Brezila: Blaogy hanihany voasivana

Ity dia pejy fandraisana ny vahinin'ny blaogin'i Paul Martins, mpiandraikitra ny ARTICLE 19 Brazil. Raha mila fanampim-baovao, mifandraisa amin'i Rebecca Vincent ao amin'ny: paula [ arobazy ] article19 [ teboka] org.

Falha: Forony ny lohateninao

Ireo vondrona Braziliana miaro ny fahalalahana maneho hevitra, anisan'izany ny ARTICLE 19, dia mikarakara fanentanana hanohanana ireo mpirahalahy mpitoraka blaogy Lino and Mario Bocchini, izay notorian'ny gazety Folha de Sao Paulo noho ny lahatsoratra navoaka tamin'ny blaoginy Falha de Sao Paulo. Namoaka valim-pitsarana vonjimaika ny fitsaràna Breziliana momba ny raharahan'ity blaogy ity, izay nandidy ny fanafoanana izany amin'ny aterineto. Niharan'ny antsoin'ireo mpirahalahy hoe “sivana” ity blaogy ity efa ho 80 andro izao. Mety ho fandoavana onitra noho ny fanimbàna ara-moraly, izay mbola hofaritan'ny mpitsara, sy ny fitandremany no ho valim-pitsaràna.

Nandritra ny fampielezan-kevitra ho an'ny fifidianana Breziliana 2010, namorona ny Falha de Sao Paulo ireo mpitoraka blaogy Lino sy Mário Ito Bocchini, blaogy natokana ho an'ny hatsikana, tsikera politika ary fanaovan-gazety. Ny teny “falha” dia midika “tsifahombiazana” amin'ny teny Portioge. Mampiasa sary namboarina, hatsikana ary lahatsoratra blaogy hafa ny blaogy mba hitsikerana ny asan'ilay gazety malaza Folha mpivoaka isan'andro .

Natao dika manihany ilay blaogy, mitovy amin'ireo fitaovana media teo aloha, anisan'izany ny gazetiboky Bundas (“Fitombenana”) sy Caras (“Tarehy”), izay niparitadritaka teny amin'ny fivarotan-gazety nanerana ny firenena tamin'ny taona 90.

Ny gazety Folha de Sao Paulo anefa dia nanapa-kevitra ny hitory ireo mpitoraka blaogy noho ny fampiasan'izy ireo tsy ara-dalàna ny anarana voaaro. Araka ireo mpisolovavan'ny gazety, nikendry ny hanararaotra ny fikorontanan'ny mpampiasa aterineto ity blaogy, izay mety hanafangaro ilay blaogy amin'ny tena vohikalan'ny Folha de Sao Paulo rehefa tafiditra ao.

Ilay blaogy anefa tsy manana tanjona ara-barotra ary tsy misy fampiasàna vola mihitsy. Nosoratana tamin'ny anaran'ireo mpitoraka blaogy ilay adiresy. Nilaza ny gazety fa nanana sain-dratsy hanararaotra ny anaran'ny gazety sy ny lazany ilay blaogy. Tsy misy fiorenany ireo fanambaràna ireo raha araka ireo karazana lalàna sy vontoaty hafa miavaka hita ao amin'ilay blaogy.

ARTICLE 19 dia mino fa ireo fanambaràna nataon'ny Folha de Sao Paulo tamin'ny fitoriana dia tsy misy fiorenany sy naroso tamina raharaha iray izay tena ahitàna mazava tsara fa hikendrena ny hanakanana izay fanehoan-kevitra rehetra ataon'ny blaogy mitsikera ny gazety.

Taorian'ny valim-pitsaràna vonjimaika navoakan'ny mpitsaran'ny Sao Paulo, foana tamin'ny aterineto ilay blaogy ary noraràna tsy hampiasa ny adiresy falhadesaopaulo.com.br ireto mpitoraka blaogy. Amin'ny fitsaràna manaraka dia hodinihan'ny fitsaràna raha tokony handoha onitra noho ny fanimbàna ara-moraly natao tamin'ny gazety ireto mpirahalahy.

ARTICLE 19 dia manamarika fa tsy misy lalàna mazava hamerana ny onitra tokony aloha amin'ny tranga toy izao. Fanampin'izany, tsy misy lalàna mihitsy mampitombo ny fetran'ny onitra tokony aloha.

ARTICLE 19 dia mampirisika ny fitsaràna Breziliana hijery ny fepetra ara-dalàna iraisam-pirenena any Brezila momba ny fahalalahana maneho hevitra, sy hitsipaka ny raharaha satria teo am-pampiasàna ny fahalalahany ny mpitoraka blaogy, nentiny naneho ny fomba fijeriny sy ny heviny amin'ny asan'ny gazety. Tokony hanana fitondràntena mandefitra kokoa ny Folha, amin'ny maha-fitaovana media izay niaro ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety nandritra ny taona maro, amin'ny raharaha mifandraika aminy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.