Chiapas: fisamborana tsy misy didy natao tamina mafàna fo amin'ny Rindrankajy Malalaka (Logiciel Libre)

Chiapas no mpisava làlana tamin'ny fampiasàna ny zoto an-tserasera dizitaly tamin'ny hetsika sosialy be mpahalàla. Tamin'ny 1994 izy no nanomboka niaraka tamin'ny hetsiky ny Zapatista ary mitohy hatrany ho fitaovana fanomezana hery ireo mpihoko. Manome safidy vaovao ho an'ny haino amanjery dizitaly – gazety an-tsoratra sy fampielezampeo izy – manampy ireo Chiapanecos handrafitra ny rindrankajiny azy manokana izy – manna hatramin'ny hackerspaces ry zareo ao anatin'nyu vondrom-piarahamoniny mahaleotena toy ny Oventic sy ny Tzajala – ary mitombo hatrany foana ny vondrom-piarahamonin-dry zareo araka izay azonao jerena ao amin'ny  Chiapatuit, Fedora sy ny vondrom-piarahamonin'ny rindrankajy malalaka  (Logiciel Libre).

Héctor Bautista

Taorian'ny namoahan'ny Informe Chiapas, “InfoChiapas”, gazety tsy miankina mpanao fanadihadiana, nataon'i Antony Flores Mérid, ny  lahatsoratra iray manakiana ireo trosa miavosa sy ireo fanapahan-kevitra ara-bola tsy marin-toerana ataon'ny mpitondra, dia nisy “hafatra” iray nalefa ho an'ny mpampiantrano (hebergeur), taorian'ny antso an-telefaonina maromaro mampiahiahy.

Ny 3 Novambra dia polisy tokony ho 15 teo ho eo sy manampahefana hafa avy amin'ny governemanta no nitsidika tampoka tao amin'ny biraon'i Héctor Bautista, ao amin'ny Filankevi-Pirenena momba ny Zavakanto sy Kolontsaina ao Chiapas, toerana izay iasany amin'ny maha-Administrateur Système azy. Tsy nampiseho didy fampisamborana mihitsy ireo manampahefana no sady tonga dia nifaoka ny fitaovany rehetra, CD, fanalahidy USB ary ny fiarany.

Ampangaina ho nanao heloka bevava maro samihafa izy, isan'izany ny hoe fanelezana sary vetaveta misy fandraisana anjaran'ny ankizy ( ary niainga avy amin'ny adiresy mailakany, izay zavatra sarotra inoana ho an'ny olona rehetra manana fahalalàna momba ny teknolojia) ary dia tsy mahazo mandao ny trano misy azy izy, tsy afaka mivoaka ny Chiapas mandrapahazavan'ny fanenjehana azy no sady mety hiatrika fitsarana sy hiditra am-ponja mihitsy, raha voaheloha. Matahotra mafy ilay mpanao gazety nanoratra ny lahatsoratra ary velom-panahiana ny amin'ny ainy.

Nandritra ny fihazonana azy, tsy nahazo alàlana hifandraytamin'ny fianakaviany na ny mpisolo vava azy i Héctor tao anatin'ny 18 ora. Hatramin'ny nandraofana ny fitaovany rehetra tsy nisy didy avy amin'ny fitsaràna, azon'ireo manampahefana natao tsara mihitsy ny mamorona porofo ho entina manameloka azy. Zava-dehibe ny hilazàn fa i Hector dia mpitolona ho an'ny rindrankajy malalaka (logiciel libre), mpikambana ao amin'ny  Chiapatuit- vondrom-piarahamonin'ny mpampiasa Twitter ao Chiapas ary mpirotsaka an-tsitrapo amin'ny fanomezana fiofanana ny olona amin'ny resaka fitaovana maimaim-poana/malalaka.

Tsy tranga maningana io. Tamin'ny volana lasa, dia efa nandrava fampielezam-peom-paritra iray ihany koa ny governemanta “Proletarian Radio” izay hadihadiana noho ny resaka haavon'ny kolikoly ataon'ny governemanta sy ny polisy ao Meksika. Miaraka amin'ireo tambajotra-na vondrom-piarahamonina sy ireo olona mahafehy tsara ny sehatra dizitaly, mety ho fitaovana matanjaka tsara ny aterineto mba ho fampandraisana andraikitra ireo manampahefana ao an-toerana sy hitorohana ny kolikoly. Taorian'ilay fisamborana dia marobe ny olona no nitoraka bilaogy sy nandefa sioka (tweets) ho fanehoana firaisankina tamin'ny alàlan'ny tenifototra #censurachiapas – tenifototra- sivana Chiapas. Nefa toa sahala amin'ny misy haingam-piasa kokoa noho ireo mafana fo hatramin'ny nisian'ny fijirihana ny tranonkala fanohanana an'i Héctor taterin'ny bilaogy Censura Chiapas.

Azo vinaniana ho izany no antony ampiasàn'ny manampahefana ny rafi-pitsarana ho toy ny biby fampitahorana – ho andrana hanakanana ny tsy azo sakanana: dia ny feon'ny vahoaka mitaky fanajàna sy valinteny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.