“Notafihana jiolahimboto ny Lehiben'ny biraon'ny Al Jazeera ao Maoritania .. ary dia niala tsiny ny mpitarika ny hetsika.”

@mauritaniedem1: jiolahimboto vitsivitsy no niezaka nidaroka ny mpanangom-baovaon'ny  #Aljazeera, Mohamed Baba Achefagha. saingy niaro azy kosa ireo mpanao fihetsiketsehana. #Mauritania

@AbdallahJeilany: nisy jiolahy saika handroba banky teo akaikin'ny Blockate saingy nosamborin'ny mpanao fihetsiketsehana ry zareo ka nilamina ny raharaha #mauritania

@mauritaniedem1: Mijoro manohitra ireo jiolahimboto ao #Mauritania ny mpanao fihetsiketsehana mba hisorohana ny asa fandrobana ka dia milamina ny raharaha. #’Feb17

@Abdarrahmen: Iray tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana no saika handoro ny tenany tao amin'ny kianjan'i  Blockat, saingy voasakan-dry zareo ihany tamin'ny farany #Mauritania

@: Saket Lash “Maninona ianao no tsy miloa-bava ” #mauritania http://twitpic.com/43p61h

@Abdarrahmen: Ny fahitalavi-pirenena dia mandefa sary mikasika ilay hetsika tamin'io andro io, sahala amin'ny hoe dika/petaka tamin'izay niainana tany amin'ny fahitalavi-pirenen'i Ejipta-libia #Mauritania

@Doylech: Nampanantena ny Praiministra Maoritaniana fa hanatsara ny tontolo ara-toekarena ary hanome sombin-tany ho an'ireo mahantra aorian'ny hetsika #mauritania

@virtualactivism: Nouachkut: maniry ny hialàn'ny fitondrana ny vahoaka’. Andriamanitra masina indrindra o!!!  lasa koa izao i #Mauritania. Tolo-kevitra ny ahy hoe foano izao dieny izao ny Ligy Arabo

@mauritaniedem1: Fahalalahana no anarako, teraka tany Tonizia, nobeazina tany Ejipta, nianatra tany Yemen sy  #Mauritania, niady tany Libia ary ho olon-dehibe  eo amin'ny tontolo Arabo.

Sary maro avy amin'ny androany no azonao jerena ao amin'ny pejy Facebook-n'ny hetsika eto sy ato.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.