Iran: Liona 14 novonoina tany amin'ny saha fiarovam-biby tany Tehran

Tezitra sy malahelo ireo mpitoraka bilaogy mikasika ny famonoana liona 14 tany amin'ny saha fiarovam-biby any Tehran. Nitatitra ny media Iraniana fa novonoina ireto liona ireto satria nahitana aretina entina otrikaretina mitondra ny anarana hoe glanders, izay fahita any amin'ireo soavaly, apondra, sy ny zana-tsoavaly. Herinandro roa talohan'izay, maty ny tigra Siberiana nalefa tany amin'ny saha firaovam-biby any Tehran ho isan'ny tetikasa fifanakalozana amin'i Rosia noho ny fihinanany hena nahitana io aretina io.

Houman, mpitsabo biby dia manoratra [fa] ao amin'ny bilaoginy, Troubles of a veterinary:

Tsy maheno ny fitreron'ny liona intsony izahay… Namono liona 9 izy ireo omaly. Tahaka izany fotsiny. Noho ny aretiny. Satria nihinana henan'apondra nisy ny tsimok'aretina izy ireo. Aretina izay afaka nositranina… Roa herinandro izay no nanomboka nanao fitilina ny ran'izy ireo izahay.. Tena malahelo aho. Fotoana izao hifindrako, sy handaozako ity toerana ity.

Varteh dia manoratra [fa]:

Tena mampalahelo ny mahita liona anaty fefy. Mahalala ny fanetre-tenany ny liona… Maty tahaka ny mpiady izy … Talohaloha tao anatin'ity saha fiarovam-biby tsy misy fotony ity, nahita zavatra mbola mahatsiravina hafa aho. Alika fiompy anaty fefy miandry tanana hanafosafo azy ireo. Ny hany afaka eritreretinao dia ireny alika matory eo amin'ny sezalava ireny, fa tsy matory amin'ny tany mangatsiaka…

Kelk, mpitoraka bilaogy Iraniana iray hafa, dia miteny amim-panesoana, fa toa hoe voampanga ho nanohitra ny fitondrana ireny liona ireny ka novonoina ho faty.

United4Iran dia manoratra fa misy fikorotanana eo amin'ny fitantanana ny saha fiarovam-biby any Tehran ary mampahatsiahy fa andro vitsivitsy taorian'ny nahafaty an'ilay tigra Siberiana, 14 ireo liona novonoina.

Mojgan Jamshidi, mpitoraka bilaogy sy mpanao gazety, manoratra [fa] fa fihetsika entina hampielezan-kevitra fotsiny ihany ny fanafarana iny Tigra Siberiana iny ho an'ireo manam-pahefana Siberiana, ary hatrany am-boalohany no efa tsy nandeha tamin'ny tokony ho izy ny zava-drehetra, ary tsy dia nahazo fitsaboana sahaza azy izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.