Tonizia: “Azafady mba ambarao an'izao tontolo izao fa miala aina i Kasserine!”

Miasa andro aman'alina ireo Toniziana mponin'ny aterineto mba hampiseho amin'izao tontolo izao ny vonomoka mitranga ao amin'ny firenen-dry zareo. Ny zavatra izay nanomboka taminà endrika fanoherana ny tsy fisian'asa raha nandoro ny tenany ny Toniziana iray vao 26 taona tao Sidi Bouzid tamin'ny volana lasa dia nandrehitra sy   nampihanaka onjam-panoherana nanerana ny firenena iray manontolo.

Na dia hoe midona amin'ny valin-kafatra mahery vaika avy amin'ny manampahefana aza ireo mpanohitra, ary miatrika zava-manahirana toy izany koa ireo mafàna fo eto amin'ny aterineto, dia be ireo saripika, fijoroana ho vavolombelona ary video mampiseho ny saritaka isan'andro mivoaka ao amin'ny aterineto.

Ny vaovao androany dia milaza fa 20 raha kely indrindra ny olona maty tao amin'ny tanàna roa dia  Tala, 200km atsimo andrefan'i Tunis renivohitra, sy ny faritr'i  Kasserine –  ary mirehidrehitra mihitsy ny tontolon'ny fandefasana Tweets.

Vao maraina be androany, nahazo ity antso manaraka ity tao amin'ny vohikala fitorahana bilaogy kiritika aho.

@ @ azafady mba ambarao an'izao tontolo izao fa miala aina i kasserine!

Ny karoka malaky momba ny tenifototra #sidibouzid dia nandràry tantara-na horohoro – sy aingam-piraisankina avy amin'ireo olo-manan-tsaina maneran-tany.

SBZ_news, izay any Tonizia dia mandefa tweets fa:

Araka ny loharanom-baovao avy ao Talah, tsy avelan'ny polisy havoaka ireo olona naratra #SidiBouzid

ary manontany hoe:

الى سيادة المفتي: شنوّا حكم قتل طفل-13 ربيعا- برصاصة في الرأس على يد الشرطة؟
Ho an'ny Mufti (mpitsara ambony ara-pinoana), inona no lalàna mifehy ny polisy mamono ankizikely iray – 13 taona – tonga dia tifiriny avy hatrany eo amin'ny lohany?

Mametraka rohy mankany amina video koa izy, nampiakarina ao amin'ny Facebook, izay mampiseho ny nampiasan'ireo polisy bala tena izy hanosehana ny mpanao fihetsiketsehana:

Bala, nampiasain'ny polisy Toniziana tao  Kassrin

Nawaat koa dia mandefa video iray ao amin'ny YouTube mampiseho ny fomba nifanandrinan'ny polisy tamin'ny mpanao fihetsiketsehana sy nampiasany bala tena izy:

Ankizilahy maty tao Talah. Sary avy amin'ny Nawaat

Ao amin'ny Twitter, Nawaat dia nitondra  porofon'ny famonoana tsy ankitsitsy teny an-dalambe tamin'ny nanehoany tamintsika an'ity sarina ankizilahy maty ity, tao an-dalamben'i  Talah:

Ankizilahy maty tao an-dalamben'i Tonizia. (thala) 09.01.10

Ary na ny maty aza dia tsy afa-bela. Nawaat no manampy:

اخبار مؤكدة 100% عن اطلاق رصاص حي على موكب جنازة لاربعة شهداء سقطوا البارحة في تالة و تفرقت الجنازة تركت النعوش لوحدم في الشارع #sidibouzid
azo antoka 100% ny vaovao momba ny tifitra tamin'ny bala tena izy nahazo ny olona nitandrozotra handevina ireo martiora efatra maty tao Talah halina. Naparitaka ireo olona nitandrozotra handevina ary tavela teo afovoan-dàlana ny vatam-paty.

fra-ise manampy:

Tao amin'ny fahitalavitra Toniziana, naneho hatezerana ny vahoaka sy ny mpanao gazety noho ny fahasimbàn'antontan-taratasy sy trano. Ao irery no tsy misy vidiny ny fiainana. /@

Saingy ho an'ilay Toniziana Youssef 3al-7it,  efa eny am-paravodilanitra ny fanantenana:

ما عادش تقولوا تونس تحتضر راهو موش إحتضار أما صرخة آلام ولادة الرجال
Tsy afaka hiteny intsony mihitsy ianao hoe miala aina i Tonizia. Tsy toy izao no endriky ny fahafatesana. Io dia kiaka noho ny fanaintainan’ ny reny eo am-piterahana.

Ny korontana ataon'i Tonizia amin'ny vahoakany ihany dia niteraka fanehoan-kevitra maro avy amin'ny olona manerana izao tontlo izao.

Mandefa tweets maneho hevitra momba ny zava-nitranga androany i Saudi Essam Al Zamil:

الجزيرة: عشرون قتيلا اليوم في مظاهرات تونس (يبدو أن الحكومة التونسية الجبانة بدأت باستخدام القتل لارهاب الشعب)

Hoy ny Al Jazeera, olona 20 no namoy aina tao Tonizia tamin'ny fihetsiketsehana androany. Sahal amin'ny mirona amin'ny famonoana olona ny governemanta saro-tahotra Toniziana mba hampitahorana ny vahoakany.

Dima Khatib manohy:

النظام في تونس وقع أمس شهادة بداية النهاية لنفسه. دماء ضحايا القمع في القصرين وتالة فرضت نفسها على وسائل الإعلام. انتهى الصمت
Nanao sonia ny fiantombohan'ny faharavàny omaly ny fitondrana Toniziana. Ny ràn'ireo tsy manan-tsiny tao Kasserine sy Talah dia namela dindo tamin'ireo media mahazatra. Vaky ny fahanginana.

Ary hoy izy manampy:

يبدو أن وسائل الإعلام العالمية لا تحلو لها الأخبار إلا عندما تأتي ملطخة بدماء الأبرياء. خرجت من صمتها حول انتفاضة تونس بالإجبار
Sahala amin'ny tsy dia mahataitra ny media iraisampirenena loatra ny vaovao raha tsy hoe misy rà tsy manan-tsiny raraka. Voatery ihany ry zareo ankehitriny hivoaka amin'ny fahanginana noho ny safoaka Toniziana.

Raha mila video maro avy amin'olon-tsotra ao Tonizia momba ny zava-mitranga eny ifotony, midira ao amin'ny fantsona Youtube-n'ny Nawaat  eto na jereo eto ny hoe tunisians ao amin'ny vimeo.

Ao amin'ny Facebook, pejy iray antsoina hoe Liberate Tunisia no noforonina, miaraka amina fanavaozam-baovao matetika mikasika ny fivoaran'ny raharaha eny ifotony hatramin'ny sarin'ireo tra-doza. Atoa Filoha, mandoro tena ny Toniziana ( Mr President, the Tunisian People are Setting Themselves on Fire) dia vondrona  iray hafa ao amin'ny Facebook, natokana hanangonana ny tatitra mikasika ny tolon'ny vahoaka Toniziana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.