VAOVAO MAFANA Bahrain: Mihamafy ny fitifirana any amin'ny renivohitra

Ampahany amin'ny  tatitra manokana ataonay ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011 ity lahatsoratra ity.
Nirotsaka tao amin'ny Twitter ireo tatitra mikasika ny fitifirana tany amin'ireo toerana samy hafa tany Manama renivohitra ny harivan'ny Zoma. 18 Febroary 2011. Ny lahatsary manaraka dia nakarin'i habib2day tao amin'ny Youtube ary mampiseho ireo mpanao fihetsiketsehana naratra taorian'ny fanafihana.

Ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter no nalaky nivoaka indrindra

@angryarabiya Nony nody ny masoandro, an'arivony maro no voatafiky ny mpitandro filaminana mpandrava fikomiana, ary avy any an-tafon-tranon'ireny trano avo ireny izy ireo no nifititra ! #bahrain #bahrein #feb14

@leildehati Tena akaiky ny salmaniya ny zanaky ny iray tampo amin'ny raiamandreniko. Maheno ireo fitifirana izy!!!!!! #bahrain

@emile_hokayem Sendra nifanena tamina vondron'ireo mpanohitra aho nankany amin'ny toerana misy ilay tifitra. Miteny izy ireo fa mitifitra mivantana avy eny an'habakabaka ny miaramila.

@rym86 Feom-basy any ivelany #Smc .. Hetsi-panoherana noho ny maha-olombelona no atao. #Bahrain #feb14

@SuadAK Atsaharo ny fandatsahan-drà #Bahrain

@BAHRAINIAC Mitifitra ireo mpanohitra ao #LuluRoundabout ny Miaramila #BDF #Lulu #Feb14 #Bahrain fotoana fohy lasa izay!!!

@FreedomPrayers Mbola mitifitra ihany !! 17:38 #bahrain

@rayyash
نداء الى كل من يملك ذرة إنسانية شعب البحرين يتم تصفيته

“Miantso ireo rehetra manana fon'olombelona na dia bitika aza, rotika ny vahoakan'i Bahrain”

@BAHRAINIAC Ireo fitifirana, fifandonan'ny mpanohitra sy ny mpitandro fiaminana. Mivavàha mba tsy hisy hiharam-boina. #Feb14 #Bahrain #PearlRoundabout

@ba7ari Eo akaikin'ny salmaneya, eo akaikin'ny lulu, mitifitra an'ireo mpanohitra amin'ireo basy marovava ny mpitandro filaminana #bahrain #feb14 #hrw #un #eu

@DanaTaqawi Mivavaha mba tsy hisy ny hiharam-boina #pray #pray

@hadeelalsh: Mitifitra amin'ny bala tena izy amin'ny fitaovana fitifirana fiaramanidina avy amin'ny APC mankany amin'ireo mpanao fihetsiketsehana #bahrain

@hadeelalsh Nitondra voninkazo ireo mpanohitra ary nilaza fa tian'izy ireo homena ny mpitandro filaminana izany. Nefa dia notifirina izy ireo ho setrin'izay. Feno rà ny tanàna amin'izao fotoana #bahrain

@MayMarzooq ATSAHARO NY FAMONOANA IREO BAHRAINIS. #Feb14 #BahraiN

@alialsaeed Tena tsy mino aho! Manafika vahoaka TSY MITAM-PIADIANA ve ny MIARAMILA?!

@FreedomPrayers Fiara mifonovy an'ny MIARAMILA manohitra vahoaka tsy mitam-piadiana amin'izao fotoana izao any sanabis #bahrain

@FreedomPrayers Mbola mitohy ny fitifirana 17:45 #bahrain

@Halsitra
صديقي اتصل من الدوار يقول الطائرات تطلق النار و عدد من القتلى

“Niantso ahy ny namako avy any amin'ny Fihodinana (LuLu) ary mitifitra bala fingotra ireo fiaramanidina ka maro ny fahavoazana”

@FreedomPrayers Mbola mitohy ny fitifirana #bahrain 17:50

@khalidbmm #bahrain #usa #uk #14feb D nampiasa bala tena izy  ny miaramila mba hamonoana ireo mpanohitra aiza ilay hoe tontolo afaka  amin'ity Vono olona vaovao ity

@FreedomPrayers
Voamarina ny maritiora voalohany tamin'ny feb18 . Voatifitra teo amin'ny lohany #bahrain via @Wefaqsociety

@FreedomPrayers mbola mitohy hatrany ny fitifirana 18:01 #bahrain

@AliFingerz very fanantenana aho amin'ny fombantsika sy ny toerana nisy azy taloha… Sahala amin'ny hoe miaina anatin'ny andro fahagola isika ankehitriny…

Ampahany amin'ny  tatitra manokana ataonay ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.