Naato ve ny sivam-panjakana amin'ny aterineto Toniziana?

Nanaraka an'ireo fnoherana midongizina ao Tonizia tato anatin'ny andro vitsivitsy sy ny fitokonana faobe mananontanona ny ampitso, nikabary tao amin'ny fahitalavi-panjakana Tunisie7 , ny Filoha Toniziana Ben Ali io hariva io ary feno fileferana betsaka tsy toy ny mahazatra. Isan'ireo teboka maro hafa ny filazàny fa tsy mikatsaka ny ho filoha mandra-maty akory izy, ny fampidinana ny vidin'ireo sakafo ilaina andavanandro, fa hoe hatsahatra ny fampiasàna bala tena izy ataon'ny polisy sy ny miaramila, ary hatsahatra koa ny sivana atao amin'ny fampahalalam-baovao sy ny aterineto.

Hatramin'io kabary io dia nisy tatitra tsy miankina maro izay voasakana teo aloha ta amin'ny aterineto, toy ny Youtube na ny  OpenNet Initiative no azo tsodihana ankehitriny ary tsy haharaisana ilay hafatra  ‘404’ intsony. Kanefa ilaina ihany ny manao fitsapàna misimisy kokoa mba hahazoana antoka fa tena nanaraka tokoa ny  fanambarana nataon'i Ben Ali ny fitondrana Toniziana.

Mazava loatra, kely no mba vitan'ireny  ‘fampanantenana’ ireny hanovàna ny fanitsakitsahana faobe ny zon'olombelona izay nahazo laka tao Tonizia tato ho ato. Ny mifanohitra amin'izany aza, ireny dia mariky ny tsindry mavesatra mianjady amin'ny fitondràna amin'izao fotoana.

Maro ny fikambanana mpampita vaovao no nanomboka nipaingotra ity tantara ity:

http://www.bbc.co.uk/news/world-africa-12187084
http://articles.moneycentral.msn.com/news/article.aspx?feed=AP&date=20110113&id=12601387

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.