Tontolo Arabo: Adihevitra Goavan'ny Fampitam-Baovao Sosialy

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ireo tatitra manokana ataonay momba ny :

Efa am-bolana raha ny fijery azy no mafotaka ny adihevitra momba ny anjara toeran'ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra tamin'ireo fihetsiketsehana.  Tsy ela akory izay, nifantoka tamin'i Tonizia sy Ejipta izany adihevitra izany, izay ny tranonkala toy ny Facebook sy Twitter no tena nitàna toerana lehibe tamin'ny fandrindràna ny hetsika. Saingy ankehitriny, raha toto afo ny hetsika any Libia sy Alzeria– firenena roa izay ahitàna taha ambanin'ny  15% raha ny fidirana amin'ny aterineto ary somary maivana ihany ny toerana noraisin'ny fampahalalam-baovao sosialy–dia efa manomboka miova ny adihevitra.

Nomena toerana lehibe ny adihevitra teo amin'ireo avarapianarana sy ireo mpandraharaha, saingy ny adihevitra mitranga eny anivon'ny tsirairay any anaty bilaogy sy Twitter any, izay amin'ny ankamaroany dia miditra ao anatin'ireo antsoina hoe “revolisionan'ny fampahalalam-baovao sosialy”, dia tsy tokony hodian-tsy hita mihitsy.

Omaly, adihevitra tahaka izany no nipongatra tao amin'ny Twitter.

@TheMoorNextDoor, izay ny biloginy dia tena loharanom-baovao goavana mikasika an'i Alzeria sy Maghreb amin'ny ankapobeny, dia mandefa bitsika hoe:

Libia: dia mampiseho [mikasika] ny tena maha fitroaran'ny Arabo ny fitroaran'ny Arabo tokoa, fa tsy hoe fanavaozana ny mombamomba ny tena na aingam-panahy avy any amin'i  Zuckerberg

Manohy izy:

Tsy ny fandefasana “poke” ho azy ireny avy amin'ny Facebook akory no hanonganan'ny Arabo ny mpanao jadona, na famenoana ny kaonty Twitter-ndry zareo amina hafatra mampitahotra

Ireo vahoaka noana, natao tsinontsinona, mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy no nanao ny revolisiona fa tsy ny Facebook

Tsy haheno an-dry zareo na oviana na oviana isika hiteny hoe: “Mark Zuckerberg no nitarika ny revolisiona Libiana”

Itariny amin'ny fampidirana an'i Alzeria ny fanamarihany:

Ny Alzeriana tsy nisedra olana tamin'ny fikarakaràna, na fakàna aingam-panahy ho amin'ny hetsi-bahoaka [satria] tsy nanana fahafahana miditra mora amin'ny Facebook ry zareo

Ary manampy hoe:

Manampy mitondra hafainganana & famakiana mazava ny zava-mitranga ny fampitam-baovao sosialy saingy tsy manova ny fototra na ny maha-izy ny tolon-dry zareo

@Alaa Ejiptiana mafana fo sy mpitoraka bilaogy  dia miditra an-tsehatra fa hoe:

@themoornextdoor ampiasaintsika izy io amin'ny politika/fandraisana anjara mavitrika/revolisiona tsy ho anà antony nolovaina avy tany amin'ny fototra, fa fotsiny satria efa nampiasa azy io isika

Manampy izy:

@themoornextdoor Manampy tosika ny fanoherana ny revolisiona koa io mba hanely tsaho sy tahotra fandrebirebena, tsy vahaolana amin'ny zavatra rehetra akory ny fampitam-baovao sosialy, fa dia efa izao aloha no izy.

@Grace8ming manolotra toro-hevitra vitsivitsy:

@themoornextdoor @alaa izay indrindra no maha-zava-dehibe ny tokony hilazàna hoe revolisiona nataon'ny vahoaka izy ity fa nampiasàna ireo FITAOVANA fampitam-baovao sosialy… 🙂

@Niallkingsx manana fanontaniana iray:

@themoornextdoor Angamba afaka mihambo ho nanainga revolisiona ny sasantsasany amin'ireo mpampiasa fampitam-baovao sosialy; tsy toy izany ireo sehatra ifaneraserana, sa tsy izany?

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ireo tatitra manokana ataonay momba ny :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.