Libya: Manainga Ireo Mpitsoa-Ponenana Raha Toa ka Tonga Tsikelikely Kosa Ny Fanampiana Amin'ny Maha-Olona sy Ireo Mpanao Gazety

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ny tatitray manokana momba Fitroarana Libia 2011.

Raha mbola mitohy miraikitra amin'ny fitondrana ilay jadon-dahy Libiana Muammer Al Gaddafi, mamono ireo mpanao fihetsiketsehana mijoro manohitra azy amin'ny fomba faran'izay henjana sy feno habibiana tsy fahitra hatrizay, ny laharan'ireo olona mitsoa-ponenana miala an'i Libia kosa mitombo hatrany. Ary raha mitohy miakatra hatrany ny salan'isam-pahafatesana, tonga mitsitaitaika ao amin'ny firenena kosa ny fitondràna fanampiana sy ireo mpanao gazety.

Wounded and dead civilians have been reported in the cities of Al Baida and Bengasi, Libya. Image by Palmina C Appussi, copyright Demotix (19/02/11).

Olon-tsotra nambara fa naratra sy maty tao an-tanànan'i Al Baida sy Bengasi, Libia. Sary avy amin'i Palmina C Appussi, fizaka-manana Demotix (19/02/11).

Ity fantina iray tao aamin'ny Twitter mikasika ny asa fanavotana, amin'ny lafiny iray, ary ny asa fanampiana amin'ny maha-olona sy ny fitsitaitakan'ireo mpanao gazety:

@miguelmarquez: Niala ny seranan-tsambo Libiana ihany nony farany ny sambo mpitatitra olona Maria Dolores ahitàna Amerikana 167 sy olona hafa firenena 118. Fiatoana manaraka ny any Valletta

@aratweets: Rehefa nijanona teny anaty rano hatramin'ny Alarobia, nandao an'i #Tripoli ilay sambo mpitatitra olona Maria Dolores handeha ho any #Malta… Isan'ireo  nalefa taminy ny namako iray. #Libya

@SimonKSayz: Tsara izany na ho inona na ho inona hoy aho. »»»Tambatambazan'i Gande Bretagne ireo mpiasam-bahoaka Libiana mba hanampy amin'ny famoahana an'ireo teratany Anglisy http://bit.ly/fQrKe4

@thomaslydon: @britishabroad Azonao amarinina ve fa nitondra teratany Anglisy 42 niala an'i Tripoli ilay sambo  Amerikana mpitatitra olona Maria Dolores? #Libya

@sunnycoyelkar: Miteny ny governemanta Indiana fa handefa sidina roa isan'andro miainga avy ao Libia mba hamoahana ireo terataniny……..FANANTENANA. FANAVOTANA.

@naveenks: Mitady fanampiana amin'i India i Sri Lanka amin'ny hamoahana ireo terataniny miisa 1200 eo mipetraka manerana an'i Libia http://bit.ly/eY1hVS @acorn

@Refugees: Any amin'ny 22.000 any olona nifindra nankany #Tunisia avy any #Libya hatramin'ny Alatsinainy. Toniziana amin'ny ankamaroany. Fihetsika manohina ny fo, Toniziana manolotra fanampiana, fandraisana mahafinaritra + matihanina

@allawati: Tafapetraka ato amin'ny fitodiam-piaramanidina Alex. Burg al Arab misy Toniziana anjatony nandositra an'i Libia. Nitondra fiara avy any niatsinanana avy any  Benghazi ry zareo mba handray fiaramanidina ho any andrefana ho any Tonizia

@matchbox20: #Qaddafi #Libyan Mandrahona ireo #ejiptiana & #Toniziana tao amin'ny fitodiam-piaramanidina mba hamela azy ireo hiditra fa raha tsy izany dia hosamborina ry zareo #Libya

@Heyett: #Libya. Nanangona fitaovam-pitsaboana sy sakafo ireo Toniziana androany mba hanampiana ny vahoaka Libiana.

@OnlyOneLibya: Tatitra mikasika hatsaram-panahy MAHAZENDANA avy amin'ireo Toniziana manakaiky ny sisintany Libiana ho fanampiana ireo rahalahy/anabavy Libiana. Misaotra anareo!! #Tunisia #Libya

@SallyShafi: Fitaovam-Pitsaboana fandidiaba ilaina ho an'i  #Libya apetraka ao an-kianjan'i  mustafa mahmoud ao mohandessen hiandry ny fitaterana azy.

@tel4rent: Vokovoko Mena avy any Finlande nankany Libia:  Mpiasan'ny fahasalamana telo avy amin'ny Vokovoko Mena avy any Finlande nankany … http://dlvr.it/HZHz0 #charity #tel4rent

@hadeelalsh: miandrandra zavatra toy izay ao Tripoli ” @bencnn manda tsy handray ny volan'ireo mpanao gazety ny tompona tranombarotra ao Benghazi. Faly tsotra izao fotsiny manana anay eto. #Libya

@IHHen: Niditra an-tsehatra ao #Libya avy any #Egypt ny tariky ny IHH miaraka amina dokotera 35 ny fanampiana amin'ny maha-olona hanampiana ny mponina sy ny mpizahatany

@Dima_Khatib: Tsy avelan'ny fitondrana handrakotra ny zava-mitranga ao Tripoli sy ny famoretana ataony amin'ireo mpanao fihetsiketsehana ny mpanao gazety vahiny #Libya #feb17

@alexialia: Faritra misy ady amin'izao fotoana ny seranan-tsambon'i #Benghazi, #Libya. ” Fihinin'ny olona aho ho fisaoran'izy ireo ny mpanao gazety amin'ny fandrakofana ny vaovao ataon'izy ireny”

@maqam: Loharano avy any ifotony ao #Libya: Fanadiovana faobe izao ao #Tripoli no ataon'ireo hery mpomba an'i #Gaddafi mialoha ny hahatongavan'ireo mpanao gazety vahiny. #Feb17

@pressfreedom: Ao #Libya, Saif al-Islam milaza fa misokatra ho an'ireo vahiny mpanao gazety ny firenena. Avy eo tafihany ny mpampahalala vaovao Arabo. http://bit.ly/gVVyIf #Feb17

@lucyproctor: leo mamaky ireo mpanao gazety/tonian-dahatsoratra mitanisa ny fidirany ao Libia – ambarao anay fotsiny izay tena zava-mitranga, asanareo ny miditra any

@nazaninemoshiri: #Libya #Tunisia: Tafaverina eto amin'ny sisintany ar Ras Jedir. Tsy mbola misy fahafahana miditra ho an'ny Mpanao gazety aloha.

@yassayari: #Libya: namoaka fatwa ireo #Cleric [mpitarika fivavahana] handraràna ny fanarahana ny fantsona fahitalavitra toy ny #AlJazeera. http://bit.ly/gVVyIf #feb17 [Avy amin'ny mpandika : ny fatwa dia toy ny didy ara-pivavahana avoakan'ireo mpitarika]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.