Ity lahatsoratra ity dia fanadihadina manokana mikasika ny Revolosiona Tonizia taona 2011.
Nametram-pialana ny praiminisitra vonjimaika Mohamed Ghannoushi taorian'ny fatiolona ny Asabotsy tao an-drenivohitra Tunis. Ny fifandonana niseho tamin'ny Zoma alina tao amin'ny lalana Habib Bourguiba, nitarika fahafatesan'olona telo nisy teo amin'ireo mpitandro ny filaminana sy ny mpanao fihetsiketsehana.
Narahina fampisehona milamina sy mafonja ireo herisetra tamin'ny zoma manoloana ny minisiteran'ny Atitany. Saiky marina tokoa fa ity fikomiana sy finiavana hamotika fananam-panjakana sy fananan'olo-tsotra ity dia efa nomanina sy nokarakaraina mialoha. Na izany aza, ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe iza no tompon'andraikitra?
Tao amin'ny Facebook, nilaza ny minisitry ny atitany fa nomanina ireo fihetsika ireo; saingy tsy nanome fanazavana na hevitra ny amin'ny hoe iza no ho saziana:
عمد بعض الأشخاص من مثيري الشّغب الذين اندسّوا في صفوف المتظاهرين سلميّا واستخدموا مجموعة من الشبان في سن الدراسة دروعا بشرية للقيام بأعمال شغب وحرق وعنف بعد ظهر اليوم السبت 26 فيفري 2011 مستعملين العصي والحجارة
Hoy ilay bilaogera Toniziana:
Et voila que même le ministère le confirme, ce qui se passe à l'avenue HB, ce sont des actes préparés à l'avance et visent à délégitimer le sit-in de la Kasbah, message à tout tunisien ayant même une petite goûte de patriotisme, soyez vigilant, pas de violence, pas de destruction, c'est notre Tunisie, quelque soit vos convictions, pour ou contre le gouvernement, ne vous laissez pas manipuler; semer le désordre c'est justement là ou on veut nous mener…
Nicolas Beau, mpanao gazety frantsay sady mpanoratra, dia nilazalaza momba ny lalana Habib Bourguiba taorian'ny vonoan'olona ny Asabotsy:
Ce matin dimanche, l'avenue Bourguiba, où des casseurs ont à nouveau sévi dans la nuit sans que la police n'intervienne vraiment, est fermé aux voitures, mais aussi aux passants.
Nampiany hoe:
On voit en effet des supplétifs de la police, jeunes et en tennis, armés de longues lattes de bois, frapper méthodiquement et violemment, les jeunes manifestants et les traquer dans les halls d'immeuble. Pour peu qu'un portable soit aperçu, et immédiatement les nervis le fracassent, de peur des photos.
Tamin'ny Alahady, dia nitohy ny fifanandrinana tao amin'ny làlana Bourguiba.
I Lina Ben Mheni, mpiaro ny zon'olombelona (@benmhenilina) ni-tweet hoe:
DES bombes lacrymogènes à l'Avenue Habib Bourguiba le cauchemar continue
Ny herisetra sy ny fanimbana zavatra dia tsy tao Tunis ihany, fa tao amin'ny faritr'i Kasserine ihany koa, ao afovoany atsinanan'ny Tonizia.
Abu Sofiane (@AbuSofiane) ni- tweet hoe:
ce qui c'est passé à kasserine est ignoble ! ce gouvernement doit démissionné ce sont des criminels
Kais elloumi (@kaiselloumi) ni-tweet hoe:
les évènements de Kasserine ne semblent pas être spontanés…. bizarre qu'ils coïncident avec le grand rassemblement de La Kasba
Ho setrin'ireo zava-niseho feno herisetra, ny mponina ao Kasserine dia nanao famoriam-bahoaka tamin'ny Asabotsy mba hanoherana ireo herisetra sy fandrobana ary ihany koa mba hanoherana ny governemanta vonjimaika. Araka ny voalazan'ny http://thalasolidaire.over-blog.com:
Aujourd’hui, des milliers de manifestants sont dans les rues de Kasserine pour dénoncer ces pillages et ces incendies des institutions publiques et pour exiger, en même temps, la dissolution du gouvernement Ghannouchi
1 hevitra