Djibouti: Hanjary Ho Ejipta Iray Hafa ve?

Nisy fihetsiketsehana tao Djibouti nanoherana ny Filoha Ismail Omar Guelleh izay nisolo ny dadatoany Hassan_Gouled_Aptidon tamin'ny 1999. Somaliland Press mitatitra fa mpanao fihetsiketsehana 300 no nihetsika tao akaikin'ny lapan'ny governemanta tamin'ny Zoma.

Jones milaza fa tsy vitany ny tsy hanoratra mikasika ny toe-draharaha politika misy ao Djiboti ankehitrio:

Tsy dia nanoratra betsaka loatra mikasika ny toe-draharaha ankehitrio eto Djibouti aho, noho ny antony maro, saingy tsy nosainiko mihitsy koa ny hahavita hiala amin'izany mandritra ny fotoana ela. Miaraka amin'ireo tranga any Tonizia, Ejipta, Yemen, Jordania, Bahrain, Alzeria… toa sahala amin'ny mitsoka eny amin'ny rivotra ny tazon'ny fanoherana ary tsy afa-bela amin'izany i Djibouti.

Efa niainantsika ny fitokonana fony ny mpianatra tsy faly tamin'ny mpampianatra, tsy fahampian'ny fitaovana na ny fahaiza-manaon'izy ireny.  Efa nisy ihany koa fihetsiketsehana madinidinika tsindraindray mikasika ny resaka ara-politika na raha sendra tsy tonga ny fiaramanidin'ny qât [Avy amin'ny mpandika: tsy mazava ity qât ity na ilay zava-maniry fitsakon'ny olona ny raviny, na ilazana hoe avy any Qatar]. Saingy tao anatin'ny fito taona niainanay teto, tsy dia nisy zavatra lehibe loatra nety ho navesa-danja tokony hahataitra, fa dia izay sahaza mba hijanonanay ao an-trano rehefa tolakandro, na ny tahakahaka an'izay.

Nisy olona niteny taminy (Jones), “tsy milamina i Djibouti androany, ndeha mody”:

Misy fihetsiketsehana voaomana androany, zavatra toa hanomboka aorian'ny amin'ny 2 ora tolakandro. Aleonay misafidy tsotra izao ny hijanona an-trano. Ny hany fahasamihafàna hitanay taty aoriana kely nanodidina ny tanàna dia ny fitomboan'ny isan'ireo polisy, feno vato tsy toy ny mahazatra ny làlana ary io maraina io raha iny izaho mihazakazaka ary i Henry mivoy bisikilety manerana ny tanàna iny dia haolo ny manodidina, nisy olona niteny taminay, “tsy milamina i Djibouti androany, ndeha mody.”

Daniel McCurry, mpitoraka bilaogy iray monina ao Djibouti, dia nampakatra lahatsary iray avy amin'ireo hetsi-panoheran'ny mpianatra tsy ela akory izay sady manoratra hoe, “andro faha-2 amin'ny fanoherana sy ny famoizana aina”:

Tany anaty café iray aho iny alina iny nijery ny vaovao momba an'i Djibouti ary nasehon-dry zareo tao ny sarin'ireo fiara tsotra sy ireny tsy mataho-dàlana ireny voadotra. Nisy  fitahirizan-tsolika nisy nandoro mihitsy aza. Namana iray hafa no nilaza tamiko fa nisy fifandonana tamin'ny polisy hatramin'ny manodidina ny tamin'ny 1 ora maraina iny alina iny. Tao Belbela izay vao tafavoaka kely monja ny tanàna dia nisy tora-baton'ireo mpanao fihetsiketsehana nanoherany ny polisy iny maraina iny. Miato daholo amin'izao ireo sekoly rehetra afa-tsy ny Anjerimanontolo. Vitsy ireo tonga nianatra androany tany amin'ny anjerimanontolo, maro ireo mpianatra no nijanona tany an-trano noho ny zava-nitranga ny omlay sy andoany.

Harawo dia nandefa fanambaràna iray avy amin'ny ‘Union for Democratic Transition’ – Firaisankina ho an'ny Tetezamita Demaokratika:

Mitohy ireo hetsi-panoherana, tsy hoe ao an-drenivohitra ihany, fa hatrany amin'ireo tanàna sy fokontany maro. Nampiomanina izahay fa mety hanomboka aloha be izany tamin'io maraina io Yoboki Ali Sabieh, Dikhil Obock ary nilaza hevitra toa an'i Djibouti sy Tadjourah omaly, dia mizaka tsindry mavesatra koa ankehitriny.

#Djibouti Mandefa Tweets:

@amanamongmen milaza hoe:

Vaovao mivoaka avy ao  Djibouti. Raha fantatr'izy ireo izay mahasoa azy, dia ho efa navotsony ilay mafana fo nofonjain-dry zareo noho ny hetsika fanoherana ny fitondrana.

@texasinafrica tsy mahavita manaraka intsony ny fitroarana:

Moramora kokoa raha iray isaky ny mandeha no misy hetsika sosialy mitranga. Gabon, Libya, Djibouti, Cote d'Ivoire – tena tsy arako intsony.

@FelixPax namerina nandefa tweets:

@acarvin RT @Sentletse: niaina ny anjara hetsiky ny mpandàla demaokrasiany i #Djibouti izay vinavinaina ho nisy mpandray anjara hatramin'ny 30,000 teny an-dalambe ny Alahady teo

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.