Angola: mpanao gazety nisy namono: Famoretana sa herisetra an-tanàn-dehibe?

Tamin'ny 5 Septambra dia namoy ny ainy teo an-tanan'olon-tsy fantatra ilay mpanao gazety Albert Graves Chakussanga izay tsy nisalasala akory nitifitra azy tao ivelan'ny trano fonenany, tany an-tanànan'i  Viana ao Luanda. Araka ny voalazan'ny Reporters without Borders (mpanangom-baovao tsy voafetran'ny sisintany), novonoina avy tany aoriana tamin'ny alalan'ny bala tsy re i Chukassanga. Tao an-trano ny rahavavy am-panambadian'ilay mpanao gazety, ary tsy nahamarika na inona na inona. Mbola tsy mazava ny anton'ilay famonoana. Tsy natao nandalo fotsiny ihany anefa izany tany amin'ny tontolon'ny bilaogy Angolana.
Ao amin'ilay bilaogy Pensar e Falar Angola (Fiheverana sy fitenenana Angola) [pt] vakio ity manaraka ity.

Familiares e vizinhos de Chakussanga encontraram o jornalista caído, baleado nas costas, em um corredor de sua casa no distrito de Viana, em Luanda, na manhã de segunda-feira, de acordo com jornalistas locais. Ele era apresentador de um programa semanal de notícias com participação de ouvintes, em língua Umbundu, na emissora privada Rádio Despertar.

Nahita azy nitsitra tamin'ny tany ny fianakaviany sy ny mpiara-monina amin'i Chakussange, voatifitra avy tany aoriana, tany amin'ny fidirana mankany an-tranony tany amin'ny disitrikan'i Viana, any Loana, ny marainan'ny Alatsinainy, araka ny voalazan'ireo gazety tao an-toerana. Mpanolotra fandaharam-baovao isan-kerinandro amin'ny teny Umbundu, tao amin'ilay foiben'onjam-peo tsy miankina Rádio Despertar [Radio Mamoha].

Fanontaniana roa no mipetraka. Niharan'ny habibiana manjaka eo an-tanàna ve i Chakussanga, sa nasaina nangina izy fa niteny zavatra tsy tokony noteneniny? Mbola eny amin'ny rivotra ny valiny. Araka ireo zavatra voalaza, tamin'ireo fikarohana natao tany an-tranon'ity mpanao gazety mahantra ity dia tavoahangina gazy [fandrahoan-kanina] ihany no tsy hita. Tsy nisy ny fisamborana ary raha ny zavatra tsikaritra, fahafatesan'ny mpanao gazety iray hafa atao famotopotorana fotsiny ihany ny fahalasan'i Alberto Chakussanga na ny hafa.

Araka ny voasoratra tao amin'ilay bilaogy ihany koa,

Chakussanga possuía uma legião de ouvintes entre os Ovimbundu, o maior grupo étnico angolano originário do sul do país, base do antigo movimento rebelde UNITA, de acordo com jornalistas locais. A Rádio Despertar foi lançada em Dezembro de 2006 sob os termos do acordo de paz de 2002 entre o partido governante, MPLA e a UNITA.

Nanana mpihaino marobe i Chakussanga tany Ovimbundu,  vondron'ny ankamaroan'ireo foko Angoley avy any amin'ny faritra Atsimon'ny nosy, ny fototr'ilay fanohanana ny hetsik'ireo mpanohitra taloha UNITA, araka ireo gazety any an-toerana. Nitsangana tamin'ny Desambra 2006 ny Rádio Despertar tao anatin'ilay fifanaraham-pandriampahalemana nataon'ny ankolafy nitondra MPLA sy ny UNITA tamin'ny 2002.

Ao amin'ilay bilaogy Universal [pt], ampitahaina amin'ilay trangan'ny famonoana an'ilay mpanao gazety Ricardo de Melo ity tranga ity. Na androany aza, mbola tsy voavaha ihany ity tranga ity.

O assassinato de Alberto Graves Chakussanga é mais um caso em que forças ocultas decidem silenciar jornalistas incómodos. A 18 de Janeiro de 1995, o director da publicação independente, ImparcialFAX, Ricardo de Melo, foi assassinado em Luanda. As autoridades nunca apuraram as circunstâncias da morte de mais esta voz de uma comunicação social não comprometida com o regime no poder.

Mbola tranga iray mikasika ireo herisetra miafina mba hampanginana ny mpanao gazety miteraka fikorontanana ny famonoana an'ilay mpanao gazety Alberto Graves Chakussanga. Nisy namono tany Loanda ny talen'ilay famoahana  [ImpartialFAX], Ricardo de Melo ny 18 Janoary 1995. Tsy nahita ny antony mazava nahatonga ity famonoana feon'ny loharanon'ny media iray tsy nahazo faneken'ny fitondrana ity ny manampahefana.

Nanoratra mikasika ity mpanao gazety mahantra ity ihany koa ny tompon'ilay bilaogy Em Angola [pt], tsy nanadino ny fanamarihany fa mbola risika ny fampiratiana ny asa fanaovan-gazety any Angola.

Não tivesse sido morto, o jornalista Alberto Graves Chakussanga talvez nunca ficasse conhecido. Uma busca pelo nome de Chakussanga no Google gera 16 mil resultados. A prática do jornalismo em Angola é delicada, já que o país é governado por um mesmo partido há três décadas, e não há muita liberdade de imprensa.

Mety tsy dia be mpahalala ilay mpanao gazety Alberto Graves Chakussanga raha tsy nisy namono. Ahitana valiny 16,000 ny fikarohana ny anarana Chakussanga. Sarotra ny asa fanaovan-gazety any Angola, satria efa ho telopolo taona izao dia mbola ankolafy iray foana no mitondra ny firenena, ary tsy dia misy ny fahalalahan-gazety.

Maro ireo nanangam-peo mba hanamelohana ny fahafatesany, tahaka ny Reporters sans frontières sy Mohamed Keita, Komity misahana ny Fiarovana ireo Mpanao gazety any Afrika. Tao anatin'ilay fanambarana nataony, nanentana ny manam-pahefana hikaroka ny antony mety nahatonga ity famonoana ity i Keita, amin'ny fieritreretany ny asan'ity niharan'ny famonoana ity. Manameloka izany ihany koa Irina Bokova, tale jeneralin'ny UNESCO. Malahelo ny fahalasanan'ity mpanao gazety ity sy ireo mpanao gazety hafa mizaka ny zom-pirenena samy hafa izay namoy ny ainy tamin'ny volana lasa teo ihany koa izy, maneho ny fiahiahiany amin'ity firoboroboan'ny famonoana mpanao gazety erantany izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.