Bahrain: Feno maratran'ny rondpoint Lulu ny hopitalibe

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011 ity lahatsoratra ity.

Taorian'ny famelezana vao mangiran-dratsy tany amin'ny rondpoint Lulu, ivotoeran'ny hetsi-panoherana manohitra ny governemanta nanomboka ny 14 Febroary 2011, maro ireo naratra nalefa maika tany amin'ny hopitalin'i Salmaniya. Olona telo no maty tamin'io andro io.

Tsy ampy fitaovana ny hopitaly amin'izao fotoana izao, noho ny  fitomboan’ isan'ireo mpanohitra maratra. Misy ny antso avo ho an'ireo izay afaka manome rà ho an'ny maratra.

@BahrainRights Disturbing photo of an injured person in Salmanya hospital “@maryamalkhawaja: http://yfrog.com/h0kkwdmj” #Bahrain (Click for full image)

@BahrainRights sary mampiahiahina mpanohitramaratra iray tao amin'ny hopitalin'i Salmanya “@maryamalkhawaja: http://yfrog.com/h0kkwdmj” #Bahrain (Tsindriho raha te-hahitany sary feno)

@qassoom Manao antso avo ho an'ireo izay afaka hanome rà ireo maratra any amin'ny #LuluRoundabout #Feb14 #Bahrain #Lulu

@ST_Cyclone #Bahrain ANTSO AVO HO AN'IREO IZAY AFAKA HANOME RA! ANTSO AVO HO AN'IREO IZAY AFAKA HANOME RA! ANTSO AVO HO AN'IREO IZAY AFAKA HANOME RA! ANTSO AVO HO AN'IREO IZAY AFAKA HANOME RA

Nandritra ny fotoana nanoratana, misy ireo tatitra sasany nivoaka tao amin'ny Twitter milaza fa mamahatra manodidina ny hopitaly ny mpitandro ny filaminana ary misy mitsitapitapy ny fifandonana.

@MazenMahdi Nisy fifandonana mafy manodidina ny hopitaly milaza fa mpitandro ny filaminana iray no maty #Bahrain #feb14

@nadooi_wish Voahodidina mpitandro ny filaminana ny(Hopitaly Salmaniya )!! Voasakana daholo ireo lalana mankany amin'ny #luluroundabout!

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.