Tonizia: Mitohy ny sivana, manohy ny diany ireo Telegraman'ny Wikileaks

Nitsoratsoraka tamin'ireo Cables (Avy amin'ny mpandika: ndeha hatao hoe “Telegrama”) farany Wikileaks nalefan'ny Masoivoho Amerikana ary nanolotra tranonkala vaovao hemerenana mamoaka sy miady hevitra momba ireo ampamoaka mikasika ny firenen-dry zareo ny mafàna fo Toniziana. i Nawaat no namokatra ny Tunileaks, ora iray taorian'ny nipariahan'ireo Telegrama nalefan'ilay tranonkala tamin'ny Alahady 28 Novambra.

Ny navoaka voalohany dia nisy Telegrama 17 avy amin'ny Masoivoho Amerikana ao Tonizia. Ny ankamaroan'ireny Telegrama ireny dia miaty fifanakalozana teo amin'ny masoivoho sy ny Departemantam-panjakana Amerikana. Ireo antontan-taratasy miafina dia nampitaina teo anelanelan'ny 28 May 2008 sy ny 9 Febroary 2010. Ny roa tamin'ireo antontan-taratasy dia nosoratan'ny masoivoho amin'izao fotoana, Gordon Gray raha avy amin'ilay nosoloiny toerana koa ny 15 sisa.

Izy ireo dia miresaka indrindra indrindra ny fanaovana tsinontsinona ny zon'olombelona ao Tonizia sy ny faneriterena ny fahalalahana miteny. Ao amin'ny Twitter, noforonina ny tenifototra hoe #tunileaks. Ao ny olona no mifampizara tsiambaratelo samihafa navoakan'ilay tranonkala.

Haingana mihitsy ny governemanta Toniziana, fantatra amin'ny faneritereny ny fahalalahana maneho hevitra, nanakana ny fidirana ao amin'ny Tunileaks. Nobahanan-dry zareo aloha ny http://tunileaks.appspot.com/ (tsy misy ny https). Iray andro taty aoriana, nobahanan-dry zareo ny adiresy IP an'ny Google App Engine (209.85.229.141) mba hisakanana koa ny Tunileaks mampiasa https, mahatonga ny appspot.com ho tsy azo amin'ny ampahany manerana ny firenena.

Na ny gazety Libaney ‘Al akhbar’ amin'ny endriny eletronika aza dia voasivana koa any Tonizia taorian'ny namoahany ny sasantsasany tamin'ireo Telegrama navoakan'ny Tunileaks.

Hanjary ho tery ve ny habaky ny cyber eto Tonizia arakaraky ny ivoahana sy ahitan'ny besinimaro ireo Telegrama sy tsiambaratelo?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.