Bahrain: Niteraka Haromontana sy Tsy Fitokisana ny Vaovao Mikasika Ilay Fanafihana Tamin'ny Vao Mangiran-dratsy

Ampahany amin'ny tatitray manokana mikasika ny hetsi-panoheran'i Bahrain taona 2011 ity lahatsoratra ity.

Raha nifoha maraina handeha hamonjy ny toeram-piasana ny vahoaka rehetra manerana an'i Bahrain androany (Alakamisy faha 17 Febroary, 2011) dia taitra raha naheno vaovao mikasika ny fanafihana nataon'ny mpitandron'ny filaminana tamin'ny andro vao mangiran-dratsy an'ireo mpanohitra ny governemanta izay nilasy tao Fihodinan'i Lulu renivohitr'i Manama.

Nitobaka ny fanehoana haromontana, tahotra sy tsy finoana ny zava-nitranga tao amin'ny vohikalan'ireo tambazotra sosialy Facebook sy Twitter:

@MrsNadiaCarter Malahelo aho raha maheno fa nanafika ireo mpanohitra tao anatin'ny torimasony tamin'ny andro vao nangiran-dratsy ny mpitandro ny filaminana mpandrava korontana…miangavy anareo hanome fanazavana mikasika  izany  @moi_bahrain #Bahrain

@baderkamal Tsy manao endrika faneriterena aho, fa mba miandry fanambarana ato amin'ny Twitter  avy amin'ny mpikambana sasatsasany  ao amin'ny fanjakana na ny fanjakana iray manontolo mihitsy aza .

@SaudAlbuainain Fampiasan-kery- tsy valinteny izany!

@Salmaaaaaaaaaan Raha mikatsaka ny fahamarinana isika .. dia tokony hampiseho fihetsika ara-drariny .. hampanjaka hatrany ny filaminana .. sy hitandroana ny firaisankina .. izay hampamirapiratra ny ho avy ..

@BAHRAINIAC Inona no manjo ny firenentsika? Tena tsy mahita hambara aho. #Bahrain #Feb14

@M_Sharaf Mba tsongoy aho azafady. Tsy te hiaina ato anatin'ity nofy ratsy mampatahotra ity aho. #Bahrain

@ahmedalsairafi Mivavaha ho an'ny fanahin'ireo  rehetra maty androany, ary mivavaha ho an'ny firaisankina #bahrain #feb14

@haythoo الشهيد خضير كان يجلس بالقرب منا بالمغرب،كان يمسك بإنبوب المياه لمن يريد الوضوء أو الغسيل،حين شاهدت صورته لم استطع تمالك نفسي #Bahrain #14Feb

“Nipetraka teo akaikinay ilay maritiora antsoina hoe  Khudair (lahiantitra 52 taona namoy ny ainy tamin'ny fanafihana) talohan'ny fivavahan'i Maghrib, nitazona fantsona malemy fandefasana rano izy natokany ho an'ireo izay te handio tena ara-pivavahana na ny fandroana, raha nahita ny sariny aho (tany amin'ny toby fitsaboana) dia nalemy ny vatako iray manontolo” ZZZZZ

Nanoratra tao amin'ny bilaoginy ilay mpitoraka bilaogy Mahmood Al-Yousif :

Tsy misy toerana ho an'ny fifanakalozan-dresaka mihitsy ao Bahrain amin'izao fotoana izao.

Izay toerana aleha rehetra dia ahitana herisetran'ny governemanta avokoa izay tsy mitsinjo ny vahoakany.

Nosoloin'ny feom-basy sy setroka mandatsa-dranomaso ny fifanakalozan-dresaka, efa anjatony ireo polisy mpandrava korontana nampiseho herisetra tafahoatra izay tsy mbola fahita firy tamin'ireo olon-tsotra tsy mirongo fiadiana .

Izany no nianjady tamin'ireo olon-tsotra tsy mirongo fiadiana tao anatin'ny torimasony – lehilahy, vehivavy, ankizy, lahiantitra sy vaviantitra – izay nitoetra tao amin'ny fihodinan'i Pearl tamin'ny andro vao mangiran-dratsy teo .

Mety ho voavela ny tsirairay avy amin'izy ireo raha nandray ny andraikiny farafaharatsiny eo anatrehan'ireo izay manatrika eto, sy ny fianakavian'ireo olona maherin'ny efatra izay notifirin'ireo polisy mpandrava korontana  teo amin'ny Fihodinana androany maraina, tsy ny governemanta ihany no very fitokisana avy amin'ny vahoaka, fa ny fianakavian'ny mpanjaka ihany koa ihany koa.

Tsy nilaina mihitsy ny fandalovana tamin'ireny trangan-javatra ireny.

Fa nahoana?

Miaraka amin'ilay fisehoan'ny Mpanjaka tao amin'ny televiziona nasionaly nanolotra ny fialan-tsininy tamin'ireo izay namoy ny ainy tao anatin’ izay roa andro lasa izay, miombon-kevitra ny tsirairay fa tsy tokony nanome alàlana na baiko hisian’ ny herisetra toy ireny izy. Sa ve  nanomana izany irery ny Minisitry ny Atitany  ary tena nanohitra tanteraka ny fanirian'ny mpanjaka ary mbola naneho herisetra tsy ankifidy sy tafahoatra izay tsy mbola fahita firy?

Na izany aza, tsy mahazo namana intsony ankehitriny ny finakavian'ny mpanjaka  ary maro amin'ireo efa naman'izy ireo no miala. Ary ity no tena zava-dehibe – raha toa ka te hamerina ny filaminana ny governemanta, dia tsy maintsy mamotsotra zavatra betsaka.  Raha tsy hoe te hahita ny firenentsika hirehitra tanteraka tsy amin'antony angahe isika.

Ho tahian'Andriamanitra anie i Bahrain. Raha amin'izao fotoana izao, dia tena mbola sarotsarotra izany.

Ny Takelaka Facebook-n‘ny[ar] Revolisionan'ny 14 Febroary, izay manana mpanohana mihoatra ny  32,000 ankehitriny, dia niantso ny olona hitokona amin'ny Alakamisy mba ho fanohanana ireo hesti-panoherana sy hanomezan-boninahitra ireo namoy ny ainy:

ندعو الشعب للإضراب العام اليوم الخميس عن العمل و المدارس و المعاهد و الجامعات و المشاركة الحاشدة في تشييع الشهداء و الإعتصامات السلمية ..

Miantso ireo mponin'i  Bahrain rehetra izahay hanambara ny fitokonana manerana ny firenena amin'ny Alakamisy, ny any am-piasana, ny any an-tsekoly, ny ivontoerana rehetra ary ny anjerimanontolo mba handray anjara amin'ny fandevenana ireo maritiora ary haneho fanoherana am-pilaminana.

Ampahany amin'ny tatitray manokana mikasika ny hetsi-panoheran'i Bahrain taona 2011 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.