Ejipta: Fitohitohizan'ny fahatapahan'ny fifandraisana nandritra ny fihetsiketsehana 2011

25 Janoary 2011 no andro nidinan'ny vahoaka ejiptiana an-dàlam-be, tonga avy amin'ny faritra maro hanao fihetsiketsehana manohitra ny filoha Mubarak sy ny fitondràna eo an-toerana.

Nafana ny fampiasan'ireo mafana fo ireo sehatra sosialy amin'ny aterineto sy vohikala mba hanentanana ny tanora sy hampitàna ny hafatra mialoha ny 25 Janoary. Tamin'ny andro voalohan'ny fihetsiketsehana, nisompatra ny fifandraisana sy ny sehatra aterineto ny governemanta mba hamerana ny fiparitahan'ny vaovao momba ny zava-mitranga ary na teo aza izany sotasota izany, mbola afaka nandefa lahatsary, sary ary hevitra ireo vahoakan'ny Ejipta avy amin'ny fihetsiketsehana manerana an'iEjipta ary tsy nanembantsembana ny fanentanana ny olona handray anjara amin'ny fivoriana milamina izany.

Anisany tamin'ireo tetika maro nampiasain'ny mafana fo hanaparitahana ny fampitàm-baovao ny fananganana tranolay tany amin'ny Kianja Tahrir Square (Afovoan-tanàna, Kairo) ary ny fananganana soratra hoe “Manangona Sary sy Video” mba hanangonana sary sy rakitra avy amin'ireo mpitolona ary hampakàrana izany amin'ny aterineto.

Ireto ny fitohitohizan'ny fanapatapahana ny fifandraisana nataon'ny governemanta nanomboka tamin'ny 25 Janoary (tsy manontolo):

1. Talata 25 Janoary 2011 – 01:30hariva: tambajotram-pinday tapaka, twitter.com sy bambuser.com voasakana any Ejipta.

2. Talata  25 Janoary 2011 – 08:0 alina: tapaka ny tambajotra fanaovana tatitra avy ao an-kianja Tahrir.

3. Alarobia 26 Janoary 2011: twitter.com & bambuser.com azo idirana (10:30hariva) , facebook.com voasakana, tambajotram-pinday sasany niverina niasa.

4. Alakamisy 27 Janoary 2011 – 09:40 alina: simaiso sy fidirana amin'ny aterineto tapaka (afa-tsy ny mpamatsy aterineto iray izay ampiasain'ny governemanta hanaovana fifanakalozana ara-barotra sy resaka ara-bola).

5. Zoma 28 Janoary 2011: tambajotran-tariby tapaka any amin'ny faritra sasany any Kairo, aterineto amin'ny satellite tapaka ary ny antso amin'ny finday niverina nandeha.

6. Alarobia 31 Janoary 2011 – 11:30 alina: tapaka ny mpamatsy aterineto farany tany Ejipta.

7. Zoma 2 Febroary 2011, 12:30 alina: niverina ny aterineto.

8. Alahady 6 Febroary – 12:35 atoandro: niverina nandeha ny simaiso.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.