Arabia Saodita: Fandosirana, ny Filoha Tonisiana Teo Aloha Ben Ali Niantsona any Arabia Saodita

Ny Zoma, fotoana fohy taorian'ny nandosiran'ilay azo lazaina hoe Filoha-teo-aloha  Zine El Abidine Ben Ali an'i Tonizia, ireo mpitoraka bilaogy sy mpampiasa Twitter dia nanomboka resaka mikasika ny toerana hiantsonan'ny fiaramanidiny. Ny sasany naka sary an-tsaina ny hoe any Frantsa izy no hitodi-doha, raha ny hafa kosa nihevitra ny Emira Arabo Mitambatra no ho fitodiany farany. Fa rehefa tena nivoaka ny fandehany,  ny fitodina faran'i Ben Ali dia i Arabia Saodita–dia ilay firenena nampiantrano an'ilay mpitiondra jadona Ogande Idi Amin taorian'ny nirodanan'ny fitondrany.

@ollieleach nandray avy hatrany:

Hay mialoka any Arabia Saodita ny Filohan'i Tonizia. Naka ny fomban'i Idi Amin mano sesitany… mahaliana.

@weddady, mahamarika firehana ao amin'ny Twitter, dia nanao fanehoan-kevitra tamin'ny valin-kafatry ny vahoaka Saodiana momba ny fahatongavan'i  Ben Ali any amin'ny tanin-dry zareo:

Mahaliana: mandefa tweets ireo  #Saudi ao amin'ny twitter mangataka ny governemantan-dry zareo tsy handray an'i Ben Ali rehefa nandre siosio mikasika ny hahatongavany any #sidibouzid

Ny marina, ireo Saodiana mpampiasa twitter dia dia samy namoaka mikasika ny eritreriny daholo. Nanamafy i @radicalahmad :

Ry vahoaka malala ao  #TUNISIA: avy aty #saudi aho ary manome toky anareo aho fa ny fandraisana an'i#benali hipetraka eto #jeddah dia tsy sitrakay akory #NOTINMYNAME

@Dima_Khatib nampahatsiahy an'ireo mpanaraka azy fa ny fanapahan-kevitra handray an'i  Ben Ali ao Arabia Saodita dia tsy avy amin'ny vahoaka Saodiana:

Miangavy ry zalahy a, averiko indray. Tsy misy tokony hanenjehana an'i Saodiana noho ny nandraisana an'i Ben Ali. Tys manan-draharaha velively amin'izay fanapahan-kevitry ny fianakavian'ny mpanjaka ry zareo #Saudi

Farany, i Saudi Jeans, mpitoraka bilaogy, miara-mankalaza amin'ny Toniziana, dia naneho ny tsy fahafaliany noho ny fanapahan-kevitry ny fireneny handray an'i Ben Ali:

Ny androany dia andro goavana, goavana ho an'i Tonizia. Taorian'ny efatra herinandro nanoherana teny an-dalambe, nandositra ny fireneny ny filoha Zine el-Abidine Ben Ali. Ity angamba no voalohany nahitan-tsika maso mpitondra Arabo iray naongan'ny vahoakany ihany. Tena faly ho an'ireo vahoaka Toniziana, and tena mirehereha noho ny amin'izy ireo. Mientanentana manokana ho an'ireo namako  Sami bin Gharbia sy Slim Amamou, izay niasa tsy nitandro hasasarana nandritry ny taona maro mba hahita io andro io. Ny zavatra tokana manahiran-tsaina ahy dia i Arabia Saodita nandray ilay jadona voahilika mba hahita fialofana any amin'ny tany niavianay. Saingy hatreto aloha, ndeha fotsiny hiainana ity vanim-potoana manan-tantara ity. Eto ho toy ny ‘effet domino’ manerana an'i Moyen Orient (Faritra Afovoany Atsinanana).

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.