Iran: Lahatsarin'ny hetsika androany

Na dia eo aza ny fandraran'ny Governemanta, nanao fihetsiketsehana tany aminà tanàna maro ireo Iraniana androany, anisan'izany ny tany Tehran (sary eto ambony), Shiraz, Isfahan, ary Rasht. Nangataka ny fahalalahana hanao fihetsiketsehana miaraka amin'ny vahoaka Ejiptiana sy Toniziana ny mpanohitra Iraniana kanefa dia notsipahan'ny Fitondrana islamika izany fangatahana izany.

Araka ireo tatitry ny media, nivezivezy tany anaty aterineto ny vaovao mikasika ny fifandonan'ny mpanohitra sy ny mpitandro filaminana tany Tehran, renivohitr'i Iran. Araka ireo tatitra ireo, anarivony ireo mpanao fihetsiketsehana nanao rodobe tany amin'ny tanànan'i Enghelab sy Azadi (izay mifandray, mamorona lalan-kely mahitsy avy any afovoan-tanàna), niaraka taminà hetsika lehibe tany amin'ny Kianjan'ny Enghelab sy ny Lalamben'i Vali-Asr.

Nanomboka nivoaka any anaty aterineto ireo lahatsary mikasika ny zava-nitranga androany.

Tsy misy fetrany ny lanitra

Nampakatra ny sarin'ireo maritioran'ny Hetsika Maitso tamina milina fampakaran'entana (grue) tany Tehran ny mpanohitra iray. Nampidina azy haingana ireo mpitandro filaminana, kanefa dia hozarazaraina amin'ny alalan'ny mediam-bahoaka mandritra ny fotoana ela ity herim-pony ity.

Ary ireo fifandonana tany Tehran

Ao anatin'ity lahatsary ity, hita mandoro sarin'i Ayatollah Khomeini ireo mpanohitra tany Tehran.

Matesa ny didy jadon'i Isfahan

Voatatitra ny fihetsiketsehana sy ny fifandonana nisy teo amin'ireo mpanohitra sy ny mpitandro filaminana tany Isfahan.

Fisian'ny miaramila marobe tany Mashhad

http://www.youtube.com/watch?v=MVdCAPe0qU0

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.