Iran: Asa fanakanana, fanapaingorana mailaka, ary fanavaozana ny teritery atao amin'ny Green Movement

Ny Tetikasa Tor dia mitatitra fa ankehitriny ny milina fisakànana Iraniana dia manakana na mitantavana ny Tor, sy maro amin'ireo fitaovana fandingànana hafa toy ny SSL. Manoro hevitra izy ireo ny amin'ny tokony hampiasàna tetezana tsy mampiasa ny port 443.  Ireto ambany ireto ny kisary avy amin'ny Tetikasa Tor manambàra izany:

Avy ao anatin'i Iran ihany dia misy tatitra maro mifanipaka milaza fa ireo mpampiasa taterin'ny kisary samihafa ireo dia samy niaina tamin'ny fomba samihafa avy ny fanatantavànana sy/na ny fanakànana. Ny mpampiasa sasany dia mitatitra tsy fahafahana miditra mihitsy amin'ny Tor, ny sasany sahirana niditra tamin'ny Skype/VPN, ary ny sasany kosa nilaza ho tsy nisy olana.

Eo ireo tohankevitra nataon'i Iran hanoherna ny mpitarika ny Green Movement sahala amin'ny nanomànany ny 10 andro hamelezana ny  Green Movement ka izay hitan'ny Tor sy ny hafa ankehitriny angamba dia ny fanatanterahana amin'ny lafiny dizitaly an'ireny fanambaràna sy hetsika politika teto amin'ny firenena ireny. Tamin'ny lasa, ny fanovàna tamin'ny sivana Iraniana dia nandràmana taminà ISP (mpanome tolotra Aterineto) sasantsasany teo amin'ny firenena alohan'ny hametrahana azy ho an'ny firenena iray manontolo. Raha mizotra mankany amin'ny famadihana ireny asa sy fanambaràny ireny ho amin'ny endriny dizitaly ny fitondrana, ny hitan'ny Tetikasa Tor ankehitriny dia mety ho ny andrana fanapariahana azy manerana ny firenena.

Nanohana ity hevitra ity ireo fanehoan-kevitra tato ho ato avy amin'i  Hojjat-ol-Eslam Heydar Moslehi, Minisitry ny Fanangonam-baovao Iraniana. Tsy ela akory izay dia nilaza izy fa ny Minisiteran'ny Fanangonam-baovao dia nahapaingotra mailaka ‘cryptés’ (Avy amin'ny mpandika: nampiasàna rindrambaiko ho fanafenana ny vontoaty) avy amin'ireo mafàna fo, ary nanomboka namàha tanteraka azy ireny tao anatin'ny 24 ora. Tanaty valan-dresaka nitokana nataon'ny lehiben'ny fitandroana ny filaminana, Esma’il Ahmadi-Moqaddam dia nanamafy fa ireo mpitolona avy amin'ny mpanohitra dia tokony hahalàla fa voaara-maso daholo ny fifandraisan-dry zareo.

Ny fanambaràna tato ho ato nataon'ny Repoblika Islamika, ny amin'ny mety ho maha fitaovana famoretana ara-politika ny fanapahana ny fanampiana ato ho ato, ary ny vaovao avy amin'ny Tor sy ireo mafàna fo dia toa mahita azy ity ho ezaka vaovao hamotehana ny mpanohitra avy ao anatiny sy handrebirebena ny saina tsy hibanjina ny olana ara-toekarena sy ara-politika ao Iran. Ireo mpandinika sy mpanadihady avy any ivelany dia mahatsapa daholo ny fisintonana sy fitosahan'ireo tohankevitra ara-politika ary ny tsindry aloka maherisetra ao anatin'i Iran. Amin'io tranga io dia sahala amin'ny misy tohankevitra ara-politika mafonja izay mampivady avy hatrany an'ireo tena fanovàna kinendry  (ary sahala amin'ny efa fantatra hoe aiza) amin'ny fomba fanivànana aterineto ao Iran izay mety ho marika fampitandremana mibaribary ny tsindry aloka sy ny asa fanaraha-maso ho avy tsy ho ela.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.