Shina: Mafàna fo nohelohina herintaona hanao asa fanarenana noho ny sangy ratsy ara-politika

Araka ny bitsika nalefan'ireo Mpiaro ny Zon'Olombelona ao Shina, ilay mafàna fo amin'izany fiarovana zon'olombelona izany Wang Yi, Cheng Jianping 程建萍 no tena anarany,  dia voaheloka herintaona hanao asa fanarenana noho ny famerenana nandefa lahatsoratra politika miendrika tononkalo manao sangy ratsy mikasika ny hetsika  tsy fankasitrahana an'i Japana tao amin'ny Twitter.

Talohan'ny nilatsahan'ny sazy fampanaovana asa fanarenana dia notànana tao amina trano fivahinianana iray tao an-tanànan'i XinXiang, faritanin'i Henan i Wang Yi. Nentina tany amin'ny biraon'ny polisy izy ny 15 Novambra, naràhana polisy 6-7 teo, ary noterena hanao sonia ny sazy hanao asa fanarenana navoakan'ny Komitin'ny Asa Fanarenana ao amin'ny tanànan'i XinXiang. Nilaza ny fanamelohana fa hoe  “nanakorontana ny filaminam-bahoaka izy”. Nandà tsy hanasonia ilay antontan-taratasy i  Wang Yi.

Ny 17 Oktobra, namerina nandefa ny bitsika avy amin'i Hua Chunhui izay mihantsy amin'ny fomba mahatsikaiky ny fankahalan'ireo tanora Shinoa ny Japone i Wang Yi tamin'ny fanasàna azy ireo handràva ny tranoheva Japoney nandritra ny fampirantiana tao Shanghai. Nampiany fanehoan-kevitra iray, “Tanora tezitra, tongava ka poteho ny tranoheva”  tao anatin'ilay famerenana bitsika nataony.

Nadikan'ny polisy ho fanakorontanana filaminam-bahoaka ny sangy ratsy nataony ary nahatonga ny Komitin'ny Asa Fanarenana hanameloka azy hifonja herintaona ao amin'ny toby fanatanterahana asa fanarenana ao akaikin'ny reniranon'i Zhenzhou Shibali, manomboka ny 15 Novambra 2010 hatramin'ny 9 Novambra 2011.

Raha araka ireo bitsika avy amin'i Xiaoyong, efa hatrany amin'ny taona 2006 tany i Wang Yi no nanjary mafàna fo teo anivon'ny aterineto ary nanampy mafàna fo mpiaro zon'olombelona maro tokoa hanangom-bola sady nandray anjara tamina hetsika tselatra maro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.