Bahrain: Zara raha niova ireo Ministera

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011 ity lahatsorata ity.

Nandeha ireo tsaho nanodidina ny takarivan'ny Zoma (25 Febroary) mikasika ireo fiovana ao amin'ny Minisiteran'ny Govermentan'i Bahrain. Voamarina ireny tsaho ireny tamin'ireo gazetin'ny Asabotsy, izay misy ny anaran'ireo Minisitra efatra nosoloina (Eng. Fahmi Al-Jowdar – Minisitry ny Jiro sy Rano / Dr. Faisal Al-Hamar – Minisitry ny Fahasalamana / Shaikh Ibrahim bin Khalifa Al-Khalifa – Minisitry ny Fonenana / Shaikh Ahmed bin Atteyatallah Al-Khalifa – Minisitry ny Raharahan'ny Mpanolontsaina Ministerialy).

Ministerial changes in Bahrain government. Image courtesy of Al-Wasat Newspaper

Ireo fiovan'ny Minisitera ao amin'ny Governemantan'i Bahrain . Sary nalaina tao amin'ny gazety Al-Wasat

Ao amin'ny toeran'izy ireo, misy minisitra roa vaovao napetraka ka ahitana an'i : Majeed Al-Alawi avy amin'ny Minisitry ny Asa mankany amin'ny Fonenana ary Dr. Nizar Al-Baharna avy any amin'ny Minisitry ny Raharaham-pirenena sy Raharaham-bahiny lasa mankany amin'ny Fahasalamana. Ny  Minisitry ny Raharahan-tSolika sy ny Entona Abdulhussain Mirza ihany koa dia nomena andraikitry ny Minisitry ny Jiro sy Rano. Nisy minisitra roa hafa niditra ao amin'ny Governemanta niaraka tamin'i Kamal Ahmed eo amin'ny toeran'ny Minisitry ny Fanjakana ary i Jameel Humaidan Mpitantsoratra lefitry ny Asa niakatra ho Minisitry ny Asa.

Natambatra ireo fihetseham-po avy amin'ny media sosialy mba hilazaàna ny kely indrindra:

@hussain_info Mihevitra ny vahoaka any #bahrain fa tsy misy dikany ny fanovana ireo minisitra 4 ho an'ny #feb14 & miandrandra fihetsiketsehina vaovao #lulu #fb

@SamehFoulad على صفحة معتصمي الفاتح على الفيس بوك يوجد الكثير من التعليقات الغير مؤيدة لتغيير وزاري http://on.fb.me/f0TYVw #Bahrain #lulu

Misy fanehoan-kevitra  marobe manohitra ity fanovana ministerialy ity ny pejy Facebook-n'ireo mpanao fihetsiketsehin'i Al-Fateh .

@luluroundabout2 #bahrain #LULU #14feb مو وزيرا الدفاع والداخلية قتلوا ابناء الشعب بدم بارد لماذا لم يقالا عاى الاقل للتظاهر بحسن النية

Moa va tsy namono ny vahoaka tamin-tsy firaharahàna ny Miaramila sy ny Manampahefana? Maninona izy ireny no tsy noroahana fara-faharatsiny mba ho fanehoana fikasana tsara.

@BRNY600 Mihevitra aho fa ny fanoloana ireo minisitra dia mariky ny fikasana tsara … Tsara hoy aho … #Bahrain #Feb14

@Dr_Sadiq التغييرات الترقيعية تؤكد ان النظام لا يزال يضرب على وتر الطائفية وكأن مشكلة المعارضة مع الحكومة مشكلة سنة وشيعة #Bahrain #feb14

Ireo fanovana “manampina” dia mampiseho fa mbola milalao amin'ireo ny lafiny sekta ny fitondrana ary tahaky ny hoe olan'ny ‘Shia vs Sunni’ ny olan'ny mpanohitra.

@mohdashoor misy minisitra 3 nosoloina raha mbola eny amin'ny kianjan'ny Maritiora ireo mpanao fihetsiketsehana #Bahrain, ary nanitrikitrika ny fialàn'ny Governemanta manontolo.

@mahmood تعديل وزاري يطيح بـ 4 وزراء: http://bit.ly/grhEW4 fiatombohana tsara. Amin'izao dia henjeho Attiyatallah sy ny mpiray tsikombakomba aminy, fongory & alao izy ireo.

@emoodz Hita omaly angaha ny Bandergate? en.wikipedia.org/wiki/Al_Bandar… #iwonder #bahrain #lulu

@emoodz Ny fanesorana ireo minisitra telo dia dingana vitan-jaza ho amin'ny lalà-mahitsy.. #justsaying #bahrain #lulu

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.