Jordan: Voavaly ny fangatahana hamaly an'i Libia

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ny Fikomian'i Libia 2011 ity lahatsoratra ity.

Nandritra ireo Fihetsiketsehina marobe niseho tany Tonizia ary avy eo tany Ejipta, nanao fihetsiketsehina tamim-pirahalahiana ireo Jordaniana, ary namoaka bilaogy maro sy tweet tsy voaisa intsony momba ireo hetsika ireo. Tsy niavaka tamin'ny modely ny fikomiana tany Libia; Namerina nitoraka tweet fampahalalam-baovao tsy ankiato ireo Jordaniana mikasika ny fikomiana Libianina ary naneho ny fanohanan'izy ireo ny vahoaka Libianina. Ny 22 Febroary, satria nihanitombo ny herisetra tany Libia, nanomboka nanontany tena ireo Jordaniana ny amin'ny nahatonga ny governemantany tsy namoaka valin-teny manameloka ny Filoha Libianina Muammar al-Gaddafi.

Nanoratra i Ahmad Omari:

#ReformJo Ny fanginan'ireo governemanta arabo rehetra sy izao tontolo izao mikasika ny fandripahana miseho any Libia ataon'ny adala Gadhafi sy ny zananilahy dia FAHAFAM-BARAKA

Niasa i Diana Arja mba hanalavitra ny tenany amin'ny fahanginan'ny governemanta:

أنا مواطنة اردنية لا يشرفني ولا يمثلني ولا يعبّر عني سكوت حكومتي عن مجزرة ليبيا
Mpnina Jordaniana aho; tsy manisy voninahitra ahy ny fanginan'ny governemantako, tsy misolotena ahy manoloana ny fandripahana misy any Libia

Nametraka ny fanontaniany tany amin'ny Minisitry ny Raharaha Ivelan'i Jordana, Nasser Judeh i Samih Toukan:

Ry Minisitry ny Raharaham-bahiny Jordaniana @nasserjudeh maninona ianao no mangina momba ny fandripahana any #Libya ? #reformjo

Ruba Abu-Laban dia isan’ ireo niara-niombon-kevitra tamin'ny fanontanian'i Toukan:

Samy nanontany izany isika hatramin'ny maraina kanefa tsy misy valiny RT @samihtoukan @nasserjudeh maninona ianao no mangina eo anoloan'ny fandripahana any #Libya? #reformjo

mitaraina i Razan Khatib:

Ny media sosialy ihany no fomba ahafahana mampiseho ny firahalahiantsika miaraka amin'ireo vahoaka afaka manerana izao tontolo izao satria ny governemantantsika dia mangina. #Libya #ReformJo

Manome ny mety ho fanazavana eo amin'ny fanginan'ny governemanta i Suleiman Bakhit:

Ny zava-dehibe voalohany eo amin'ny governemanta dia ny 10k #Jo ireo vahoaka any #Libya, manameloka an'i #Qaddafi amin'izao dia mety hampidi-doza azy #reformjo

Ary, nahazo valiny ny fanontanian'izy ireo, avy amin'ny kaonty twitteran'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Judeh. He replied:

ny toeranay eo amin'ireo tranga mampalahelo any Libia dia tena mazava. Ny voalohan-daharana dia ny fiarovana ny aina sy ny fiverenan'ireo Jordaniana aty #jo #reformjo

Tsy ela, namoaka taratasy mikasika ny fandavana ny herisetra Libiana i Jordania.

Ali Abu-Nimah dia anisan'ireo voalohany nitoraka tweet ireo vaovao:

Manameloka mafy ny Fanafihan'i Libia ny vahoaka sivily, miteny fa mandika ny lalàna iraisam-pirenena izy ireo (AR) http://t.co/foMgaKX #JO #ReformJO

Manohy mitoraka tweet amim-pirahalahiana miaraka amin'ireo Libiana ireo Jordaniana ao amin'ireo teny fototra #feb17, #libya ary ny teny fototra momba ny fanavaozany manokana, #reformjo.

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ny Fikomian'i Libia 2011 ity lahatsoratra ity

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.