Tonizia : Voasambotra androany i Slim Amamou, mpitoraka bilaogy, mpiara-miasa amin'ny Global Voices

Ity dia lahatsoratra nosoratan'i Malek, bilaogy nasaina , avy ao amin'ilay bilaogy Toniziana iraisana nawaat.org, ary nadikan'i Jillian C. York tamin'ny teny Frantsay.

Slim Amamou

Ny mafana fo sy mpitoraka bilaogy Slim Amamou [ary mpiara-miasa amin'ny Global Voices Mpisolovava] dia nosamborina androany, 6 Janoary, teo amin'ny manodidina ny 1 ora tolakandro teo. Amin'izao fotoana izao, tsy naharay vaovao mikasika azy ny namany sy mpiara-miasa aminy, ary mbola tsy fantatra ny tohin'ity fisamborana azy ity. Tokony nandeha niasa izy taorian'ny namitàny ny fijerena ara-teknika ny fiarany. Ny vaovao farany avy amin'i Slim dia tweet iray teo amin'ny manodidina ny 1 ora tolakandro teo.

tweet: “404L tsy tafita tamin'ny fitiliana noho ny hazavana teo amin'ilay takelaky ny laharam-pamantàrana. Ho lasa malaza ao amin'ny TV aho.”

Tamin'ny 6 ora hariva, nanome ny toerana misy ny findainy ao amin'ny FourSquare social network i Slim Amamou, izay nanome fahafahana ireo mpampiasa izany hitatitra ireo toerana misy azy avy amin'ny alalan'ny “geolocation”. Ny toeran'ny findain'i Slim dia mampahafantatra fa ao anatin'ny faritry ny Ministeran'ny Atitany ao amin'ny Avenue Habib Bourguiba izay ambaran'ity sary ity.

Nampitandrina ny namany i Slim Amamou fa misy mpitandro filaminana miandry ny tranony nanomboka omaly, ary androany dia nahitana mpitandro filaminana iray nanodidina ny tranon'ny iray tamin'ireo namany. Nisy olona tsy fantatra anarana niantso imbetsaka ny toeram-piasany.

tweet: “Nisy mpitandro filaminana niambina ny tranoko sy ny namako omaly ary tamin'ity tolakandro ity, dia niantso ny toeram-piasana izy ireo.”

Ary koa, iray amin'ireo mpitoraka bilaogy Toniziana be mpahafantatra indrindra i Slim Amamou. Namboraka hetsika fanjonoana an'ireo kaonty mailaka Toniziana (phishing operation) tamin'ny taon-dasa. Anisan'ireo nanomboka ny “Tetikady Nhar 3ala 3ammar” ihany koa izy ary iray amin'ireo mpikarakara ny fanoherana ny fanivanana tamin'ny 22 May, 2010 tany Tunis.

Ny andro talohan'ity hetsika ity, dia voasambotra niaraka tamin'ny mpikarakara Yassine Ayari izy ary notanana mihoatra ny 12 ora, tamin'ny farany dia noterana izy handrakitra horonantsary miantso ny fanafoanana ity hetsika ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.