Madagasikara: Fikasana hanongam-panjakana mandritra ny referandaomy

Notanterahina teto Madagasikara tamin'ny 17 novambra 2010 teo moa ny fitsapan-kevi-bahoaka nampiady hevitra ny olona izay takon'ny filazana fanonganam-panjakana tsy nisy ra mandriaka indrindra hatramin'izao nitranga teto amin'ny nosy.

Tamin'ny fotoana nanoratako ity lahatsoratra ity moa dia namahatra tao amin'ny toby iray hodidin'ny tafi-panjakana ny mpioko, sady mandeha ihany ny fifampiraharahana. Namoaka lahatsary mivantana ny  valandresaka nataon'ny mpioko ny mpampiasa Twitter @Randria_09.

Nilaza ny mpitarika ity fiokoana ity, ny Jeneraly Noel Rakotonandrasana, izay nitarika ihany koa ny fanonganam-panjakana izay nanaisotra ny filoha teo aloha Ravalomanana ka nametraka ity fitondrana tetezamita tarihin'i Andry Rajoelina ity ho eo amin'ny fitondrana fa tsy ilain-dry zareo ny mitolo-batana fa mbola eo ampanamafisana ny hetsika ataony izy ireo. Nilaza ny alahelony amin'ny fitarazohan'ny fanovana araon-dRajoelina moa Rakotonandrasana, ka izany no antony nandraisany izao fanapahan-kevitra izao.

Nanomboka toy ny mahazatra ihany ny andron'ny faha-17 Novambra, nahitana olona mizotra mankany amin'ny biraom-pifidianana handrotsa-bato momba ny fidirana mankany aminny repoblika fahaefatra. Tsy nety nandray anjara tamin'ity fitsapa-kevi-bahoaka ity moa ny mpanohitra ho fanoherana ny tsy faneken-dRajoelina hampihatra ny fifanarahana voasonia tamin'ny Aogositra 2009 izay manangana ny governemanta iraisana, na dia tahaka hoekeny aza izany tokony ho tamin'ny 10 ora maraina ny andron'ny 17 Novambra. Mandra-pisian'ny filoham-pirenena vaovao voafidy moa dia mitoetra ho filoha hatrany Rajoelina. Efa nilaza moa izy fa tsy hirotsaka hofidiana amin'ny fifidianana ho avy eo, nampanantena ny hanatanterahana ny fifidianana parlemantera amin'ny volana Marsa, ka harahin'ny fifidianana ho filoham-pirenena amin'ny May 2011, saingy vitsy ihany raha tarafina no hino izany.

Vote

Sary avy amin'i Jentilisa

Nizara ny sarin'ny fifidianana moa ny mpamaham-bolongana Jentilisa [mg] izay itaterany ireo zavatra tsy ara-dalàna hitany na ny maraina[mg] na ny tolakandron’ [mg] ny 17 Novambra. Hoy ny fanamarihany:

Tsy misy valopy intsony moa amin’ity fifidianana iray ity ary dia tsy miafina intsony ny safidin’ny olona raha ny fijeriko azy satria misokatra ho azy ao anaty vata ny taratasim-pifidianana sasany. Hita taratra sahady ny vato maro misafidy. Mampisavovona taratasy ao anaty vata ilay taratasy aforitra dia tahaka ireny hoe maro ireny ny mpifidy.

Avylavitra ihany koa dia nitatitra ny momba ny fitsapa-kevi-bahoaka [mg], nanamarika ny tsy fahatomombanan'ny fifidianana sy ny hadisoana amin'ny kara-pifidianana:

Nisy  ny birao efa nivoha maraina tamin’ity androany ity. Ny fanamarihana azo entina voalohany aloha hatreto dia ny fisian’ny hadisoana betsaka Na ny andro sy taona nahaterahana, na ny anarana, na ny toeram-ponenana. Fa ny tena henjana dia ny tatitra avy amin’ny fianakaviana any Ambohidratrimo. Lisea efa tsy natao biraom-pifidianana hatry ny ela ary tsy ao anatin’ny tokony ho isan’ny birao fandatsaham-bato no voasoratra any anatin’ny kara-pifidianan’ny olona. Tonga teny ny olona vao nivanaka, ary nasaina nifindra amina birao hafa.

Amin’ireo birao fandatsaham-bato voatsidika androany aloha dia nilamina amin’ny ankapobeny ny fizotran’ny fitsapan-kevibahoaka. Nisy ihany anefa teny an-tsefantsefany teny ny tsy fahatomombanana maro samihafa, toy ny an’ny birao tokony hifidianan’ireo avy etsy Ankorondrano andrefana: ny filohan’ny birao fandatsaham-bato mihitsy, miampy ny filoham-pokontany no sady tsy ao anaty lisitra no tsy manana kara-pifidianana. Birao mifanila aminy eo ihany no nahitana kosa fandraisana ny anaran’ireo olona tsy hita tabilao ireo ka soratana ao anaty kahie iray daholo mombamomba ireo rehetra te-haneho safidy nefa tsy hita lisitra sy sy nanana karatra. Nolazaina moa fa ho entina manitsy ny aoriana noho ny ‘hadisoana betsaka hita ao anaty lisitra nataon’ny CENI’ no antony hoy ireo teo an-toerana.Tetsy amin’ny CEG Antaninena no nitrangan’izany.

Ariniaina, mpamaham-bolongana avy amin'ny FOKO moa nitatitra tny vokatry ny fitsapana an-tserasera nataony mikasika ny fitsapa-kevi-bahoaka:

YES, they wanted to vote because it is their right and their duty to do so. So that they would be able to express their voice. One person said that they did not really want to vote but they heard that there would be a sanction for those who did not.

For the NO side, the reason can be divided into 3 groups. The first group said that they would not have time for this, they would not be able to do this (because they live abroad), they were not interested in it, or they did not feel involved, they did not understand the reason of this referendum, it was just nonsense. The second group is people who believed that this referendum was a way to legalize the current regime and the YES is anyway sure to win. The third group is convinced that the current situation of Madagascar, the political crisis and the social problems are not opportune for the holding of an election now and would not bring proper solutions to all the issues.

ENY, te-hifidy ry zareo satria sady zo izany no adidy. Mba ho afaka maneho ny safidiny ihany koa ry zareo. Ny iray moa niteny fa tsy te-hifidy saingy naheno fa voasazy izay rehetra tsy mandrotsa-bato eo.

Ny an'ny TSIA koa, dia mizara telo ny antony. Ny vondrona voalohany milaza fa tsy manam-potoana, tsy afa-mifidy (satria mipetraka any Andafy), tsy mahaliana azy io, tsy misy idirany io, tsy azony ny anton'ny fitsapa-kevi-bahoaka, na tsy misy ilàna azy io. Ny vondrona faharoa kosa milaza fa fomba entina haha-ara-dalàna ny fitondrana ankehitriny io ary tsy maintsy handresy hatrany ny ENY. Ny vondrona fahatelo kosa resy lahatra fa tsy fotoana hanatanterahana fifidianana izao noho ny krizy sy toe-draharaha mbola iainana eto Madagasikara izao sady tsy vahaolana amin'ireo olana rehetra ireo izany

Tokony ho tamin'ny iray ora atoandro no nanombohan'ny fikasana hanongam-panjakana.Nanasa ny mpanao gazety ho any amin'ny toby miaramila akaikin'ny seranam-piaramanidina ny manamboninahitry ny tafika miisa 20 hilazany ny handraisany ny fahefana. Anisan'ny fitakiany moa ny hamoahana ny gadra politika rehetra sy ny hiverenan'ny mpitondra rehetra mialokaloka any ivelany ka anisan'izany ny mpitondra naongana Marc Ravalomanana.

Andry ao amin'ny the Cyber Observer no nanoratra tao amin'ny bolongany:

Yesterday around 01.00pm at the BANI (Air Force) military camp of Ivato (suburb of Antananarivo), 18 high ranked officers from the Army, the Gendarmerie and the Police released a communiqué in which they declared that the HAT was dissolved and replaced by a new military committee which has been set up to run the country, that general secretaries had to run their respective ministries instead of ministers, and that all the state organs were under their control. They also invited the other officers to join them and commanded to all soldiers to go back and stay in their camps of origin.

Omaly tokony ho tamin'ny iray ora atoandro teo dia namoaka fanambarana tao amin'ny toby miaramila BANI Ivato, ny manamboninahitra ambony 18 avy amin'ny tafika, ny zandarimaria ary avy amin'ny polisy fa foana ny HAT ka soloina komity miaramila izay hatsangana hitondra ny firenena, ny sekretera jeneray no hisahana ny minisitera tsirairay avy, efa eo ambany fahefany avokoa ny andrim-panjakana rehetra. Manasa ny manamboninahitra hafa moa izy ireo hanatevin-daharana ary nanome baiko ny miaramila rehetra hiverina any an-toby niaviany avy.

Nandritra ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra moa dia efa andalam-pahaverezana ny fanambiny ny mpanongam-panjakana. Mbola mifampiraharaha amin'ny mpanongam-panajakana moa i Andry Rajoelina ary manontany tena ihany ny ao amin'ny Reuters raha nanolotra toerana ho an'ny mpioko izy mba hamahana ny olana.

Mandritra izany fotoana izao moa dia malaza amin'ny aterineto ny tsaho tsy voamarina ny hiverenan'i Didier Ratsiraka, filoha teo aloha nanam-pifandraisana akaiky tamin'ny miaramila, ao anatin'ny fotoana fohy.Nisioka i AngloMalagasy:

“nolazain'i Sobika fa misy tranga maro hita mampanombana ny fiverenan-dRatsiraka Didier eto #Madagascar amin'ity herinandro ity”

Ary sao dia adino fa misy fitsapa-kevi-bahoaka tamin'io andro io, ny vokatra vonjimaika moa dia mametraka fa mitarika lavitra ihany ny “Eny” araka ny taterin'ny mpampiasa Twitter Thierry Andriamirado [fr],

“Résultats intermédiaires de (3433?) bureaux de vote #Référendum #Madagascar : Oui: 71% Non: 28%”

“Voka-pifidianana vonjimaika avy amin'ny biraom-pifidianana 3433? polling stations #referendum # Madagascar are : 71% Yes, and 28% No”

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.