Hetsika ho fampanginana ny Cablegate sy ny Wikileaks, loza mitatao amin'i Assange

Tandindonin-doza i Julian Assange, mpanangana ny Wikileaks ary iharan'ny fanenjehana ny tetikasany Wikileaks. Herinandro taorian'ny namoahana ireo antontan-kevitra marobe nokilasiana ho tsiambaratelo, antsoina hoe CableGate, hatramin'ireo mpanao politika àvy no nilaza ny fanirian-dry zareo “hihaza azy” sy hahita azy “maty“. Manja ery ny famintinana ireo fanehoan-kevitra nataon'ny OpenDemocracy:

Araka ny asehon'ireo fanehoan-kevitra iraisam-pirenena, tena goavana tokoa ny fidonan'ny CableGate. Nanova izao tontolo izao tsy niandry fanasàna ny Wikileaks ka tsy lanin'ny vavonin'ny sehatra politika. Mafàna vay ankehitriny ny fanenjehana faobe an'i Julian Assange, mpiara-manangana sy mpitondra tenin'ny Wikileaks. Tokony “hohazàina” sy “hovonoina” i Julian Assange hoy ireo olo-maventin'ny politika Amerikana. Irin'ireo mpanao politika ireo ny handefasana azy any Etazonia sy hohelohina araka ny lalàna momba ny asa fitsikilovana nolaniana tamin'ny 1917, lalàna nampidirina hiadiana tamin'ny sosialista sy ireo pasifista (mpandàla fandriampahalemana) nandritra ny Red Scare (ady fanoherana ny kaominisma). “ Tokony hanome tamby Ingahy Obama ho an'izay mahafaty azy na hampiasa “drone“, hoy ny Profesora Tom Flanagan, mpanolotsaina fahinin'ny Praiminisitra Kanadiana Stephen Harper. Raha any Frantsa, toerana nahaterahan'ny Hazavana, dia tondroina ho “loza manambana ny demaokrasia” i Wikileaks.

Zava-dehibe ny hanindriana ny fahasarotan'ny resaka hoe tranonkala enjehina, toy ny anasongadinan'i Hal Roberts azy ao anatin'ny lahatsorany: Amazon´s Wikileak take down (Nialàn'ny Amazon i Wikileak) ary ny anjara andraikitra tànan'ny sehatra tsy miankina ao anatin'izy ity:

tonga amina faritra iray isika izao, amin'ny maha-fiarahamonina, izay ny hany làlan-tokana hiarovana ny karazan-dresaka sasany eto amin'ny aterineto dia amin'ny alalan'ny iray monja amin'ireo fikambanana ampolony eto anivon'ny aterineto. Hevi-dravina ny hamèla manontolo ny fanapahan-kevitra mikasika ny fifehezana ny resaka ara-politika saropady ho eo ampela-tanàn'olom-bitsy, tsy misy arofanina araka ny lalàna na fijery iraisana. Ny olana dia safidy faran'izay ratsy indrindra ny mamèla ireo fanapahan-kevitra mikasika ny hoe votoaty toy inona no anjaran'ny tompon'ireo botnets (robots) afaka hanao fanafihana totoafo (large ddos attacks) (Avy amin'ny mpandika: mba hanavesarana ilay tranonkala hibahanana ny hafa tsy ho tafiditra aminy).

Ary ho an'ireo mpanaraka ny Wikileaks, tsindrian-daona hamaky, hanadihady ary hitrandraka ity fepetra vaovaon'ny  “fangataham-panazavana faobe” ity, izay maka endrika fanadihadiana ifotony ny asa ataon'ny sampana raharaham-bahinin'i Etazonia, ireo mpanohitra an-dry zareo dia nisafidy ny hampiasa ny tsindry ara-politika sy ara-toekarena, toy izay hampiasa ny fepetra araka ny lalàna mba hanakànana ny hafatra amin'ny alàlan'ny fanafoanana ny tolotra. Hafatra mavesatra ho an'ireo mafana fo izany amin'izao fotoana, rehefa tsy maintsy hifidy ny mpampiantrano ny tolotry ry zareo izy ireny. Na dia ireo orinasa goavana aza dia marefo rehefa miatrika tsindry politika. Ity raharaha ity dia noraisina ho ny inforwar (Adin-tserasera) voalohany, izay ny governemanta no etsy anoloana ary ny vahoaka no manatrika azy.

Taorian'ny nanakanany ny kaontin'ny Wikileaks, ny PayPal dia nandefa hafatra fanazavana ho an'ny daholobe milaza hoe:

Noferan'ny Paypal, amin'ny fomba maharitra, ny kaonty ampiasain'ny Wikileaks noho ny fandikàna ny fepetra mifehy ny fampiasana ny tolotra Paypal, izay milaza fa ny tolotra omenay ho fandoavana vola dia tsy azo ampiasaina amina asa mandrisika, mankalàza, na manamora ny fahafahan'ny hafa manao zavatra tsy mifanaraka amin'ny lalàna.  Efa nampahafantarinay ny amin'izao fepetra izao ny tompon'ny kaonty.

Fanambaràna ho an'ny daholobe mitovitovy amin'izany no navoakan'ny Amazon taorian'ny nandakàn-dry zareo ny WikiLeaks hiàla amin'ny tolotra fampiantranoany.

Keep Us Strong

Ho setrin'ireny hetsika antsefantsefany ho fanivànana azy ireny dia nanomboka fanentanana ho famoriam-bola ny WikiLeaks, fanohanana izay tena ilaina tokoa raha toa ka efa an-dàlana ny fanenjehana azy eo anatrehan'ny fitsarana any Etazonia, araka ny siosion-dresaka.  Nozarain'ny WikLeaks amin'ireo mpanaraka azy ao amin'ny Twitter ireo olàna rehetra atrehan-dry zareo mba hitazonana ny hampatanjaka kokoa ny asany.

Ireo mpiaro ny Zon'Olombelona toy ny Reporters without borders (Ireo mpitati-baovao tsy voafetran-tsisintany) dia naneho ny fanohanany, teo koa ireo mafàna fo amin'ny sehatry ny niomerika any Frantsa toy ny La Quadrature du Net.
Maro ny olona no nanapa-kevitra tsy hividy zavatra amin'ny alalan'ny Amazon amin'ity Krismasy ity raha ny sasany kosa tonga dia nanafoana ny kaontiny tao amin'ny Amazon, ary ny pejy Facebook: Ataovy an-kivy i Amazon noho ny nivadihany tamin'i  Wikileaks dia nahazo “mpitia” maherin'ny  7000 .  Raha izay nolazain'i John Perry Barlow ao amin'ny TwitterWikiLeaks no tany fiadiana. Ianareo nio andian-tafika.”

Tsy misy mihitsy na iray aza porofo milaza fa nisy vono olona nateraky ny  famoaham-baovao ho fanta-bahoaka, mitàha amin'ireo fatiolona amin'ny andaniny avy nasehon'ny Wikileaks mivandravandra ho an'izao tontolo izao tamin'ity taona ity. Hita porofo kosa anefa ny finiavan'ireo mpanao politika hifehy ny aterineto, haneritery ny tsy mitovy hevitra aminy sy ny fanosorana ny filazam-baovao ho asa fampihorohoroana, porofon'izany ny volavolam-panitsiana ny lalàna mifehy ny Fitsikilovana. Ary ny fisian'ny porofo marobe, taorian'ireny hetsika anenjehana ny Wikileaks sy Julian Assange ireny, vao mainka miha-sarotra dia miha-sarotra ny asan'ireo mafàna fo amin'ny sehatry ny niomerika sy mpitaky fahalalahana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.