Bahrain: Mpanao Fihetsiketsehana Resin-Tory Notafihan'ny Polisy

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ireo tatitra manokana ataonay momba ny  Hetsi-panoherana Bahrain 2011.

Nanodidina ny tamin'ny 3 ora maraina, ora eto Bahrain, raha mbola sondrian-tory ireo mpanao fihetsiketsehana teo amin'ny rond-point Pearl, dia tonga nanafika azy ireo niaraka tamina fitaovam-piadiana ny andiana polisy, baomba mandatsa-dranomaso sy herisetra tsy roa aman-tany – TSY NISY FAMPITANDREMANA.

Indreto sombina fanehoan-kevitra avy tao amin'ny Twitter mikasika ny fialàna vonkina nanaraka an'izay:

@emile_hokayem: ny polisy mpandrava korontana no mifehy ny rond-point Lulu amin'izao fotoana. Haingana be ny fandehany. 20 min

@hhusaini: Mitifitra manerana ny faritra ny polisy mpandrava korontana, mandefa baomba mandatsa-dranomaso eny rehetra eny, nataony fahirano ao daholo ny olona, ankizy, zaza amam-behivavy, ny rehetra e! #lulu #bahrain #feb14

@chanadbh: IZAO ANKEHITRINY IZAO eto #Bahrain, Rond-Point Pearl  RT @FroozyO: Mitifitra ry zareo, mitofitra ry zareo. Mandefa baomba mandatsa-dranomaso eny rhetra eny. Mandositra eran'ny tanàna ny olona

@emile_hokayem: Nipoitra avy any ambanin'ny tetezana sy ny morontsiraka tany ny polisy. Ireo mpanao fihetsiketsehana mihazakazaka miditra an-tanàna. Mankeny amin'ny tranoko sy ny làlana mankany salmaniyah ary ny làlana mankany amin'ny tanàna ara-barotr'i Dana

@chanadbh: Mitifitra an-jambany izay sendra azy ny polisy mpandrava korontana. Notomerin-dry zareo izahay ary tsy afaka mitsoaka. Baomba mandatsa-dranomaso no eny amin'ny manodidina. … http://tmi.me/6SQsF

@iamwaleed: @iamwaleed voatafika ny rond-point Lulu AMIN'IZAO FOTOANA IZAO. Mitifitra eran'ny tanàna ny polisy mpandrava korontana. Mifanakaiky be amin'ny olona ka tsy afa-mandositra izay ireo

@draddee: #Bahrain RT @emile_hokayem: Eto ambanin'ny trano fonenanko mihitsy no anaovan'ny polisy mpandrava korontana an'izany. Be dia be ny baomba mandatsa-dranomaso nampiasaina ka henoko hatraty amin'ny rihana faha-14!!!

@bintbattuta: Angidimby eo antampon'ny loha. Aty ilany ampitan'ny tanàna no misy ahy fa na izany aza dia afaka mandre tsara ireo kiakiaka sy fipoahana aho

@draddee: #Bahrain RT @emile_hokayem Mampiasa baomba mandatsa-dranomaso sy granedy mankarenin-tsofina ireo polisy. Misavoritaka be. Betsaka tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana no lasa saingy hitako sy reko ny hatezerana

@draddee: Vao tamin'ny 3 ora maraina teto #Bahrain RT @emile_hokayem manafika ny polisy mpandrava korontana. Mandositra ny vahoaka. Nitsahatra tsy niteny ny fitaovana fampitana feo.

@asteris: RT @emile_hokayem manafika ny polisy mpandrava korontana. Mandositra ny vahoaka. Nitsahatra tsy niteny ny fitaovana fampitana feo. Mampiasa baomba mandatsa-dranomaso sy granedy mankarenin-tsofina ireo polisy. Misavoritaka be.

@maryamalkhawaja: Mihazakazaka mitondra ny zanany ireo vehivavy

@emile_hokayem: Raha izaho aty amin'ny rihana faha-14 aza mheno azy ho henjana, dia tsy haiko hoe mba manao ahoana  no iainana an'izany any ambany any

@SuadAK: Mandositra ny olona, ry zareo manafika. Fanapahan-dàlana. Polsiy mameno tanàna

@emile_hokayem: Raha izaho aty amin'ny rihana faha-14 aza mheno azy ho henjana, dia tsy haiko hoe mba manao ahoana  no iainana an'izany any ambany any

@iamwaleed: @iamwaleed voatafika ny rond-point Lulu AMIN'IZAO FOTOANA IZAO. Mitifitra eran'ny tanàna ny polisy mpandrava korontana. Mifanakaiky be amin'ny olona ka tsy afa-mandositra izay ireo

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ireo tatitra manokana ataonay momba ny  Hetsi-panoherana Bahrain 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.