Bahrain: Lehilahy Faharoa Maty Tamin'ny Nanafihan'ny Polisy ny Mpandevina ilay Maty Voalohany

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ireo tatitra manokana ataonay momba ny  Hetsi-panoherana Bahrain 2011.

Tovolahy iray hafa indray, Fadhel Al Matrook, no maty io maraina io raha notafihan'ny polisy ny filaharan'ny olona handeha handevina tovolahy iray hafa, Ali Mushaima, maty omaly tamin'ny hetsiky ny  ‘Andron'ny Hatezerana’ tao Bahrain. [Eng] .

Rikoriko ‘izao tontolo izao nahita  ireo bitsika nalefan'ireo nanatri-maso ilay fandevenana sy nampakatra ny zavatra hitan-dry zareo tao amin'ny Twitter. Ilay maty voalohany dia voatifitra avy any an-damosina, tamin'ny basy; ary raha tsy ampy izay, ny fianakaviany sy  ny namany dia tsy nomena alàlana hanome voninahitra farany ny vatana mangatsiakany. Notafihan'ny polisy hatrany amin'ny hopitaly, toerana nalehan-dry zareo hakany ilay nofo mangatsiaka, tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso ireo mana-manjo, ary misy bitsika mitatitra hoe naheno poa-basy. Fotoana vitsy monja dia nipongatra ireo tatitra milaza fa lehilahy iray hafa indray no maty voatifitra – tra-doza iray vaovao noho ny herisetra an-jambany ataon'ny polisy, izay mitifitra akaiky dia akaiky tokoa an'ireo mpanao fihetsiketsehana araka izay hitantsika tamin'ireo lahatsary nozarain'ireo mponin'ny aterineto omaly.

Indreto misy fantina fanehoan-kevitra vitsivitsy:

@BahrainRights: VOAMARINA: Fadhel Ali AlMatrook matin'ny balanà basim-borona nampiasain'ny polisy io maraina io tany am-pandevenana ilay maritiora voalohany #Feb14 #Bahrain

@HusseinMohdBH: Fadhel Ali Almatrook, tratry ny balam-basim-borona teny an-dàlana handevina no lasa ho maritiora faharoa. #feb14 #bahrain #Egypt #Jan5

@HusseinMohdBH: VOAMARINA: Fadhel Ali AlMatrook matin'ny balanà basim-borona nampiasain'ny polisy io maraina io tany am-pandevenana ilay maritiora voalohany #Feb14 #Bahrain #Egypt #Jan25

@mahmood: Olona marobe niandry ny famoahana ny vatana mangatsiakan'i Ali Mushaimi tao amin'ny tranompaty mba ho entina halevina. http://yfrog.com/h7r3rkbj

@mahmood: An-dàlana ho any am-pasana izao. Am-pilaminana. Tsy mbola misy polisy. http://yfrog.com/gy86009320j

@mahmood:  Tifitra mavesatra ataon'ny polisy amin'ireo olona marobe izao. Tsy nanaitra. #bahrain

@mahmood: Baomba mandatsa-dranomaso eny rehetra eny. Tsy nampiomana. Valin-kafatra amin'ny tora-bato. Nosakanan'ireo mpanao fihetsiketsehana hafa. Navily làlana ny filaharana (tohiny) http://tl.gd/8raik2

@maryamalkhawaja: Fadhel Ali Almatrook, tratry ny balam-basim-borona teny an-dàlana handevina no lasa ho maritiora faharoa. Loharano: alwefaq #feb14 #bahrain

@mahmood: Azafady aiza indray isika no tokony handevina izay maty novonoin'ny polisy raha toa ka hatramin'ny fandevenana avy no pehan'ny polisy amin'ny baomba mandatsa-dranomaso? Misy manana hevitra ve? #bahrain

@mahmood: Feona basim-borona maro no henoko. Fomba famonoana ankafizin'ny @moi_bahrain indrindra. Tsy mihontsona ny olona. #bahrain #feb14

@mahmood: Mampihoron-koditra ity. Marary ny maso sy ny havokavoka. Niparitaka ary samy nitady ny làlany mankany am-pasana ny olona. Filaharana (tohiny) http://tl.gd/8raq34

@mahmood: Misafidy ny hiroso hatrany ny olona. Mitohy mivoaka tsikelikely eny an'arabe. #bahrain #feb14 http://yfrog.com/h0iiiihj

@mahmood: Fiara an-jatony eny an-dalana ho any an-tokontanim-pasana. Nifanena tamin'i Ebrahim sharif #Waad teny an-dàlana. Miandry fandevenana. http://yfrog.com/h7437iwqj

@mahmood: An-dàlana ho any am-pasana izao. Am-pilaminana. Tsy mbola misy polisy. http://yfrog.com/gy86009320j #bahrain #feb14

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ireo tatitra manokana ataonay momba ny  Hetsi-panoherana Bahrain 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.