Video: Ireo mpanao kiraro erantany

Imagen por Hugo Esteves CC/By

Ireo horonantsary androany dia mifantoka amin'ireo mpanao asa tanana maneran-tany mbola manao kiraro amin'ny tanana. Avy any Meksika hatrany Japana: handinika ny fomba fanamboarana ireo kiraro, kiraro iva sy kapa.

Atombotsika amin'i Meksika ny tontolo andro androany . Ny anarana idiana Rarámuri dia voambara fa midika ireo izay mihazakazaka mafy, ary izany dia nisarika ny sain'ireo mpihazakazaka mino fa amin'ny fandehanan'izy ireo amin'ny kiraro nentin-drazana Tarahumara, ireo huaraches, afaka hanitsaka ny hafainganany sy ny hamafisany izy ireo.

Ity horonantsary teo aloha ity dia nampiseho antsika Indiana Tarahumara iray manamboatra ny huaraches nentin-drazany: ity horonantsary manaraka ity dia mampiseho antsika karazana huarache vaovao tahaka ity navaozina eo amin'ny pejy fihazakazahana amin'ny tongotra mitanjaka InvisibleShoe ity.

Manana ny kapa nentin-drazany ihany koa ny japoney. Ireto horonantsary manaraka ireto dia mampiseho ny fomba fanamboarana zōri [jp], waraji(1 sy 2) ary ny kapa geta (manomboka eo amin'ny 2:28) mifanaraka tsara amin'izany:

Ireo kiraro hazo na klompen dia anisan'ny maha-izy azy ny Dutch sy ny sary nandritra ny taona maro. Eto, hitantsika ny fomba hanamboaran'izy ireo fitaovana ampiasaina tanana amin'ny fomba nentin-drazana:

Ity naoty fohy ity dia mampiseho antsika iray amin'ireo mpanamboatra kiraro maivana nentin-drazana Peranakan any Singapore:

Kanefa tsy ireo nentin-drazana ihany no natao ho vita tanana tahaka ny hitantsika ao amin'ity horonantsary manaaka ity. Any Sri Lanka, hanamboarana kiraro moderina ihany koa ireo fitaovana nentin-drazana:

Ary farany kanefa lehibe, kiraro miavaka izay nofinofisin'ireo zazavavy maro eran-tany: ny kiraro fanaovana dihy tsara.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.