Ukraine: Manampy Amin'ny Fampanarahana Fitsipika ny Polisy An-Dalambe ny YouTube

Ny 22 Jan, manampahefana iray ao amin'ny polisy Okrainiana ny voarakitra an-tsary [ENG] niteninteny foana tamina mpamily iray nosakanany to an-tananan'i Odesa ao atsimon'i Okraina, ary nanao fanamarihana mivatravatra mikasika n y fiteny Okrainiana. Ilay lahatsary dia mampiseho manokana ilay mpamily miresaka amin'ilay manampahefana ami'ny fiteny Okrainiana ary ilay polisy kosa mamaly amin'ny teny Rosiana hoe “tsy misy azony fitenin'ny kaondrana [io].”

Na dia nampivoitra fanivaizana maro hafa nataon'ilay polisy aza ilay lahatsary, dia ity fanamarihana manokana ity no tena nahasarika ny sain'ny olona. Ao Okraina, ny tenim-pirenena ofisialy dia ny Okrainiana, tenin-drenin'ny 67.5% amin'ny mponina, araka  ny fanisàna tamin'ny 2001. Ny teny faharoa ampiasaina be indrindra dia ny Rosiana,  29.6% amin'ny mponina no mihevitra azy ho tenin-dreny. Na dia ny Rosiana aza no teny voalohany ampiasaina any Odesa, araka ny Lalampanorenan'ny firenena, dia ny Okrainiana no tsy maintsy ampiasaina amin'ny fifaneraseran'ny daholobe, indrindra indrindra, rehefa manatanteraka ny andraikitra nankinina aminy mivantana  ireo manampahefam-panjakana [UKR]..

Taorian'ny nisehoan'io lahatsary io tao amin'ny YouTube, ny Minisitry ny Atitany Okrainiana  dia nanome baiko [UKR] ny Departemantan'ny Polisy Mpandrindra ny Fifamoivoizana mba hanao fanadihadiana anatiny mikasika ilay tranga, izay nanasongadina fa, teo ampanatanterahana ny andraikiny, ilay Polisy – Sergeant Shvets – dia nanao fandikan-dalàna telo raha kely indrindra, isan'izany ny Lalampanorenana. Ho an'ilay polisy manampahefana fototry ny resaka, ireo rehetra ireo dia midika fahaverezan'ny asany avy hatrany.

Io tranga io, na dia niely fatratra aza, dia tsy vao ny tranga voalohany amin'ny fandikan-dalàna nataon'ny polisy misahana ny fandrindràna fifamoivoizana navoaka ho fanta-bahoaka teto amin'ny aterineto akory. Tamin'ny Aogositra 2010, ohatra,  lahatsary iray mikasika inspekteran'ny fifamoivoizana avy ao an-tananan'i Haisyn nanivaiva mpamily no nampakarina tao amin'ny Youtube, ary taorian'izay ilay manampahefana dia voaroaka [RUS]. Polisy iray avy ao an-tananan'i Crimean any Dzhankoy no   nohadihadiana sy voaroaka avy eo [RUS] taorian'ny lahatsary momba azy nanao antsojay mpamily nisy namoaka tanaty aterineto.

Tamin'ny alalan”ireo tranga ireo, ny vahoaka Okrainiana dia nahalala ny fisian'ny tetikasa fanabeazam-bahoaka antsoina hoe “Road Control – Fifehezana ny Làlana.” Raha ny voalazan'ny tranonkalan’ ilay tetikasa [RUS], ny tena torolàlana fototra ho azy ity dia ny fampahafantarana ny mpamily ny zon'izy ireo ary handrakitra malalaka an-tsary ny fihaonan'izy ireny amin'ireo manampahefan'ny polisy. Ohatra, ny  “Road Control” dia manamafy [RUS] fa iray tamin'ireo mafàna fo avy ao aminy no nandrakitra an-tsary ny Sergeant Shvets voalaza etsy ambony.

Taorian'ireny tranga vao haingana ireny, ny Ministeran'ny Atitaty Okrainiana dia  nandidy [UKR] ny hametrahana fanofanana fanampiny mikasika ny lalàna ho an'ireo inspektoran'ny fifamoivoizana avy ao aminy, sady nanindry mafy nyhanaiky velively ny fanaovana teny mahery na izay rehetra mety ho endrika fanavakavahana  ataon'ny mpiasa eo ambany fiadidiany amin'ny olom-pirenena.  Ambonin'izany, tanatina resedresaka tamin'ny Desambra 2010 tao amin'ny fantsom-pahitalavitra TVl “1+1″ ny mpitondra tenin'ny Departemantan'ny Polisy misahana ny Fifamoivoizana ao Kyiv dia niaiky fa ny fampiasàna camera dia sady manampy ny polisy no manampy  ny mpamily koa ho “fisorohana ny kalao kalao” [UKR].

Raha tsy mitsaha-misonga be ny isan'ireo polisy mpandrindra fifamoivoizana manao kolikoly navoaka tanaty aterineto, maro be ankehitriny ireo Okrainiana  mpamily fiara  no nametraka camera any anaty fiaran-dry zareo [UKR].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.