Libya: “Roso toy tsa mimpody intsony”

Mbola mitohy ny rotaka rehefa nihoatra ny herinandro ny hetsi-panoherana mihantsy ny mpitondra Kolonely Gaddafi sy ny famoretana henjana dia henjana ataon'ny mpitondra amin'ny mpanao fihetsiketsehana.

Milaza izany manontolo ny sioka iray avy amin'i @LaraABCNews:

Miankina amin'izay misy anao eto #Libya no mety ho milamina na mikorontana ny faritra misy anao – miteny ny olona any Benghazi fa efa miverina miasa ry zareo, misokatra ny banky sy ny supermarkets.

Nitatitra ny CNN ny fisian'ny fivoriana lehibe ao amin'ny tanàna faharoa lehibe indrindra, dia i Benghazi sy ny fivoahana eny amin'ny kioska ny gazety vaovao laharana voalohany tao amin'ity tanàna ity.

Hafa tanteraka kosa ny tantara ao an-drenivohitra Tripoli, izay lazaina ho toera-pamaharana farany mampatanjaka ny fitondrana naharitra efapolo taona an'i Muammar Al Gaddafi.

@LaraABCNews: Hafa avy any #Tripoli: Vono-olona ny any…mila ny vahoaka manerantany hiara-mihiaka aminay izahay. Manampy antsika Andriamanitra, matahotra fatratra ny zanako

@bencnn: Mpanamory fiaramanidina mpiady Libyana iray no niteny tamiko ny fitantaran'ny mpanamory namany iray any amin'ny toby akaiky an'i #Tripoli fa vonoina izay mpanamory mandà baiko. #cnn #Libya #feb17

@AliTweel:Any #Tripoli manana namana roa nanjavona aho efa telo andro izao, miangavy mba hivavaka ho azy ireo. Feb17

@LaraABCNews: izao no lazain'ny vehivavy iray miresaka momba an'i #Tripoli: Aiza ny Firenena Mikambana? Tsy mila sazy izahay…mila olona hanajanona ny famonoana izahay.

Raha manomboka miely ao Tripoli ny tafika dia nampanantena tao amin'ny kabariny i Gaddafi fa hanadio an'i Libya “isan-trano.”  Na dia izao aza, raha ny marina, ny ora farany ho an'ny fitondran'i Gaddafi, tena mampitaintaina ny ora. Indrindra ho an'izay manana fifandraisana any Libya.

@Cyrenaican: nihalehibe tany amin'ireo olona manana havana maty ireo aho. Nigadra tany Libya ny raiko. Voakasika tsy misy anavahana ny fianakaviana rehetra

@Cyrenaican: 42 taona no toy izany. Ny tena biby tsy miantra eo am-pamonoana. 42 taona tao anatin'izany hasiahana, fampijaliana sy fandrasarasana izany.

@AJELive: solontenan'i AJE any Libya no mitatitra: Tsapan'ny olona fa “tratra ny fenitra roso toy tsa mimpody intsony” http://aje.me/hVJqZr #aljazeera #libya #feb17

Ny alakamisy 24 Febroary 2011 dia heno fa faritra maro ao amin'ny firenena no eo ambany fitantanan'ny mpanohitra manao fihetsiketsehana sy ny vondro-tafika nitsoaka an-daharana. Manomboka manangona tahirin-kevitra momba ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ataon'ny tafika manoa an'i Gaddafi ny olona.

Raha tsy jerena izay eritreretinao momba ny fahombiazan'ny valan-tserasera [media sosialy] amin'ny fandaminana sy ny famelomana ny tolona nanerana ny “Afovoany Atsinanana” [faritra arabo], ireny fitaovana ireny, miaraka amin'ny fitaovana analozika sasany dia efa nanaporofo ny ilàna azy amin'ny fanangonana tahirin-kevitra mikasika ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona.

Araka ny fanazavan'ny tweep iray amin'ny tontolo ivelany:

@ChangeInLibya: To Media: despite the fact some alarming info u cud get is fake, remember, it could be true. Never ignore anything you get outright

Ho an'ny gazety: na dia mety ho diso aza ny vaovao manaitra sasany voarainareo, tsarovy, mety ho marina iny. Aza misy tsinontsinoavina izay azonareo any ivelany any.

Indreto ny tatitra vitsivitsy ao amin'ny Twitter:

@marwame: RT @mohamedmesrati: Nanafika ny moskea any Zawiya tamin'ny bala fitifirana voromby ny mpanohana an'i Qaddafi http://j.mp/fdzHmI #libya #feb17

@monaeltahawy:Momba ny isan'ny maty any Zawia RT f@feblib 14 voamarina, io no azoko farany, io no tanànako #Libya

@libyanexpat: @lebandrej mampiasa balafomanga ry zareo itifirana moske ary dia misy ny fanafihana tsy mijanona avy eny an-habakabaka sy an-tanety.

@BBCKimGhattas: vehivavy britanika nandositra an'i #Libya tamin'ny alalan'ny seranam-piaramanidina, nolazain'io vehivavy io fa mandevina 20 ka hatramin'ny 30 isan'andro amin'ny mpiara-monina azy manodidina izy.

@SultanAlQassemi:Tifina lehiben'ny fiaraha-monina Toaregy any Britaina Akli Chakka amin'i Al Arabiya: Namono miaramila Libyana 185 ny vondro-tafika Khamis sy ny Saif (Gaddafi) #Libya

Naka endrika lahatsary kosa ny fakana tahirin-kevitra.

ity lahatsary nampidirin’ ibntarabulus ary natsangan'ny vondrona One Day on Earth, dia mampiseho fandevenana faobe any Tripoli.

Ity lahatsary (MAMPIHORONKODITRA), antsoina hoe “Miaramila Libyana ao Derna novonoina fa tsy namono ny havany” dia nampidirina tao amin'ny Youtube avy amin'i MeddiTV tamin'ny alarobia 23 Febroary 2011. Mampiseho eo ho eo amin'ny miaramila miondrika 30 eo ny lahatsary, maro amin'izy ireo no mifatotra ny tanany. Notifirina izy rehetra, ny sasany imbetsaka.

Ity lahatsary (MAMPIHORONKODITRA), antsoina hoe “Miaramila novonoina – Sirt Libya (Nandà ny hitifitra ny mpiray tanindrazana aminy) جنود تم اعدامهم ,” mampiseho ihany koa izany.


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.