Chile: Mpianatra Manao Dia Lavitr'ezaka Maherin'ny Arivo Kilaometatra ho an'ny Fanabeazam-Bahoaka

[Raha tsy misy filazana manokana, ny rohy rehetra ato dia amin'ny teny espaniola] Patricio Contreras, Fabián Muñoz, ary José Luis Mansilla, mpianatra telo amin'ny sampana Siansa Politika sy Fitantanana ao amin'ny Anjerimanontolon'i los Lagos, no hamakivaky 1016 km an-tongotra ho fanoherana ny fitsitotongan'ny kalitao sy ny fiakaram-bidin'ny Fanabeazana Siliana. Ilay Dia lavitr'ezaka ho an'ny fanabeazam-bahoaka dia nanomboka tao Puerto Mont ny Alakamisy 30 septambra ary ny tanjona hitodiana dia i  Santiago, renivohitr'i Chile (Chili). Ny Dia lavitr'ezaka nataon-dry zareo dia nahazo tohana sy fandrisihana mientanentana avy amin'ny tontolon'ny fitorahana bilaogy sy ireo tambajotra sosialy. Tsy dia misy loatra tati-baovao momba ity Dia lavitr'ezaka ity avy amin'ireo haino amanjery Siliana.

sary avy amin'ny mpianatra, nampiasaina rehefa nahazoana alalana avy amin-dry zareo

Caminata Santiago, na Hitody any Santiago, (@destinosantiago) no anaran'ny kaonty Twitter-ndry zareo ary manana olona efa maherin'ny 400 manaraka azy. Ny teny fanevan-dry zareo dia ny hoe “ante la educación de mercado estudiante organizado” (Mpianatra Mivondrona hanohitra ny Fanabeazana Mifototra fotsiny amin'ny Ara-Bola). Amin'ny alalan'ny pejy Facebook-ndry zareo sy tambajotra sosialy hafa koa no ifanohanan-dry zareo sy anapariahany ny vaovao momba ny hetsika ataony isaky ny faritra samihafa lalovany manerana an'i Chile:

Tres estudiantes de la Universidad de Los Lagos, dan inicio a esta caminata por la Educación Chilena el día Jueves 30 de septiembre a las 14:00 horas. Sabemos que esto nos compete a todos, esperamos que para ti sea significativa esta consigna, durante el camino que se desarrolla a Santiago se espera que más estudiantes se acoplen a esta gran causa.

Mpianatra telo avy amin'ny Anjerimanontolon'i Los Lagos, no nanome ny mari-piaingàna tamin'ity Dia lavitr'ezaka ho an'ny fanabeazana Siliana ity tamin'ny Alakamisy 30 Septambra tamin'ny 2 ora tolakandro. Fantatsika fa andraikitsika izany ary an'ny rehetra. Antenainay fa hisy dikany aminareo izany teny fianeva izany mandritry ny Dia lavitr'ezaka hataonay hatrany Santiago. Ary antenainay fa ho marobe ny mpianatra hirotsaka amin'ity hetsika goavana ity.

Ny hevitra dia nipoitra nandritry ny iray tamin'ireo fihaonan'ny Chilean Student Confederation (CONFECH [es]) na Fiombonamben'ny Mpianatra any Chile, ka tamin'izany no nifaneken-dry zareo niaraka tamina mpianatra avy amina Anjerimanontolo hafa ny amin'io tetika fanoherana io ho setrin'ny politikan'ny governemantan'i Sebastián Piñera hametraka ny fitantana ho an'ny tsy miankina. Ireny politika ireny izay niroborobo teo ambanin'ny governemanta roa farany nifandimby teo, tanatin'ny politikan'ny  Concertación (Fiaraha-mitantana), araka ny tatitry ny bilaogy mitantara ilay dian'ny fanoherana [es].

Tany ampiandohana, dia mpianatra telo monja no nandroso hevitra ny hanaovana Dia lavitr'ezaka hatrany Santiago, fomba iray hisarihana ny saina ho any amin'ny fanabeazam-bahoaka sy ny tokony hamonjena azy. Nitohy niroso hatrany ry zareo ary nahazo mpanaraka marobe ho amin'ny hetsika ataony. Avy ao amin'ny kaonty Twitter-ndry zareo, ilay vondrona dia  miteny fa [es]:

NO SOLO LOS MINEROS NOS DIERON UNA LECCION @destinosantiago LO HACEN POR TU EDUCACION…por TUS HIJOS, POR TI RT

TSY IREO MPITRANDRAKA HARENA AN-KIBON'NY TANY IRERY IHANY NO AFAKA HANOME LESONA HO ANTSIKA. @destinosantiago MANDAO DIA LAVITR'EZAKA HO AN'NY FANABEAZANA ANTSIKA RY ZAREO, HO AN'NY ZANAKAREO, HO ANAREO! RT

Ale Botinelli (@alebottinelli) dia mitondra ny fanohanany amin'ny alàlan'ity sioka ity:

400 kms de Convicciones!! Estudiantes marchan a Santiago por Educación digna y de calidad! @destinosantiago RT

400 km feno fahavononana!! Mandeha miazo an'i Santiago ireo mpianatra mba hisian'ny fanabeazana manana kalitao aroso azy! @destinosantiago RT

Tamin'ny fandalovany tamin'ireo tanàn-dehibe any atsimon'i Chili, nihaona tamin-kafaliana ireo mpianatra:  Ireo mpianatra telo avy amin'ny Anjerimanontolo izay nandao an'i Puerto Mont tamin'ny 30 septambra lasa teo ary nisy mpianatra telo hafa nirotsaka koa avy ao  Osorno, dia tonga tao Temuco 12 andro taty aoriana, renivohitry ny  faritra  Araucanía. Noraisin'ny naman-dry zareo tao amin'ny Anjerimanontolon'i  Frontera (UFRO) izy ireo ary nitombo koa teo ny mpanara-dia hafa nanatevin-daharana an-dry zareo.

Ny bilaogy Trinchera de la Imagen dia miteny fa ilay Dia lavitr'ezaka dia mikendry ny hanaitra ny sain'ny maro hibanjina ny zava-mitranga eo amin'ny fanabeazana amin'izao fotoana raha mbola eo an-dalam-pandinihana azy indrindra ny Tetibolam-Panjakana 2011. Dinihana ny fandraisan'anjaran'ny fanjakana amin'ny resaka fanabeazana.

Ni fitakiana dia mikendry ny hahazoana vola mismisy kokoa ho an'ny fanabeazana sy hanavaozana lalàna maro, raha ny filazan'ny bilaogy G80 [es].

En el Sistema Educacional chileno, priman los principios del Mercado, antes que un Estado responsable de entregar una Educación de Calidad para todos. Lo anterior conlleva a que en Chile exista una Educación para ricos y otra para pobres, donde los que pueden pagar el lucro de la educación privada o particular subvencionada pueden optar a una Educación de Calidad. Ante esto, decimos FIN AL LUCRO, CALIDAD PARA TODOS.

Ao anatin'ny rafi-pampianarana Siliana, ny lalàn'ny tsena  no mavesa-dnja noho ny andraikitra tokony ho raisin'ny Fanjakana amin'ny maha-mpiahy azy ny fanabeazana manara-penitra ho an'ny rehetra. Izay mitarika ny fisiana fanabeazana natao ho an'ny mahantra sy ny mpanana ao Chili. Ireo izay afaka mandoa sarany lafo any amin'ny tsy miankina na ireo toeram-pibeazana tsy miankina mahazo famatsiam-bola dia afaka mifidy fampianarana tsara kalitao. Ho an'izany rehetra izany no itenenanay hoe: “ATSAHARO NY FITADIAVANA TOMBONTSOA AMIN'NY FAMPIANARANA AMBONY, KALITAO HO AN'NY REHETRA”

Ho an'ny Fiombonamben'ny Mpianatra Siliana (CONFECH) indray dia nanambara ry zareo tao amin'ny  bilaogin-dry zareo hoe [es]:

por acuerdo unánime respalda y se adhiere a la manifestación iniciada por los Estudiantes de la Federación de la Universidad de los Lagos (Campus Puerto Montt), quienes emprendieron una caminata desde la ciudad señalada rumbo a la capital del País, convocando además a estudiantes que en el trayecto se plegarán a dicha manifestación, en repudio a la agenda privatizadora del Gobierno, en defensa y desarrollo de la educación pública

Izahay dia tsy misy mitsipaka ary momba  sy mirotsaka amin'ilay hetsika natombok'ireo mpianatra avy amin'ny Fiombonamben'ny Mpianatry ny Anjerimanontolon'i Los Lagos (ao Puerto Montt), izay nanomboka ity Dia lavitr'ezaka ity niala avy tany an-tanànany ho any amin'ny renivohi-pirenena. Anatin'ny diany dia miantso ny mpianatra sy ny rehetra koa ry zareo mba hirotsaka amin'ny hetsika ataony, manameloka ny vinavinan'ny governemanta hanome ny fitantanana ho an'ny tsy miankina , ka hanohana ny fiarovana sy ny fampiroboroboana ny fanabeazam-bahoaka.

Comunicaciones FECH dia manolotra ilay Dia lavitr'ezaka ho toy ny hetsika fanoherana am-pilaminana miezaka misarika ny saina amin'ny tsy fahombiazan'ny rafi-panabeazana Siliana, izay tsy mitsaha-mitombo ny sarany ary miantraika amin'ny fahafaha-manjifan'ny isan-tokantrano sy ny mpianatra. Ny saran'ny fidirana amin'ny anjerimanontolo izay mametraka an'i Chili ho laharana faha-enina manerantany amin'ny halafosany. Ny tatitra dia milaza fa efa nialàn'ny Fanjakana madiodio:

Según expresó Cesar Mallipán, en un diario local: “a medida que vamos avanzando, pretendemos seguir socializando nuestras demandas sobre la urgente necesidad de un mayor financiamiento de las universidades estatales, y la democratización de esta.”

Raha ny fijerin'i  Cesar Mallipán, ao anaty gazety an-tsoratra iray ao an-toerana : “ arakaraky ny androsoantsika no ilàntsika manohy ny resaka  mikasika ny fitakiantsika. Maika ny filàna famatsiam-bola goavana ho an'ireo anjerimanontolo tantanan'ny fanjakana ary amin'ny fomba demaokratika.

Pulso: Porque Chile Late [es] sy Redmedios [es] dia mitatitra mikasika ilay Dia lavitr'ezaka sady manentana ny hafa hirotsaka:

“Estudiantes de todo Chile de las Universidades se suman en el camino”

“Ry mpianatra avy amin'ny Anjerimanontolo Siliana, ateveno ny dia”

Image from Facebook;

Mandritra izany ao amin'ny Twitter, be ny hafatra sy fanentanana ho fanohanana sy firaisankina nivoaka. Ohatra iray ny hafatr'i Veronica Ramirez (@noalachibueno):

Me gustaria que se unieran cada dia mas estudiantes a la caminata por la educacion publica de calidad.

Isanandro dia maniry mpianatra maro hirotsaka amin'ity Dia lavitr'ezaka ho an'ny kalitaon'ny fanabeazam-bahoaka ity aho.

Rene Aucapan (@ReneAucapan) sy mpampiasa Twitter hafa no nanomboka niantso fanohanana bebe kokoa tamin'ny alalan'ireo tambajotra sosialy:

Yo tambien Apoyo la Caminata de Estudiantes Por la Educacion Publica #YoApoyoCaminataEstudiantesUniversitarios

Izaho koa manohana ilay Dia lavitr'ezaka ataon'ireo mpianatra fo an'ny Fanabeazam-Bahoaka#YoApoyoCaminataEstudiantesUniversitarios

Caminata Santiago (@destinosantiago) dia mamoaka fanampim-baovao isanandro mikasika ireo tanan-dehibe lalovany ary momba ny hetsika fampahafantarana ataon'ny mpianatry ny Anjerimanontolo. Ny hafatra dia  mafy sy mazava:

Y donde están los que decían que los caminantes se iban a volver a mitad de camino? Por la Educación Pública de Calidad,Fuerza Compas!! RT!!

Dia aiza izao ireo niteny fa eny antsasa-dàlana dia hiverina ireo mpanao Dia lavitr'ezaka ? Ho an'ny Fanabeazam-Bahoaka tsara kalitao, Mahereza sy mahatanjaha ry Namako isany!! RT!!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.