Bahrain: Fanajàna ny Andro Fisaonana

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ireo tatitray manokana momba ny  Hetsi-panoherana Bahrain 2011.

Ny Zoma (25 Feb) dia nambara tamin'ny fomba ofisialy ho  ‘Andro iray Fisaonana‘ an'ireo maritiora rehetra lavo nandritra ny Hetsi-panoherana tamin'ny Andron'ny Hatezerana ho an'i Bahrain, izay nanomboka tamin'ny 14  Febroary 2011.

Ilay mpitoraka bilaogy Mahmood Al-Yousif no mamerina tsiahy amin'ity andro fisaonana ity amin'ny alalan'ny lahatsorany farany:

Ndeha isika hitsahatra kely monja ka hisaotra azy ireny tamin'ny sorona nataon-dry zareo. Ary hanantena fa tsy ho very maina ny rà narotsak'izy ireo ka hanova ity firenena ity ho tsara kokoa ho an'ny isam-batan'olona monina eo aminy. Maty niady mba hahafahantsika miaina izay zo fototra maha-olona izy ireny: hiaina am-pahamendrehana. Miaraka amin'ny fanajàna ny zo maha-olombelona, ara-politika ary ara-toekarena. Ho an'ny lalampanorenana midi-droa izay mamaritra ny fifandraisan'ny governemanta amin'ny vahoaka. Ho an'ny fitovian-jo. Ho an'ny mangarahara. Ary ho an'ny famongorana ny kolikoly.

Ho an'ny fitovian-jo. Ho an'ny mangarahara. Ary ho an'ny famongorana ny kolikoly.

Mipao-tsatroka azy ireny sy izay efa nialoha làlana an-dry zareo aho.

Handry am-piadanana anie ry zareo, ary ity firenena ity sy ny vahoakany mba tsy hanadino azy ireny mandrakizay. Manantena aho fa ho voasokitra  mafy amin'ny Perla ao amin'ny àty lalin'ny ara-panahin'ny hetsika ny anaran'izy ireny ka dia tsy ho adino na oviana na oviana.

Mitafy mainty sady mamaky na mihaino Korany Masina no isan'ny mariky ny vanim-potoana fisaonana manerana ny Tontolo Silamo.

@GhadeerAlDaaysi جمعة الحداد على أرواح الشهداء، اتمنى من جميع البحرينيين الاتشاح بالسواد. #Bahrain #UniteBahrain

Ny Zoma dia andro iray hisaonana ny fanahin'ireo maritiora, manantena aho fa hitafy mainty daholo ny Barhainis rehetra

Ny Fampielezam-peo sy Fahitalavi-pirenena ao Bahrain dia nanamarika ilay andro fisaonana tamin'ny fandefasana fandaharana momba ny Korany sy ny Silamo.

@SuhailAlgosaibi شئ جميل ان يذاع القرآن الكريم في الراديو. Aleo tara toy izay tsy misy. #Bahrain #feb14 #lulu

Zava-dehibe ny fandefasan-dry zareo Korany ao amin'ny Fampielezam-peo

@JustNawaf (On Bahrain TV) @yslaise fifandimbiasan'ny fandaharana ara-pivavahana sy ny Korany (hatreto) #Bahrain #Lulu #Feb14

Kiriko sy sorena noho ny tsy fahampian'ny fandrakofam-baovao mikasika ny hetsik'ireo mpanohitra governemanta ao amin'ny Fahitalavitra Bahrain TV, maro ireo mpanao fihetsiketsehana no manontany tena raha hanomboka mba hanangona vaovao mikasika ny diaben'ny maritiora io Zoma io ry zareo.

@BAHRAINIAC Nihevitra aho fa hoe andro fisaonana ofisialy nambaran'ny governemanta ve izy iny? Taiza ny BTV no tsy nandrakotra ny hetsika ho an'ireo maritiora? #bahrain #feb14

Na dia tsy nandrakotra manontolo ny diaben'ny maritiora aza, dia mba nandefa ampahan-tsary tamin'ilay diaben'ny maritiora ihany ny BTV tamin'ny fampahalalam-baovaony:

@Othman_Janahi Tsara izany ry BTV.. Mba nalefan-dry zareo tamin'ny fampahalalam-baovao ny diaben'ny androany..

Ho an'ilay diaben'ny maritiora manokana, ilay mpitoraka bilaogy, Redha Haji, tao amin'ny Flickr, dia nampakatra tahirin-tsary  mandoko ny hetsika manontolo tamin'ilay diabe , izay nizotra am-pilaminana. Nanomboka tamina toerana roa samy hafa ilay izy (Seef Mall sy ny sampanan-dàlana Salmaniya ) mankany amin'ny Fihodinana  Pearl (Lulu).

Martyrs' March from Salmaniya towards Pearl Roundabout courtesy of Redha Haji's Flickr

Martyrs

Ny Pejy Facebook -n'ny Bahrain Youth Initiative [ar], fandraisana andraikitra iray nataon'ireo tanora ao Bahrain hanandratana ny fampihavanam-pirenena sy ny fifampiresahana ary ny fifanakalozan-dresaka dia niantso famangiana hatao amin'ireo fianakavian'ny maritiora sy hitondràna ny teny fiaraha-miory amin'ny Sabotsy.

تنظم مبادرة شباب البحرين زيارة إلى أهالي ضحايا الاحداث الاليمة يوم السبت الموافق ٢٦ فبراير في الساعة ال ٤ عصرا حيث ستكون نقطة التجمع في مواقف مجمع سترة ومن يرغب بالمشاركة الالتزام بالوقت المذكور
للاستفسار ٣٩٢٦٢٦٦٥
info@bhryi.com

Ny Bahrain Youth Initiative dia mikarakara famangiana ireo tra-doza tamin'ireo hetsika nitranga tato ho ato amin'ny Sabotsy 26 Febroary amin'ny 4 ora tolakandro..

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ireo tatitray manokana momba ny  Hetsi-panoherana Bahrain 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.