Horonantsary: Ahoana no hikajiana ny rano ho madio lalandava sy hampiasàna azy am-pisainana

Happy Raindrop Water Droplet by D Sharon Pruit CCby

Avana mahafinaritra anaty teten-drano avy amin'i  D Sharon Pruitt CCby

Toa lasa lamaody indray ny horonantsary momba ny fikajiana ny rano, satria na olon-tsotra na fikambanana dia samy mamokatra horonantsary ahitàna pitsopitsony sy torohevitra mikasika ny fomba tsara tokony hatao mba hitandremana ny loharanon-dranontsika avokoa. Avy amin'ny toro-làlana ho fampiasàna ny rano efa niasa na fifehezana ny firobarobàna rehefa mampiasa trano fidiovana isika, natao ho an'ireo ankizy madinika any Valle del Colca ao Peru, anazavàna ny maha-zava-dehibe ny tokony hitandroana ny loharanon-drano iraisan'ny daholobe ho madio lalandava.

Ireo ankizy any amin'ny faritra ambanivohitr'i Colca Valley ao Peru no itarafana ny fiantraikan'ny fandotoana ny loharanon-drano sy ny fisotroana rano avy amin'izy ireny. Naniraka an'i Rosita sy Abelito mba hantsaka haka rano hampiasaina ao an-trano ny renin-dry zareo, dia lasa izy ireo niaraka tamin'ny tavin-dranony nankeny amin'ny lakandrano. Kanefa, ny mpikambana sasany ao amin'io vondrom-piarahamponina io dia ao anatin'io rano io no mamany (mipipy), ao koa ny olona sasany no manary ny malotony ary eo ny biby no misotro rano voapoizina satria tsy mahita toerana hafa hisotroana rano. Taorian'ny dia lavitra nataony dia reraka sy nangetaheta i  Rosita sy Abelito, dia nisotro kely aloha, avy eo manohy ny dia mamonjy fodiana miaraka amin'ny tavin-dranony efa feno. Rehefa vita ny raharahan'izy ireo dia omen-dreniny fahalalahana hilalao amin'izay ry zareo, saingy fotoana fohy ihany izany satria manomboka maharary mafy azy ireo ny vavoniny. Mitondra azy ireo any amin'ny tobim-pitsaboana ny reniny ary dia mandray azy tsara tokoa ny mpitsabo, mampitandrina azy anefa izy fa tsy tokony hisotro rano raha tsy efa nampangotrahana mba ho azo sotroina. Any amin'ny farany, Abelito dia mampitandrina ny mpijery mba tsy hamàny sy hanao maloto eny an-doharano, sy tsy hanary fako amin'izy ireny mba hisitrahan'ny rehetra rano madio.

Ny Water Savers 4 Life dia nanapa-kevitra ny hihira mba ho fikajiana ny rano. Ny toro-làlana folo avy amin-dry zareo dia nohiraina tamin'ny gadon'ilay hira malaza fanao rehefa andro Krismasy:

Ity Espaniola mpikarakara tokantrano ity dia mitsitsy rano ara-bakiteny mihitsy. Rehefa manasa lamba ry zareo (mampiasa savony ekolojika) ny ranon-tsavony mivoaka avy amin'ny milina fampiasany dia aviliny mankany amina sinibe iray voatokana hitahirizana azy, ary dia mampiasa fantsona misandrahaka ry zareo mba hitsinjarana indray izany rano izany ho any an-trano fandroana. Rehefa mila manadio gorodona ry zareo dia iny rano efa niasa iny no ampiasainy, nefa mbola iny ihany koa no ampiasain-dry zareo rehefa mila manondraka ny maloto ao an-kabone, angonina anaty tavin-drano alohan'ny hanondrahana ny toeram-pivoahana.

Any  Singapore koa dia misy ny olana amin'ny resaka fikajiana ny rano, ary ity horonantsary ity dia mamnome toro-làlana maromaro izay azon'ny sasany amintsika ampiasaina: mitsitsy rano rehefa mandro, mampiasa kaopy rehefa miborosy nify fa tsy ny paompy no abasasaka, fampiasàna ny rano avy nanakobanana lamba nosasàna mba hanondrahana ny toeram-pivoahana na hanadiovana gorodona, ny fanasàna anana anaty koveta, ankoatr'ireo hafa koa. Aseho ao koa fa ho an'ny kolontsaina sasany, ny fitsitsiana rano dia ilàna fampiasàna sauina kely:  toro-làlana iray ny fitsitsiana rano avy nanasana vary mba hanonrahana zava-maniry. Raha tsy mpihinam-bary isika, toro-làlana hafa manao ahoana no tandrify manokana ny olan'ny fanjifantsika rano?

Araka izay hita tamin'ny ohatra teo aloha sy ity manaraka ity, ireo orinasa mpamatsy rano no mazava ho azy fa tena mpiaro fatratra ny fampiasàna rano amin'ny fomba voarindra. Avy any Colombia, ao an-tanànan'i Cartago, ny orinasam-panjakana Emcartago dia tsy hoe nampiakatra horonantsary momba ny fanjifàna rano fotsiny ho ao anaty aterineto, fa koa  nandeha hatrany amin'ireo mpifanolobodirindrina mba hanofana ny vahoaka hànana fahazàrana tsara mikajy ny rano. Amin'ny alàlan'ny fanehoana horonantsary ho ohatra amin'ny fomba tsara na ratsy ampiasàna ny rano, dia nandefa ny hafany ry zareo tsy ny amin'ny fomba hitsitsiana ny rano ihany fa koa mikasika ny fampiasàna ireofilàna hafa toy ny entona sy ny herinaratra.

Farany, nefa tsy ny maivan-danja akory: betsaka ireo trano vaovao no manana rano manara-penitra ao amin'ny toeram-pivoahana, saingy ireo tokantrano ambiny manana toeram-pivoahana mandany rano be loatra ary tsy manam-bola ho enti-manolo azy ireny dia tsy tokony ho kivy. Ity toro-làlana manaraka ity dia hanome ho an'ny tsirairay fomba ahafahana mitsitsy rano na diaho iray litatra monja aza isaky ny mampiasa ranao ao amin'ny toeram-pivoahana. Amin'ny famenoana tavoahangin-drano 1.5 L iray, ka mametraka azy io ao an-trano fivoahana, izany dia hanampy anao hitsitsy rano ankoatry ny azon'ilay tavoahangy tehirizina:

Tsarovy, tsy hoe famonjena ny planeta fotsiny ny fitsitsiana rano, fa manampy anao hitsitsy vola ihany koa amin'ny fampihenana ny faktiora tsy maintsy haloanao. Ho Blog Action Day 2010 finaritra e!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.