Tontolo Arabo: Aiza i Ben Ali mipetraka?

Amin'izao fotoana izao raha nitsoaka ny firenena ny filoha Toniziana teo aloha Zine El Abidine Ben Ali, ny fanontaniana ao an-tsain'ny tsirairay dia ny hoe: Aiza izy izao no mipetraka?

Manao fanamby ny mponina amin'ny aterineto amin'ny iray amin'ireo Firenen'ny Helodrano Arabo – ahitana ny Emira Arabo mitambatra, Bahrain, Arabia Saodita, Koety ary Oman.

Angry Arab News, bilaogy tazonin'i As'ad Abu Khalil, dia milaza hoe:

nilaza i Aljazeera fa mipetraka any aminà firenena iray any amin'ny Golfa ny fiaramanidin'i Bin Ali amin'izao fotoana izao. Aleo VINAVINAIKO: fanjakan'iza àry no tena zatra mamelona sy mandray ireo mpanao didy jadona tsy am-perin'asa intsony??

Eo amin'ity lahatsoratra manaraka ity, hoy izy manampy:

nilaza i Al-Arabiyya fa lasa nankany Qatar ny fiaramanidin'i Ali , raha manamafy koa i Aljazeera fa lasa any Dubai ny fiaramanidiny

Milaza ny mpanao gazety Egyptiana Mona Eltahawi hoe:

Hoatrinona no #azon'i Qatar amin'i #BenAli satria 1 amin'ireo voalohany nahalala ny fiongànana ary matihanina amin'ny fisabakàna havia havanana? #Sidibouzid

Manaitra ny Golfa Arabo hitsangana i Saudi Wafa Aljohani:

كل خليجي رجاء يكتب هذه الرسالة لاخوتنا في تونس: أنا خليجي وارفض استقبال بلادي وحكومتي للطاغية المجرم بن علي #sidibouzid #tunisia #Arabs
Tokony hanoratra ity hafatra ity ho amin'ny mahasoa ny rahalahiny any Tonizia ny firenena tsirairay ao amin'ny Golfa: Avy eo amin'ny firenen'ny Golfa ny tenako ary tsipahako ny hoe ny fireneko sy ny governemantako dia handray an'i Ben Ali mpampijaly olona nahavita heloka be vava.

Ary manampy i Samar Dahmash Jarrah hoe :

عزيزتي السعودية،قبلت من قبل اكل لحوم البشر عيدي امين،ارفضي الان مصاص دم اهل تونس #sidibouzid
Ry Arabia Saodita malala, efa nandray soa aman-tsara ny mpihinan'olona Idi Amin ianao teo aloha teo, aoka re ianao handà ny vampira izay nitsetsitra ny ran'ny Toniziana amin'izao fotoana izao

Mananihany ilay Ejiptiana A Naje:

بن على هيقعد يلف بالطيارة كدا لغاية ما البنزين يخلص ويقع في البحر
Hitohy hanidina ny fiaramanidin'i Ben Ali mandrapahalanin'ny solikany ary hianjera any an-dranomasina

Milaza ny namana Egyptiana Mohammed Mansour hoe:

طائرة بن على فى الغالب متجهة الى دبى …. عند المدام #BenAli #sidibouzid #tunisia #AREN
Mety efa eny an-dàlana ho any Dubai amin'izao fotoana izao ny fiaramanidin'i Ben Ali .. amin'izay izy afaka miaraka indray amin'ny vadiny

Hoy izy manohy:

والله مش بعيد مبارك يعرض على بن على ان يستضيفه فى مصر . اصلهم اخوات فى الديكتاتورية . و شرم الشيخ كبيرة #BenAli #sidibouzid #tunisia #Egypt

Tsy ho gaga mihitsy aho raha manolo-kevitra an'i Ben Ali i Mubarak hoe raisiny any Ejipta izy. Mpirahalahy izy ireo amin'ny didy jadona ary i Sharm el Sheikh no tena ngeza

Eo amin'ny sehatra mitovy, milaza ny mpitoraka bilaogy frantsay sady mpanao lalana @MaitreEolas :

France terre d'asile : on a accueilli Khomeiny, Bokassa, Mobutu, Duvallier, on va bien recevoir Ben Ali ?

Frantsa, firenen'ny adala: nandray soa aman-tsara an'i Khomeiny, Bokassa, Mobutu, Duvallier, afaka manao trano ho an'i Ben Ali ihany koa isika, sa tsy izany?

Manamafy i Dima Khatib fa nakaton'i Frantsa ny varavarany ho an'i Ben Ali ary hoy izy milaza:

Mety mihevitra mihitsy angamba i Sarkozy hoe: tsy afaka handray an'ilay zalahy ity (Ben Ali) eto Frantsa. Miaraka amin'ny hamaroan'ireo Toniziana mipetraka eto, mety  hanana #SidiBouzid ihany koa aho 🙂

Etsy andanin'izany, any Bahrain, mitohy hatrany ny resaka mikasika ny hoe aiza i Ben Ali izao.

Nitodi-doha any Dubai izy RT @Sabeeka_A: الجزيرة تقول ان في اخبار ان بن علي رايح دولة خليجية !! @HalaEbrahim @NaseemF نروح قلالي عند المطار ننطر؟
@Sabeeka_A: Milaza i Al Jazeera fa lasa any aminà firenena iray any amin'ny Golfa i Ben Ali!! @HalaEbrahim @NaseemF tokony ho any Galalia ve isika, eo akaikin'ny seranam-piaramanidina ka hiandry?

Mamaly i Ali Fareed :

Mipetraka any Dubai izy

Ary i Abdurahman Warsame, avy any Qatar, kosa mamarana manao hoe:

vaovao hoe nidina tany #dubai ny fiaramanidin'i Ben Ali. #tunisia

Na izany aza, manana vahaolana tsaratsara kokoa ilay Ejipt. Tarek Amr. Hoy izy miteny:

Tsy mampiasa Dopplr na Foursquare ve i Ben Ali, amin'izay fantatsika hoe aiza izy izao no mipetraka? #Tunisia #LBS ##Sidibouzid

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.