Venezoela: lany ilay volavolan-dalàna handrindràna ny aterineto

Tamin'ny Alatsinainy 20 Desambra lasa teo, dia nandàny ny volavolan-dalàna izay manome fahefana ireo Mpanatanteraka handrindra ireo zavatra rehetra azo tsidihana ao amin'ny Aterineto any Venezoela ny Parlemanta Venezoeliana. Amin'ny alalan'ny sampan-draharaham-pitantanana, ny CONATEL, dia manana andraikitra hisakana ireo zavatra rehetra mety hifandona amin'ny antoko faha 28 sy 29 ireo ISP mpanome tolotra aterineto rehetra any Venezoela:

  1. Inciten y promuevan el odio y la intolerancia por razones religiosas, políticas, por diferencia de género, por racismo o xenofobia.
  2. Inciten o promuevan y/o hagan apología al delito.
  3. Constituyan propaganda de Guerra.
  4. Fomenten zozobra en la ciudadanía o alteren el orden público.
  5. Desconozcan a las autoridades legítimamente constituidas.
  6. Induzcan al homicidio.
  7. Inciten o promuevan el incumplimiento del ordenamiento jurídico vigente.
  8. Promuevan, hagan apología o inciten a alteraciones del orden público
  9. Utilicen el anonimato.
  10. Desconozcan las autoridades legítimamente constituidas.
  1. Manome vahana sy mahatonga fankahalana sy tsy fifandeferana ara-pinoana, politika, ny tsy fitovian-karazana, amin'ny fanavankavahana na fankahalana vahiny.
  2. Mamporisika na manao dokam-barotra/na manamarina heloka bevava.
  3. Manao fampielezan-kevitra mikasika ny ady.
  4. Manampy trotraka ny fitaintainana eo anivon'ny fiaraha-monina na manakotaba ny filaminam-bahoaka.
  5. mandà tsy manaiky ny fahefan'ny Governemanta.
  6. Mitaona ho amin'ny fifamonoana.
  7. Mamporisika na mampandroso ny fandikàna ny lalàna efa misy.
  8. Mampandroso, manamarina na mamporisika ny fikorontanam-bahoaka
  9. Mampiasa anarana miafina.
  10. Tsy miraharaha ny fahefana ara-dalàna

Araka ny voalazan'ireo mpikambana ao amin'ny kongresy, dia handrindra ny zava-drehetra io lalàna io, ao anatin'izany ny lahatsoratra, sary, feo ary lahatsary, mety hifanipaka amin'ireo zavatra voatanisa etsy ambony. Mandalo amin'ny digam-pitantanana, dia hahazo sazyh enjana ireo ISP izay heveverina fa nandika ny lalàna.

Tamin'ity maraina ity ihany, ny Filoha Venezoeliana Hugo Chávez, dia nanao fanambarana avy amin'ny kaonty twitter-ny fa vao avy namoaka ity lalàna ity hanan-kery izy. Hihatra ity lalàna ity andro iray aorian'ny namoahana azy tao amin'ny Gazety Ofisialy.

Lahatysoratra mifandraika aminy:
Venezuela: A law to regulate the Internet raises controversy
Venezuela: Internet law moves forward, albeit with changes
Venezuela tightens Internet regulation

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.